FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 14 Jona 2009:Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo

Toriteny Alahady 14 Jona 2009:Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo

Publié le 17 juin 2009 à 12:06

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, mbola ampitomboina aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Zanany. Amen

Ny filazantsaran’i Marka 9 andininy 14-19 no andeha ankantsika ny hafatra anio. Izany moa dia mitantara indrindra ny amin’ny nanasitranan’i Jesoa ilay zazalahy kely nitoeran’ny fanahy maloto.

14 Ary nony tonga teo amin’ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.

15 Ary niaraka tamin’izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.

16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireto?

17 Ary ny anankiray tamin’ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho ety aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;

18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitsinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.

19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy.

Tsy mpanao majika i Jesoa

Ity perikopa noraisintsika ity ry havana dia iray amin’izay mitantara ny asa mahagaga nataon’ny Tompo fony izy tety an-tany. Marihina fa tamin’izany fotoana izany dia tsy i Jesoa irery akory no nampiseho asa mahagaga toy izany fa olona maro tokoa. Ka ho an’ny olona izay tsy ao anatin’ny finoana dia nosokajiana ho isan’ny mpanao majika i Jesoa. Fa ny zavatra kendren’ny mpanao majika indrindra amin’ny ankapobeany dia ny hampirara-kivy ireo izay mijery azy.

Fa moa izany tokoa ve no tanjon’i Jesoa ry havana, raha manao ireny asa mahaga ireny Izy, ka mahatonga ny mpanara-dia Azy maro mandrak’ankehitriny, alaim-panahy hisarika sy hitaona olona amin’ny fampisehoana zava-mahagaga ?

Ny filazantsara telo ry havana dia niezaka nanitsy izay mety ho fahadisoan-kevitry ny fiangonana amin’ny fametrahana mandrakariva amin’ny fitantarana fa :

– Na ny Tompo rehefa hanasitrana marary, dia mihataka amin’ny vahoaka

– Na Izy rehefa nanasitrana dia namepetra ny marary mba tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza

– Na Izy rehefa mitokana miaraka amin’ny mpianatra vao manao zava-mahagaga

Koa ny fahagagana ataon’ny Tompo dia tsy mikendry fampitalanjonana ny mihaino sy mijery Azy fa te hampita famantarana kosa hoe :

« Iza ilay nanao izany ? Inona no takiana amiko manoloana izany ? Ahoana no tokony hifandraisako amin’ilay manao izany ?

Feno fahefana ny anaran’i Jesoa Kristy

Ny mahafinaritra amin’ity perikopa noraisintsika ity ry havana dia izao : hita taratra ao ny hevi-dehibe hitondran’ny mpanoratra ny filazantsarany manontolo, izay nampisehoany :

– ny fahefan’i Jesoa (Toko 1 – 3)

– Ny fitakiana ny finoana (toko 4 – 6)

– Ny tsy fahombiazan’ny mipanatra (toko 6 – 8)

Ry havana, ny filantsara manontolo dia miombom-peo fa nahombo avokoa ny fanasitranana nataon’ny Tompo. Ary tsy tamin’ny aretina ihany fa tao koa ny fampianarana feno fahefana izay nampiheritreritra ny maro.

Hatramin’ny maty aza natsangana ; ny rivo-doza nampitoniny ; ny herin’ny sinton’ny tany noreseny ka azony natao ny nitsangatsangana teny ambony rano. Eny ny fahafatesana nihatra teo amin’ny tenany aza dia resy ka nahatonga Azy nitsangana tamin’ny maty.

Ary ny anarany dia feno fahefana, ka amin’ny alàlan’izany anarana izany dia mbola azo atao ny manatanteraka asa maro, manafaka olona amin’ny rofo rehetra. Ary hatramin’izao izany anarana izany dia mbola hiainana sy mahavelona ny fiangonana.

Fantatsika loatra ry havana ny asan’ireo Mpiandry manasitrana amin’ny alàlan’ny fahefan’izany anarana mahavonjy izany ; ny teny toriana izay manova ny mpanota ho olom-baovao.

Tena feno fahefana ry havana io Jesoa Kristy izay inoantsika sy ivavahantsika io.

« Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? »

Fa izay mitranga eto amin’ity perikopa ity dia izao : tsy nahasitrana ilay marary ny mpianatra ka nitotototo tany amin’i Jesoa, nila vonjy ny rain’ilay zaza.

Valiny enjana no nasetrin’i Jesoa izany : « Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? »

Ny tsy finoan’ny vahoaka

Teny enjana niantefa tamin’izay rehetra teo izany : na ny vahoaka, na ny mpanora-dalàna na ny mpianatra. Teny milaza fahatafintohinana satria tsy nino ireo nanatrika teo ary ny tsy finoana dia fanomezana vahana ny fahavalon’Andriamanitra, ka tsy mahatanteraka ny teny fikasana, dia ny famonjena sy ny fanafahana.

Ny finoana ry havana no fitaovam-panahy napetrak’Andriamanitra ao anatin’ny olona mba hahafahany mifandray amin’Ilay Andriamanitra Fanahy. Ka amin’izany fifandraisana izany dia napetraka eo amin’ny toeran’ny mpakato, mpanatanteraka baiko, mpiantehitra feno amin’Andriamanitra isika olombelona. Ary Andriamanitra kosa no mpanome toro-làlana, mpibaiko ary mpanome hery.

Koa raha niteny mafy ny Tompo hoe : « Ry taranaka tsy mino », dia satria nihanjahanja eo anatrehany ny tao anatin’ny tsirairay. Fantany fa fitia te hahita zava-mahagaga fotsiny ny nahatongavan’ny olona teo fa tsy noho ny fahatokiana an’Andriamanitra akory.

Ny mpanora-dalàna, izay tsy amin’ny lisitry ny mpino velively , dia mpiandry kendritohina sy hamely fotsiny an’i Jesoa sy ny mpianany.

Ny tsy finoan’ny mpianatra

Teo amin’ny mpianatra dia nanana endrika havonavon-kevitra izany tsy finoana izany. Fa sady toa nitady dera avy amin’ireo mpijery ny mpianatra satria tsy mba nihataka tahaka ny fanaon’ny Tompo, no toa tsy mba niandry na nangataka tso-drano avy amin’ny Tompo. Hadinon’izy ireo fa ny fahefana nomena azy dia iarahana sy iombonana feno amin’Ilay tompon’ny iraka, ka tsy manan-kery raha tsy hotronon’Izy Tompo. Fa inona tokoa no nitranga ?

Nanararaotra ny tsy naha-teo an’i Jesoa Kristy ireto mpianatra mba hanasitrana, kanjo niala maina.

Fa hoy ny mpianatra nanavaka ny tenany tamin’ny Tompony : Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy ?

Nihevitra ny mpianatra fa rehefa nomena fahefana indray mandeha dia :

– ampy izay

– tsy ilaina intsony Kristy

– tsy ilaina intsony ny mangataka hery avy amin’Andriamanitra

– tsy voatery hiantehitra amin’ny Tompo vao hahavita zavatra

Tafatsofoka tao anatin’ny vovon’ny ambom-pon’olombelona ny mpianatra ry havana. Nihevi-tena ho zavatra, nila hifaninana amin’Ilay Tompo kanjo tafalatsaka tao amin’ny fahafam-baraka tanteraka ; tsy nahavita namoaka ny fanahy maloto, nisaritahan’ny vahoaka teo.

Tsy fahatokisan-tena akory ny finoana fa fahatokiana ny Tompo

Ry havana, mpitranga matetika amin’izay mahatsiaro ho nomena fahefana ny toy izany : manadino ny mpaniraka ka mitolona irery.

Andeha hilaza toe-javatra vitsy mety mitranga isika :

– Indraindray olona tsy ampy siramamy na tsy ampy sokay no mihetsika krizy dia hanaovan’ny sasany asa fandroahana fanahy maloto ka vao mainka zava-doza no ihafaran’ny fiainan’ilay marary ; tsy nangataka tamin’ny Tompo ilay mpanasitrana hany ka tsy mba nànana ny fanahy afaka mamantatra mba tsy ho tafalatsaka amin’ny fahadisoana

– Indraindray rehefa tsy ampy firaisana amin’ny Tompo ny sasany dia manao izay saim-pantany fotsiny ka mikapoka ny marary amin’ny Baiboly

Ry havana, ny finoana dia tsy fahatokisan-tena akory fa fahatokiana ny Tompo. Tsy vokatry ny nofo aman-drà izany fa vokatry ny Fanahy.

Io finoana ny Tompo io no mahalavorary ny asantsika ka mitarika ny fomba ampiasantsika ny fahefana nomen’Andriamanitra mba hahasoa ny mpiara-belona amintsika.

Raha vao tafasaraka amin’Ilay tena Tompon’ny fahefana tsy mamitaka isika ry havana dia mety hanao tao foana. Na na ho an’ny mila vonjy na ho an’ny mpiasan’ny Tompo dia samy hitakian’i Kristy izany finoana izany.

Ny finoana no fitaovana nomen’Andriamanitra mba hahazoantsika, izay mbola mitoetra ao amin’ny nofo, afaka hifandray amin’Andriamanitra Fanahy.

Io finoana io no fantsona lehibe ahafahan’Andriamanitra manatanteraka ny asa mahagaga eo amin’ny olony.

Io finoana no mampisy dikany sy heviny ny zavatra rehetra ataony ; mba tsy hijanona ho fampitalanjonana ho an’ny mpijery izany fa ho toy ny famantarana mitondra ny olona ho amin’ny fifandraisana lalina amin’Andriamanitra.

Nomen’Andriamanitra fanahy manokana afaka hino ny olombelona, ary izany no hiavahany amin’ny zavaboahary hafa rehetra izay mandeha amin’ny firehana ihany.

Fa raha ity perikopa ity no jerentsika dia tsy mitovy ny fatran’ny finoana takiana amin’ny olona mila vonjy sy ny mpanao ny asa.

Ho an’ny olona mila vonjy dia ampy ho azy ny ny matoky ny herin’i Jesoa Kristy, eny fa na dia misavorivory ao an-tsainy aza ny tsy fahatakarana mazava ny amin’ny atao hoe Finoana marina.

Nanantona an’i Jesoa ny rain’ilay zaza, nibaboka fa kely ny finoany, kanefa nangantaka ny hanomezana izany finoana marina izany.

Tsy lesona ianarana any anaty kahie akory ry havana ny finoana, fa fiantorahana tsotra tsy misy olakolaka amin’Ilay heverinao fa afaka mamonjy anao ; dia nanasitrana ny Tompo.

Ry havana, mino aho fa maro amintsika izao no efa nanehoan’ny Tompo zava-mahagaga teop amin’ny fiainany rehefa namboraka tsy am-pisalasalana ny manjo azy ; mino ny herin’ny Tompo.

Fa mety misy koa anefa ny mahatsiaro fa hatramin’izao dia tsy mba nohenoina. Anjaranao ny mamantatra ny tenanao : tena mino ve ianao ? tena azonao antoka ve fa azon’i Jesoa Kristy tanterahina eo amin’ny fiainanao io zavatra angatahinao io ? matoky marina ny heriny ve ianao ?mametraka ny tenanao ho isan’ny miantehitra feno aminy ve ianao ?

Fa itakiana finoana bebe kokoa ny mpanompo ny Tompo

Fa etsy andanin’izany ireo mpanompon’ny Tompo dia hitakiana finoana bebe kokoa. Izany no dikan’ny tenin’ny Tompo hoe : « iny karazany iny dia tsy mba azo avoaka na amin’ny inona na amin’ny inona afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina irery ihany »

Izany hoe tsy ny fomba ivelany izay mety ho azon’ny rehetra atao avy amin’ny herin’ny tenany ; amin’ny maha nofo aman-drà azy no ahazona manatanteraka ilay asa, fa amin’ny fanovozan-kery sy fiankinana feno amin’Ilay Tompon’ny asa irery ihany.

Na ny vavaka na ny fifadian-kanina dia samy endriky ny fanetre-tenan’ny mpanompo mahatsiaro fa ts’inona ts’inona raha misaraka amin’ny Tompony ka mitolona sy mitalaho ny fihomban’Andriamanitra azy.

Fakam-panahy mpahazo ny olona ny mahatoky tena, indrindra ange fa heveriny fa toa efa zatra sy mahay io asa io izy. Ry havana, hatramin’izao aloha dia mbola ny vavaka ihany no fitaovana nomen’Andriamanitra antsika mba hanovozan-kery hanatanterahana ny asany.

Tantaran-dRakoto

Indray maka ry havana, nisy lehilahy iray antsoina hoe Rakoto, niampita tetezana amin’ny fiara. Voalaza fa efa tranainy ilay tetezana ary tsy vitsy ny fiara no nidaboka tao fa tsy tody. Io ihany anefa no làlana tsy mantsy andehanana. Nivavaka mafy Rakoto talohan’ny nialàny. Vita ny vavaka, nofaranana tamin’ny Amen.

Namelona ny fiara Rakoto, niampita ilay tetezana ; tody soa aman-tsara Rakoto.

Fa inona no teniny hoy ianao nony tonga izy ? Nopehipehiny ny soony sy ny tratrany sady niteny izy hoe : « tsy mahalala an-dRakoto angà ! Fa inona re no tsy hain-dRakoto e !

Azo ianteherana ny Andriamanitsika

Ry havana, izao perikopa izao dia mampatsiahy antsika indray fa Andriamanitra tena azo ianteherana ny Andriamanitsika, dia ilay Andriamanitra fantatsika ao amin’i Jesoa Kristy avy any Nazareta.

Mitaky finoana ny fiantorahana aminy, mitaky finoana ny fanaovana ny asany. Tena azonao atao ny mangataka Aminy mba hanomezany anao ny Finoana marina.

Raha mamarana ny filazantsara nosoratany i Marka dia mbola izany teny finoana izany no anentanany ny fiangonana.

Marka 16 : 17-20 :

17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;

18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.

19 Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy dia, nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitory teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana izay nomba azy. Amena.

Koa manomboka izao ry havana, aza kanosa, aza matoky tena koa, fa mandehana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ho hitanao fa ho mahagaga sy vaovao isan’andro ny fiainanao sy ny asanao. Amen.

RANAIVOSON Faramalala,
vadin’ny mpitandrina RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina