FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 15 Novambra 2009 – Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany

Toriteny Alahady 15 Novambra 2009 – Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany

Publié le 18 novembre 2009 à 12:11

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Mbola mibanjina hatrany ny lohahevitra hoe : « Marina amin’ny asany ny mpino » isika ao anatin’ny sahan’ny FJKM amin’izao alahady izao. Ny Jaona 3, 17-21 izay novakiana tamintsika teo no hakantsika ny hafatra avy amin’ny tenin’Andriamanitra anio :

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.

18 Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] reheteo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanakalahy Tokan’Andriamanitra izy.

19 Ary izao no fanamelohana, [Gr. fitsarana] fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.

20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.

21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany.

Ny fahateraham-baovao ao amin’i Kristy dia handraisana hery mampandresy

Nekodemosy dia Fariseo sady mpanapaka teo amin’i  Jiosy, nanantona an’i Jesoa tamin’ny andro alina ka nampianarina ny amin’ny atao hoe « fahateraham-baovao » izy. Nekodemosy izay manana ny toerany sy ny fisiany ary ny maha-izy azy teo amin’ny fiaraha-monina, iny mandeha amin’ny andro alina, midodododo mankany amin’i Jesoa izay tsy mandà n’inon’inona nefa nanana ny lazany sy ny heriny tamin’ity vanim-potoana niseho ity.

Ny olona dia tsy maintsy hateraka ary io dia fampianarana miezinezina izay nataon’i Jesoa ; « ny fahateraham-baovao ao amin’i Kristy dia handraisana hery mampandresy ».

Hitantsika izany ao amin’ny andininy faha 17 ao amin’i Jaona izay novakiantsika teo manao hoe :  « Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao ».

Jesoa Kristy ilay Zanak’Andriamanitra Lahy Tokana nirahan’Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao fa tsy hanameloka izao tontolo izao, izay nanana ny toerana sy toetra nampiavaka Azy tokoa raha ny fiainan’ny lanitra miaraka amin’ny fon’ny lanitra sy ny fiainan’izao tontolo izao miaraka amin’ny fon’izao tontolo izao.

Efa haintsika mazava tsara fa raha lazaina izany lanitra izany dia fahamarinana, fahamasinana, fiadanana, fahasambarana no iainana ao amin’izany fiainan-danitra izany.

Izao tontolo izao kosa dia itoeran’ny faharatsiana sy ny fahapotehana ary ny fahalovana tanteraka indrindra, ary Jesoa Kristy ilay Zanak’Andriamanitra izay nanana ny fiainan’ny lanitra, Mpanjakan’ny lanitra nefa nahidina teto amin’izao tontolo izao, tsy hanameloka an’izao tontolo izao izay ratsy anefa fa hamonjy izao tontolo izao.

Tonga hanome fiainana sy hamonjy izao tontolo izao Jesoa

Ny mahagaga dia raha efa manana ny didin’Andriamanitra na ny teny fohy araka izay nambara tany amin’ny testamenta taloha tamin’ny andron-drofia, izao tontolo izao, mba hanaraka io didin’Andriamanitra io dia toa tsy niaina, tsy nivelona izany.

Nomena ny mpaminany, nomena ny mpitsara, nomena ireo rehetra ireo hamerina ny olona ho ao amin’Andriamanitra nefa tsy niaina an’izany ny olona fa voamaika aza nikaroka fomba sy fitsipika maty paika hanoerana ny sitrapon’Andriamanitra.

Raha avy Jesoa Kristy, nisy zavatra lojika ary ny tsy nisy dia izao : Jesoa tezitra, hanasazy sy hanafay amin’ny anaran’Andriamanitra, handringana izao tontolo izao … fa mazava eto ny tenin’Andriamanitra dia tonga hanome fiainana sy hamonjy izao tontolo izao. Andriamanitra mampiseho ny fitiavany, izay ilay Andriamanitra izay tompointsika.

Manao ahoana ny fitiavantsika ?

Ry havako, mba manao ahoana mihoatra ny fitiavan’i Kristy azy ny fitiavantsika ? Raha ao an-tokantrano ao fotsiny, raha vao mandrara isika ray aman-dreny amin’ny ankizy ohatra hoe tsy azo alaina ity telefona ity hanaovana « jeu » fa apetraka eto ! telefon’ny dada sy neny io, dia alain’ny ankizy izy rahampitso, efa noraràna ianareo fa tsy azo alaina io, tonga indray rahampitso, efa notenenina  ianareo, maditra be ianareo! Tsy azo alaina io, efa manomboka miha-mafimafy ny fiteny, tonga ny fahatelo miaraka amin’ny kapoka sy ny fanasazina, izany ny toetrantsika ray aman-dreny.

Impiry moa Andriamanitra no mananatra antsika, impiry Andriamanitra no miteny antsika nefa mandrak’ity ny androany, mbola tsy nanasazy antsika Andriamanitra, mbola manadio antsika Izy, mbola maneho fitiavana antsika Izy, ary raha tsy noho ny fitiavan’i Kristy dia iza no sahy hiditra ato an-tranony ? Izy ilay masina ange no hantonintsika ato ê !satria isika dia samy mahatsapa fa tsy misy tanteraka, tsy mendrika! Ka iza no sahy hanantona, hanatrika ny voninahitr’i Kristy? Fa noho ilay fitiavany dia mbola afaka manantona sy manatrika Azy isika ; ary te handre ny tenin’ilay mitondra fiainana isan’andro isan’andro.

Miala nenina amintsika Jesoa Kristy

Raha ny zavatra nisy àry araka ny nambara dia Jesoa Kristy tokony hivatravatra, hamotika sy handrava no tonga teto amin’izao tontolo izao, nefa tsy izany fa Jesoa Kristy nitondra fiainana fahasambarana ary mbola nilazàny aza fa « tsy avy Aho hamotika azy fa hitondra fiainana ary hitondra izany be dia be ».

Mahagaga ary mahatalanjona tokoa izany fitiavan’i Tompo izany ry havana, sao dia diso ny fiheverantsika fa amin’izay rehetra ataontsika dia manasazy sy mikapoka Andriamanitra.

Tsia, fa malahelo sy mijaly Izy amin’izay ataontsika tsy mifanaraka amin’ny sitrapony, mpandainga izany isika ilay niteny hoe  « rankizy, bedin’i Jesosy ianareo manao an’izao an ! »
Tsy mibedy Jesosy fa malahelo, osa noho ny ditran’ny zanany ka mitondra izany alahelony izany mandrakariva eo amin’Ilay Rainy . Miala nenina amintsika Jesoa Kristy ry havana, ary fantatritsika fa tsy mba toy ny andriamanitra rehetra ny Andriamanintsika ka manasazy sy manafay raha misy izay fahotana natao.

Ny andriamanitry ny sampy raha vao fady : tsy mahazo mihinana hena kisoa, raha vao mihinana dia efa fady, ota, sns, raha tsy manao ala-faditra aloha, raha tsy manao an’itsy aloha… Tsy izay ny Andriamanintsika, tsy mampijaly ny Andriamanintsika, tsy mba mpanasazy ny Andriamanintsika fa Andriamanitra FITIAVANA sy MPAMINDRA FO, maha-te ho tia ange izany Andriamanintsika izany.

Tsy ny herin’ny maizina ihany ry havana no tery fo horesentsika fa ny asan’ny maizina rehetra izay mitondra antsika hiala sy hisitaka Aminy ka tsy ahazoantsika ilay fiainana fitahiana izay nentiny teto amin’izao tontolo izao. Tsarovy fa tsy ny mpanao ratsy no hàlan’ny kristianina fa ny ratsy izay ataony, raha misy mpangalatra izany dia tsy hoe iny olona iny dia tena hàlako fa mpangalatra fa ny asa ataony no hàlan’ny Tompo ary tokony ho hàlantsika ihany koa ka ny manala azy ao anatin’izay no vahaolana sy baiko omen’ny Tompo ho antsika izany no tian’ny Tompo iainantsika vahoakany amin’izao andro anio izao, izany no tian’ny Tompo iantefàna amintsika amin’izao andro anio izao.

Ny Zanany dia Ilay Lahy Tokana madio ary mitondra fiainana nomeny antsika mba hananantsika ihany koa fahadiovana sy fiainana, hialàntsika amin’ny tsaho, ny hakiviana, ny tebiteby ka itambesaran’ny sazy sy ny zioga mavesatra isan’andro isan’andro. Fiainana ao ambadiky ny fanarahana an’i Kristy ry havana fa tsy fahafatesana na ozona sanatria sanatria.

Tsy tonga mba handatsalatsa sy hitanisa izay tsy maha-mendrika sy tsy fahalavorariantsika Jesoa Kristy fa tonga kosa hanolo-tànana ary hanatsotra ny fony, handray antsika raha mibebaka marina tokoa ka manaiky hateraka indray isika. Tonga Izy hitifitra sy hanàla ny fahotantsika tsirairay avy, hamafa ny alahelo sy ny fahoriana vokatry ny tsy fahamendrehantsika ka hanova izany ho amin’ny fiainana.

Matahotra ny hanantona ny mazava noho ny faharatsiana

Amin’izao anio izao àry dia mbola tsy nitanisa na nandatsa ny tsy fahamendrehantsika ny Tompo fa mbola vonona ny hanambitamby sy hanafosafo ary haneho fitiavana antsika. Fa iza tokoa àry no mahasahy, rehefa mankaty am-piangonana raha vao tonga eo am-baravaram-piangonana eo dia hoe,  Jesoa Kristy : ianao, izao no nataonao, izao no nataonao, izao no nataonao! Tsy misy mahasahy an’izany fa tonga ato am-piangonana isika ary fitiavana lehibe no nomen’ny Tompo antsika, avelany ny helontsika, sasàny ny fahotantsika.

Handraisantsika hery : mampandresy ny zavatra rehetra ny Tompo, fa tsy izay ihany ny asan’ny Tompo amintsika fa ny asan’ny Tompo amintsika ihany koa dia hiaina ny finoana sy fahamarinana.

Amin’i Jesoa rehefa hoe mino dia manantona Azy, mitoetra eo amin’ny fahazavàny sy ny fahamarinàny ary ny fahintsiny indrindra indrindra ihany koa. Nikodemosy dia tonga amin’ny andro alina mankao amin’i Jesoa Kristy izay toa mampiseho  fa misy zavatra ataorany ka niafinafina izy satria mbola tsy resy lahatra ary mbola tsy nateraka indray.

Io dia manana endrika fa ny olona rehefa avy ao amin’ny maizina dia matahotra ny hanantona ny mazava noho ny faharatsiana izay nataony . Ry havana, matoa ny olona matahotra hanantona ny Tompo dia mbola manjaka ao aminy be dia be ny asan’ny maizina, fa raha mahatoky manantona ny Tompo ny olona dia manaiky fa efa misy asan’ny mazava ao anatiny amin’izany fotoana izany.

Ho antsika kristianina dia aoka tsy ho menatra hanantona ny fahazavana lehibe isika, raha mankaty am-piangonana isika dia aoka tsy mba ho menatra hoe indreo izahay fa mitondra ny baiboly fa kristianina, aza manantena hoe hisy « programme » indray ao am-piangonana ao fa raha tsy mitondra fihiràna àry dia efa ao amin’ny « programme » dia vita. Aoka tsy ho menatra satria fahazavana no hantonintsika ary Ilay Mazava no miantso antsika ny amin’izany, ary raha hanontanian’ny olona dia aoka hirehareha tokoa fandrao hanompa an’Andriamanitra ny amin’izany.

Fa aoka aza ho menatra raha hanantona ny faharatsiana dia ny asan’ny maizina, porofon’izany, raha mandeha isika manompo an’Andriamanitra dia tazan’ny olona amin’ny andro mazava tsara ary hitan’ny olona ny firoboroboana mankao amin’ny tranon’Andriamanitra, n’aiza n’aiza misy antsika dia tsapan’ny olona fa mitondra ny anaran’i Kristy amin’izay rehetra ataontsika, mijoro amin’ny fahamarinana ka tsy mba ho menatra an’izany fa miala kosa amin’ny faharatsiana. Fa jereo tokoa nge ny olona tsy mba manompo an’Andriamanitra fa hanompo ilay andriamanin-kafa ê! Miolaka mihaotrahotra, ny fitaovana entina amin’izany àry dia hasitrisitrika tokoa satria ratsy no hantonina ka mahamenatra.

Ary izany no mahatonga ny mpangalatra rehefa mangingina, rehefa amin’ny alina vao mandeha mangalatra satria asa ratsy no ataony fa isika kosa amin’ilay mazava satria fahazavana sy fiainana no ho raisintsika sy ho ataontsika ; tsy sitrak’Andriamanitra Nikodemosy nitsiditsidika amin’ny andro alina ary Andriamanitra tsy mba tia zavatra miafinafina fa ny mangarahara sy ny madio ary ny mazava, izany no tiany.

Handeha hiseho amin’ny fomba rehetra sy fotoana rehetra fa zanak’Andriamanitra novidiany ary nateraka indray

Ry havana, aoka àry isika tsy ho menatra ka hitady izay toerana miafinafina na hitady izay fomba mangingina faran’ny tsotra hanompoana an’Andriamanitra fa handeha hiseho amin’ny fomba rehetra sy fotoana rehetra fa zanak’Andriamanitra novidiany ary nateraka indray isika ka ho sahy hanompo Azy. Raha izany no ataontsika dia tanteraka ilay tenin’ny Tompo araka izay tamin’ny mofon’aina teo nefa perikopa androany ihany koa dia manao hoe : « Tsy manana fifaliana noho izao Aho dia ny handrenesako fa mandeha amin’ny fahamarinana ny zanako, ny zanako izay mandeha amin’ny fahamarinana sy ny finoana matanjaka ». Izany no tian’Andriamanitra.

Mandehàna àry ry havana amin’ny fahamarinana, tsy amin’ny henatra sy ny tahotra satria zanaky ny mazava sy ny mahery isika, ny finoana an’i Jesoa izay miteraka fahasahiana hanao ny marina amin’ny asa atao, ahatanteraka ny voalaza ao amin’ny Ohabolana hoe : « ianao izay marina sy mahitsy no sitrak’i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà ».

Ny fiainantsika sy ny ataontsika eo amin’ny mazava ary manantona ny mazava dia tena fifaliana tokoa, tsy mba alahelo ho an’ilay Tompontsika ny fahateraham-baovao amin’i Kristy dia andraikitra mahery ho an’ny mpandresy, mampandresy amin’ny lafiny rehetra fa tsy ny lafiny ara-panahy ihany, mampandresy amin’ny fahatsaràna sy ny fahadiovana.

Ny fahateraham-baovao amin’i Kristy dia fiainana ny finoana sy ny fahamarinana ka tsy ho hakinafinafina na ny henatra no hanantanterahana izany fa ho tazan’ny olona ary ho hita na aiza na aiza no itoeran’ny zanak’Andriamanitra dia isika izay mitondra ny anarany hoe kristianina.

Izay manan-tsofina mety mihaino aoka izy hihaino ny teny ambaran’ny tenin’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana. Amen.

Mpitandrina FJKM Sud Ambohipo


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «