FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 09 Aout 2009 : Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao dia izay manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany

Toriteny Alahady 09 Aout 2009 : Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao dia izay manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany

Publié le 13 août 2009 à 12:08

Ho aminareo anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Rainitska sy ii Jesoa Kristy Tompo.

Ny tenin ‘Andriamanitra ho raisintsika androany dia izay voasoratra ao amin’i Jaona 15 : 13 manao hoe :

« Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao dia izay manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany »

Tenin’ny Tompo tsy vaovao amintsika izany fa efa fandre matetika nefa dia mbola naverina indray amin’izao ora izao mba hanamafisantsika izany atao hoe « Fitiavana ny sakaiza » izany, ary koa mba itadiavantsika vahaolana sy lalan-kizorana ahafahantsika mahatanteraka izany.

Ato amin’ny perikopa izay novakiana androany dia misy sary anankiroa na tantara anankiroa aseho amintsika manamafy izany fitiava namana izany :

Ny tantaran’i Estera

I Estera dia ilay tovovavy jiosy zanakavavin’ny rahalahan-drain’i Mordekay kamboty ray sy reny. I Mordekay no nanangana azy ho zanaka. Manana bika aman’endrika tsara tokoa i Estera ary dia lasa vadin’ny mpanjaka Asierosy izy noho ny fitantanan’i Mordekay ny fiainany.

Ny Mpiraiministry asierosy tamin’izany dia Amana, ary tsy nankasitraka velively ny fihetsik’i Mordekay satria nanelingelina azy teo amin’ny tetika ratsy efa nokendreny no sady tsy nandohalika teo anatrehany tahaka ny mpiasa rehetra manontolo.

Fantatr’i Mordekay izany teti-dratsy izany koa dia niangavy an’i Estera izy hanelanelana any amin’ny mpanjaka. Na dia nandà aza i Estera tamin’ny voalohany dia nanaiky ihany taty aoriana.

Ny tantaran’i Jesoa Kristy

I Jesoa Kristy tsy nanota akory nefa notevatevaina, nijaly, nitondra fahoriana, nomboina teo amin’ny hazo fijaliana ary maty. Nohon’ny inona ? Noho ny fahotantsika olombelona mba hamonjena ny olona rehetra izay mino Azy : Jesoa Kristy maty namonjy ny sakaizany.

I Petera 2 : 21 : «Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo mba hanarahanareo ny diany »

Ry hava-malala, raha azontsika tsara izany ny tenin’ny Tompo dia adidy goavana no napetraky ny Tompo ho an’ny kristiana, na izay rehetra mitondra ny anarana hoe kristiana. Adidy goavana satria mitady izay hahasoa ny hafa, mikendry ny tsara ho an’ny hafa, manampy ny hafa ho amin’ny lalam-piainana tsaratsara kokoa satria izany no fanehoam-pitiavana mendrika ary ankasitrahan’Andriamanitra : « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao »

Mifanohitra tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny làlam-piainana izorantsika

Raha ny zavatra hita aloha, aoka dia tsorona fa sarotra ho antsika olombelona izany ; sarotra ho antsika olombelona ny hisahirana ho an’ny hafa, handany andro na handany fotoana na vola ho an’ny olon-kafa. Vitsy dia vitsy ny olona handany ron-doha mba hampisondrotra na hampisongadina ny hafa, mainka moa fa izany hoe manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany izany.

Ny zava-misy dia izao : ny ho ahy aloha, ny ho an’ny tenako, ny mahasoa ahy, ny tsara ho ahy. Raha misy misakantsakana ny soa ho an’ny tenako dia hadaboko. Ary tsy vitan’ny hoe ho ahy ihany, fa mbola karohina koa ny tombontsoan’ny hafa ho any amin’ny tena indray. Koa aza gaga isika raha misy ny ady, ny korontana, ny lolom-po, ny valifaty hita etsy sy eroa. Tsy vitan’ny kintrano an-trano ihany izany fa tonga hatreny amin’ny tribonaly. Izay azo alaina aloha dia alaina.

Ry havana mifanohitra tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny làlam-piainana izorantsika amin’izao fotoana izao. Ka inona no atao mba ahafahantsika manakaiky kokoa izany atao hoe « Sitrapon’Andriamanitra’ izany. Hoy ny hirantsika manao hoe : « Ry zaza mpiodina mba miverena ».

Mifona ho an’ny tena ary mifona ho an’ny hafa

Koa ny tenin’Andriamanitra toriana sy vakiana ary renesina ka atao amintsika isan’andro dia antso, ka ny teny toriana omban’ny Fanahy Masin’Andriamanitra dia misy akony any am-pon’izay mandre. Tsy azo avela ho fihetseham-po fotsiny anefa izany fa tsara raha avadika ho fibebahana tanteraka. Ny zavatra tokony atao izany dia ny mibebaka amin’Andriamanitra. Aoka ho tsarovana fa raha nanomboka ny asany tety an-tany i Jesoa dia ny fibebahana no notoriany. Ny fibebahana izay làlana tsy maintsy lalovan’ny olona hino an’i Jesoa mba handraisany famelan-keloka ka hananany fiainana mandrakizay. Koa rehefa nibebaka tokoa isika dia afaka mandray an’i Kristy, mankato ny teniny.

Hoy Jaona 15 : 10 : « Raha mitandrina ny didiko ianareo dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny itandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany »

Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay ; koa rehefa ao anaty i Jesoa Kristy dia afaka mangataka aminy isika ny hanalany ny fo vato. Hoy ny Tompo hoe izay mangataka amiko dia omeko ; omeny fo vaovao isika, fo vaovao tia namana.

Ankehitriny, raha misamboaravoara ny fiainam-pirenena, aza diso hevitra isika hoe ny olona hafa ihany no nahatonga izao, na ry zalahy ihany no nanao an’itsy na iroa, na ny mpitondra fanjakana ihany na ny mpanao politika ihany no be tetika tetsy sy teroa.

Tsia. Jereo ny tenanao ; eritrereto ny teny navoakan’ny vavanao. Inona no tsara nataonao mihoatra noho ny sasany ? Noho izany, aleo manetri-tena , mifona amin’Andriamanitra, mifona ho an’ny tena ary mifona ho an’ny hafa.

Rehefa samy mahatsiaro ny tsy mety nataony ny tsirairay avy ka mahatsiaro manao ny marina amin’ny namany avy ny kristiana rehetra ; rehefa miezaka tsy handoto ny hafa ny mpino ka mitarika ny namana ho amin’ny lala-marina dia ho hitantsika ny voninahitr’Andriamanitra satria Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny ezaka ataon’ny olona.

Fanasina isika kristiana

Eto am-pamaranana ry havana dia tsara ny mampahatsiahy fa isika kristiana dia raisin’ny Tompo, ary efa noraisin’ny Tompo ho sira, fanasina miaro izao tontolo izao tsy ho lo.

Voninahitra izany ary sambatra loatra isika nofidin’ny Tompo ho fitaovana sarobidy tahaka izany. Koa alao hery ary ka mahereza. Mijoroa ho mendrika izany anaram-boninahitra izany ; mazotoa amin’ny asa tsara rehetra. Ho amintsika rehetra anie ny fahasoavan’Andriamanitra.

Hiara-hivavaka isika :

Misaotra Tompo ô fa nomenao fotoana indray izahay nihenoana ny teninao. Ombay ny herinao izahay ry Tompo mba ahafahanay manatanteraka na dia ny ampahany ihany aza amin’izay teny noheverinay fa tsara ka tokony ampiarinay eo amin’ny fiainanay. Misaotra Tompo ô. Amen.

Randrianoelina Fara, Katekista


Lire aussi

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

30/07/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny toe-panahy entina manompo an’Andriamanitra

Alahady 30 Jolay 2023, andinihina farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Alahady faha-5 nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny fampianarana araka ny Kolosiana 3 : 12-17  » 12Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. 13Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny

23/07/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy

Alahady 23 Jolay 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 6 : 12 – 16 « 12Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy. 13Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy