FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 12 Jolay 2009: Ny fahasambarana

Toriteny Alahady 12 Jolay 2009: Ny fahasambarana

Publié le 15 juillet 2009 à 12:07

Ampitombona aminareo mandrakariva anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Tompontsika. Ny teny hotoriana amintsika androany, dia izay hitantsika ao amin’ny Matio 5: 1 – 12 izay vao avy novakian’ny mpanompon’Andriamanitra teo izay hilazana indrindra momba ny fahasambarana, satria dia miverina matetika ny teny hoe sambatra. Iza amintsika olombelona moa ry havana no tsy mikatsaka izany fahasambarana izany? Sambatra satria mifankatia ny olon-droa, sambatra satria manam-pahaizana, sambatra satria manana vola sy harena be, sambatra satria manam-pahefana ambony sy ny sisa sy ny sisa… Be dia be ny hasambarana hazontsika olombelona tanisaina, ary ny tsirairay dia samy manana ny fahasambarana izay iriny. Fa inona kosa ny hasambarana izay lazain’ny Tompo amin’ity andro anio ity?

Eto amin’ity Matio 5 ity no hahitana ny fiandohan’ny toriteny malaza nataon’ny Tompo teo an-tendrombohitra raha nanomboka ny asany izy, ary nanazavany ny fahasambarana mety mahazo ny olona eo amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Manamarika izany fa noho ny amin’ny fahasambarana indrindra no antony nahatongavan’ny Tompo teto an-tany, ary ny hitarika ny olona amin’izany no nimasony hatrany. Andeha hojerentsika sy hotanisaintsika ary izany fahasambarana nolazain’ny Tompo izany.

Ireo fahasambarana nolazain’i Jeso

– Ny fahasambarana voalohany: “Sambatra ny malahelo am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” Ny fampianaran’ny Tompo eto dia miantefa amin’izay mahantra ara-panahy, dia tsy inona izany fa ireo izay manaiky ny fahalemeny ary matoky tanteraka ny herin’Andriamanitra, ireo izay mangetaheta ny fiainana ara-panahy, ary manantena ny Tompo hameno ny banga.
– Ny fahasambarana faharoa: “Sambatra ny ory, fa izy no hampifalina.” Ny fahoriana ambara eto ry havana dia ny fiara-mizaka amin’i Jeso ny fahotan’izao tontolo izao. Izany fahoariana izany dia izay vokatry ny fahotantsika olombelona ihany. Na koa, fahoriana vokatry ny olana izay mitambesatra eo amin’ireo izay tsy manaiky ny famindrapon’Andriamanitra. Ny mikirikira ara-panahy dia mbola hofafan’Andriamanitra ny ranomaso amin’ny tavany. Fa ny tsininy kosa dia efa manomboka migoaka sahady ny fahaverezana mandrakizay.
– Ny fahasambarana fahatelo: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” Amin’ny fiainana andavanandro dia tsy vitsy ny olombelona ratsy fanahy na ny hendry manao ahoana na manao ahoana. Fa rehefa mandray ny Tompo dia miova ho malemy fanahy sy tsara toetra satria ny Tompo no miaina ao anaty araka ny teny hoe: “Tsy izaho intsony no mivelona fa i Kristy no velona ato anatiko.” Ny fahalemem-panahy dia midika fiononam-po, ary ny fiainana mandrakizay no lovan’ny malemy fanahy.
– Ny fahasambarana faha-efatra. “Sambatra ny noana ny mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.” Ireo olona ireo dia mikatsaka ny fahamarinana, fahadiovana ary te ho masina eo anatrahen’Andriamanitra. Izany faniriana ny fahamarinana izany dia tsy hotanteraka mihitsy raha tsy ny Tompo no manome izany.
– Ny fahasambarana faha-dimy: “Sambatra ny mihantra fa izy no hiantrana.” Andriamanitra ry havana efa nampiseho fiantrana antsika tamin’ny nanomezany ny zanany lahitokana hamonjena antsika. Raha mba mahavita fihantrana koa isika dia manahaka azy. Tsara ny hahafantarantsika fa izay tsy mahay mihantra, ny dikan’izany dia tsy tokony hanantena ny hahazo fiantrana koa.
– Ny fahasambarana faha-enina: “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.” Ny olona manana fo madio, sy mahitsy fisainana ary mazava eritreritra, izy no hahita an’Andriamanitra, izay midika koa fa izy no hahita an’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray amin’ny andro farany.
– Ny fahasambarana fahafito: “Sambatra ny mpampihavana fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.” Toetran’olombelona ny mitazam-potsiny manoloana ny fisavoritahana eo amin’ny fiara-monina satria tsy tompon’andraikitra. Ny toetran’ny mpanompon’Andriamanitra kosa anefa dia ny mandray anjara na koa miditra an-tsehatra eo amin’ny fitadiavana ny fampihavanana.
– Ny fahasambarana alohan’ny farany: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” Ny fanenjehina tiana ambara eto dia ho an’ireo izay manao ny marina kanefa voahenjika noho ny tsy rariny. Na koa ireo olona voahendrikendrika amin’ny zavatra tsy natao. Ireny dia hahazo ny fanjakan’ny lanitra satria Andriamanitra efa mahita ny fahamarinany.
– Ny fahasambarana farany: “Sambatra hianareo raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.” Teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao dia efa misy foana ny fanenjehina an’ireo mpanara-dia an’i Kristy. Raisina ho ohatra akaiky, eto Madagasikara, raha tantaran’ny Madagasikara no hojerena, i Rasalama Martiora. Ka ity fahasambarana farany ity dia milaza ny fahasambarana vokatry ny fanarahana an’i Kristy. Koa mifalia isika izay ratsina ny enjehina noho ny amin’ny Tompo fa azy ny fanjakan’ny lanitra.

Tsy tanteraka ny fahasambarana raha tsy misy an’i Jeso
Mety ho gaga isika hoe maninona no mifanipaka ny tenin’Andriamanitra eto. Sambatra ny ory, nahoana ny ory no sambatra? Be dia be ny mifanipaka amin’ny fisainantsika zanak’olombelona nefa ny tiana hambara dia izao: i Jeso Kristy dia afaka manova ny fiainantsika tsirairay, i Jeso Kristy dia afaka manome mihoatra noho izay tadiavintsika tsirairay. Izany ory izany, i Jeso Kristy no manome ny fiadananam-po. I Jeso Kristy no manambitamby. Ho an’ny noana, na isika izao fotsiny aza rehefa noana andavan’andro, rehefa mahita sakafo, dia maninona? Faly. Na ataoko ary hoe ireny mahantra ireny, rehefa omena zavatra kely dia izao: faly izy ary mahalala misaotra. Dia izay no hoe ao amin’i Jeso Kristy. I Jeso Kristy no fahafenohana amin’ny fiainana. Tsy tanteraka ireo fahasambarana ireo raha tsy eo i Jeso Kristy, raha tsy tena ekentsika i Jeso Kristy.

Hafatra manokana ho an’ny tanora
Eto aho dia hitarika ny sain’ny tanora satria Alahadin’ny Sampana Tanora FJKM Foibe ihany androany. Isika tanora indrindra indrindra no tena mikatsaka izany fahasambarana izany. Misy ny ankizy hoe: “Izaho dia tena sambatra mihitsy satria izao… Izaho tsy sambatra mihitsy satria izao…” Ny any làlana tokana azoko omena antsika, izay efa be dia be ny niaina an’izany dia izao: ny mivavaka, ny mametraka eo ampototry ny hazo fijalian’I Jeso Kristy ny fiainana iray manontolo. Mety miteny hoe: “an an an, am-bava fotsiny izany, théorie fotsiny ihany izany. Tsy théorie fotsiny izany satria efa be dia be ny tanora nihaina, nanandrana an’izany Jeso Kristy izany. Be dia be ny tanora afaka mijoro vavolombelona niaina niaraka tamin’izany Jeso Kristy izany. Tsy mbola nisy mihitsy angamba ny hoe diso fanantenana. Ary ny manara-dia an’i Kristy tsy hoe mora koa anefa, fa misy ny indraindray manambitamby i Jeso Kristy, indraindray izy mikapoka kely, indraindray manarina ohatran’ny ray amin’ny zanaka ihany. Fa fitiavana daholo izany rehetra izany. Fitiavan’i Jeso Kristy daholo izany rehetra izany.

Famaranana
Eto ampamaranana ary ry havana dia izao: ireo fahasambarana voatanisa rehetra ireo dia manome antsika ny endrikendriky n
y olona miaina ao anatin’ny fanjakan’i Kristy. Fa araka ny tenin’i Paoly, ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy ny mihinana sy misotro ara-nofo ihany fa mihaina araka ny fifaliana sy fiadanana ara-panahy, ary tsy ny asa soa no maha-zanak’Andriamanitra, fa ny fanekena an’i Jeso Kristy ho Tompo sy mpamonjy. Meteza ary, ry havana, ho sambatra ao amin’i Jeso Kristy. Amen.

 

Ramatoa RABETSITONTA Noromanalina
Diakona ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo


Lire aussi

11/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo

Alahady 11 aprily 2021, alahadin’ny Dorkasy, nitondrana ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Efesiana 5 : 1-2  » 1Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; 2ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. « 

11/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Paska 2021 : Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe : Finaritra

Ny hafatr’Andriamanitra amin’izao alahady paska 2021 izao dia ny avy ao amin’ny Matio 28; 1-10 :  » 1ARY tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray. 2Ary indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo

10/04/2021 A la une . Antso sy filazana

Lisitry ny mpivavaka 11 aprily 2021

Indro ampitaina amintsika ny lisitry ny mpivavaka nisoratra anarana ny ALAHADY 11 AVRIL 2021 eto @ FJKM Ambavahadimitafo. Hisy fidirana roa : 7h30 (Fidirana Voalohany) 1 Andriamparany Ny Riana 1 2 Andrianjafy Julienne 1 3 Andrianjafy Lovasoa 1 4 Andrianjafy Ny Harena 1 5 Andrianjafy Ny Kanto 1 6 Andrianjakarisoa Fanilo – Haja 2 7

08/04/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaminana fanompoam-pivavahana 11/04/2021

« Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. » Isa.43,1 Toy izao ry havana ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana amin’ny alahady izao : 1) Misoratra anarana ny mpivavaka rehetra : tsy misy ny fisoratana anarana @site web sy facebook fa miantso ny Birao avy hatrany 034 03 510 56 2)

30/03/2021 Toriteny

Hoy Jesoa : « vahao izy, dia ento ety amiko »

Alahady 28 martsa 2021, andro voalohany @ herinandro masina, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 21; 1-10 : « 1ARY raha nanakaiky an’i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: 2Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’izay dia hahita boriky

30/03/2021 Vaovaom-piangonana

Vaovaom-piangonana 28 martsa 2021

Misy ny hafatra avy amin’ny FJKM Foibe manoloana ny Covid-19; fankalazana jobily samihafa an’ireo mpiasam-piangonana; vaovaon’ny sampana; fivoriana eto amin’ny faritra Avaratr’Andohalo…

30/03/2021 A la une . Antso sy filazana

Fidirana in-2 @ alahady paska 2021

Ilazana isika mpiara-mivavaka fa hihisy fidirana indroa ny fotoampivavahana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo @ Alahady Paska 04 aprily 2021 noho ny fihezahantsika hatrany hitandro ny fepetra ara-pahasalamana : 7.30 ora sy 10 ora « Ary indro Jesoa nifanena taminy ka nanao hoe : Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany. » (Matio

12/03/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao

Alahady 07 Martsa 2021, handinihantsika lohahevitra vaovao eto anivon’ny FJKm amin’ity volana martsa ity : « Mampiorina ny mino ny fizahan-toetra ». Lahady fanateram-bokatry ny sampana Volana sy Kintana ihany koa. Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia nalaina avy ao amin’ny Genesisy 22; 11-19 : « 11Fa niantso azy Ilay Anjelin’i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe:

06/03/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy

Alahady 28 febroary 2021, faharoa @ Karemy, mamarana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny tenin’Andriamanitra » eo amin’ny sahan’ny FJKM. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny II Tantara 12 : 1-8 : « 1Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalàn’i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.2Ary

Misoràta anarana @ newsletter

Raiso @ email ny vaovao farany

*