FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny alahady 15 Mars 2009 : Miangona eny mivoria ianareo ry firenena tsy manan-kenatra

Toriteny alahady 15 Mars 2009 : Miangona eny mivoria ianareo ry firenena tsy manan-kenatra

Publié le 17 mars 2009 à 12:03

Ny bokin’i Zefania no akàna ny toriteny. Ny hoe : Zefania moa dia midika hoe : manafina Andriamanitra na miaro Andriamanitra.
Ity mpaminany Zefania ity dia nifanindran-dàlana tamin’i Josia mpanjakan’i Joda. Ary Josia mpanjaka dia nanana politika hanitsy ny fivavahana teo amin’ny firenena Joda. Ary raha mbola tsy nanomboka akory izany fanitsiam-pivavahana lehibe izany, dia efa tonga tamin’i Zefania izao faminaniaina izao.
Raha ny perikopa manoloana antsika dia ahatarafana ny loha-hevitra hoe :

« IZAY ANTOM-PIANTOHAN’ANDRIAMANITRA »

Ahoana ary no atao mba ahafahana mahazo antoka fa miaro Andriamanitra ?
Inona no takiana amin’ny mpanompon’Andriamanitra mba hiarovan’Andriamanitra azy?

1. Ny fandinihan-tena : Zefania 2 :And 1 : « Miangona eny mivoria ianareo ry firenena tsy manan-kenatra »

Dikan-teny hafa : « Mandiniha tena ka mieritrereta ry vahoaka lany henatra ».
Antso ho amin’ny fandinihan-tena, antso ho amin’ny fieritreretana lalina.
Izany hoe dinihina fatratra ny fiainana manontolo, averina eritreretina lalina izay natao rehetra sy izay niainana tamin’ny fiainana manontolo. Satria vahoaka lany henatra, vahoaka tsy mahalala henatra intsony noho ny fahajambam-panahy lalina nahazo azy.
Ireto vahoaka ireto dia vahoaka nanota, sy nivadika tamin’Andriamanitra. Satria nanjaka tamin’izany fotoana izany ny fampirafesam-pivavahana. Ary tamin’izany no nampirafesan’ny vahoaka an’Andriamanitra tamin’andriamanitra hafa izay heveriny fa mahavonjy.

Izao no voalaza ao amin’ny Zefania 1 and 5 : « …ary izay mianiana ho an’i Jehovah, sady nianiana amin’i Malkama ». Ny hoe Malkama dia midika hoe : mpanjakany. Izany hoe nampitoviana lenta Andriamanitra sy ny mpanjakan’ireto vahoaka ireto. Ary izany toe-javatra izany dia maharikoriko an’Andriamanitra ary mampalahelo Azy. Ary an’isan’izay andraran’Andriamanitra ao amin’ny didy folo ny hoe : « Aza manana Andriamani-kafa afa tsy Izaho ihany ».

Jamba ireto vahoaka ireto. Toy ny olona adala izy, jereo ny olona adala, tsy misaina intsony, tsy afaka mieritreritra intsony, tsy afaka mandinika intsony ny amin’izay mety sy tsy mety eo amin’ny fiainana.
Koa manoloana izany adalàna izany dia taomina ireto vahoaka ireto handinika, hieritreritra mba hahafahany mahalala ny fahadisoany ary hahafantarany ny zavatra tsy mety ataony.
Ry Havana malala, fotoana fandinihan-tena izao, mialoha ny hahatsiarovana ny nahafatesan’i Tompo, mialoha ny hahatsiarovana ny nandreseny ny fahafatesana. Amin’izao andro izao dia hazakazaka ny fiainana. Vonjena ny ao an-trano, vonjena ny asa aman-draharaha, vonjena ny adidy eo amin’ny fiaraha-monina. Toa tsy manana fotoana handinihan-tena intsony ny olona.

Ary ny fiangonana aza dia toa lasa zary fahazarana.
Noho izany indrindra ry Havana, dia tarihin’Andriamanitra isika mba handinin-tena, hieritreritra. Manao ahoana tokoa moa ilay fifandraisantsika amin’Andriamanitra? Manao ahoana ilay fanompoantsika an’Andriamanitra? Manao ahoana ilay fifaneraserantsika amin’Andriamanitra?
Araka izay dia ilaina ny mandinin-tena mandrakariva.
Hoy ny Salamo : « Diniho ny tenanareo na mitoetra amin’ny finoana na tsia… »

2. Ny fibebahana : Zefania 2 and 3 : mitadiava an’i Jehovah
Matoateny mandidy no ampiasaina eto. Izany dia mitaky asa avy hatrany, mitaky valiny izao ankehitriny izao.
Araka izay dia taomina ireto vahoaka ireto hitady an’Andriamanitra.
Izany hoe : hiverina amin’i Jehovah, hitodika Aminy, hiazakazaka. Ary izay ilay endriky ny fibebahana, fiverenana indray amin’Andriamanitra.
Satria ireto vahoaka ireto dia efa tao Aminy ihany saingy nivadika. Hitantsika ao amin’ny and faha 3 ohatra ny hoe : « izay efa nanaraka ny fitsipiny »: Izany hoe efa nanao ny sitrapon’Andriamanitra ihany saingy tamin’ny fotoana efa lasa.
Koa taomina ary ireto vahoaka ireto hiverina amin’Andriamanitra ary hibebaka. Ary izany fibebahana izany dia tsy mijanona amin’ny fiovana ao anaty, fa aseho ihany koa amin’ny endrika ivelany.

Araka ny andininy manaraka : « Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana. »
Ahoana moa no ahafantarana fa manao ny marina ny olona? Ahoana no ahafantarana fa mandefitra ny olona?
Ny asa atao, ny fihetsika etsy ivelany no andrefesana izany. Araka izany dia endriky ny fibebahana ny fanehoana ny fahamarinana sy fahaizana mandefitra manoloana ny zavatra samihafa. Tsy misy intsony mantsy ny fahamarinana, tsy misy intsony ny fandeferana fa dia samy manao izay tratriny ireto vahoaka ireto.

Ary izany no itaomana azy ireo hiverina amin’Andriamanitra, hibebaka tanteraka, ary tsy ao anatiny ihany fa ny toetra ety ivelany dia atao sahaza izany fibebahana izany.
Ry Havana malala, tsara ny mitonona anarana hoe kristiana. Ka ao anatin’izany dia sainina foana ny hoe : manana ny fiainana mandrakizay, na ihany koa efa voavonjy. Tsara izany saingy toa adino ilay fibebahana, fiverenana amin’Andriamanitra.
Mahalasa saina ny zava-misy iainana ankehitriny. Raha mitodika ny amin’ny lasa isika : kitapo latsaka tsy misy maka.

Fa inona no miseho ankehitriny? Fananan’olona robaina ary dorana? Ary eo koa ny fanambakàna samihafa izay ataon’ny olona, ny tsindrio fa lavo, ny varomaizina samihafa mameno ny tanàna, ary ny mahagaga dia mipàka aty amin’ny fiangonana ireny zavatra ireny. Satria ny kristiana isan’izay manana ny maha-izy azy amin’ny sehatra rehetra. Izany ve ny vokatry ny filazantsara? Anjarantsika ny mieritreritra.
Koa andeha isika hiverina amin’Andriamanitra, andeha isika hanavao ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra. Enga anie ny fiainantsika manontolo no ,hahatsapàna fa mibebaka marina.
Ho fehiny dia izao : tsy afa-misaraka ny fandinihan-tena sy ny fibebahana. Olona mandinin-tena no afaka mibebaka. Atao ahoana moa ny hibebaka raha izay tsy nety natao no tsy fantatra akory?

Hamaranana azy dia izao, maro ireo karazam-piantohana misy eto amin’ny firenena. Tamin’ireny fandrobana sy fandorana tranombarotra samihafa ireny dia miala tsy hiantoka ireo karazam-piantohana. Fa ny ao amin’Andriamanitra kosa dia tsy mba mitovy amin’izany, fa voahajantsika ilay fifanarahana, dia ny fandinihan-tena marina sy fibebahana marina, dia ho tsara antoka ny fiainantsika, ho avotra isika manoloana izay mety hiseho rehetra.
Hoy ny andininy farany hoe : « Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah ».

Koa raha tonga ilay fahatezeran’Andriamanitra dia mba ho isan’izany voaaro isika.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra, Amen.

RAKOTONOELIARIMANA,
Mpitandrina mizadraharaha eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.


Lire aussi

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

30/07/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny toe-panahy entina manompo an’Andriamanitra

Alahady 30 Jolay 2023, andinihina farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Alahady faha-5 nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny fampianarana araka ny Kolosiana 3 : 12-17  » 12Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. 13Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny

23/07/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy

Alahady 23 Jolay 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 6 : 12 – 16 « 12Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy. 13Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy