FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny alahady 08 Marsa 2008 : "Fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra." Lioka 13,3

Toriteny alahady 08 Marsa 2008 : "Fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra." Lioka 13,3

Publié le 17 mars 2009 à 12:03

Tanteraka eto amin’izao tenin’i Jesoa Kristy izao ny teny hoe : « Maty anatry ny velona » satria ny fampianarana asehon’i Jesoa eto dia miainga amin’ny zava-miseho nolazaina taminy. Avy aminy fitantarana ny fahafatesan’ireo nianjeran’ny tilikambo sy ireo novonoina teo am-panaovana fanatitrra no nilazany fa misy takiana amin’ireo izay mihaino azy koa.
Avy amin’izany no nanaovany fanoharana ka nilazany fa izay maniry eo an-tanimboliny dia tokony hamoa raha tsy izany dia tsy maintsy haringana.

Hitantsika eo amin’ny and.1-5 ary manoloana ny tranga-javatra na zava-mihatra iray, ny tokony hataon’ny kristiana voalohany dia ny mandini-tena. Eo amin’ny and.3 sy 5 dia lazain’i Jesoa tsara fa raha tsy mibebaka ireto mihaino azy ireto dia ho ringana ihany koa. Fahafatesana mahatsiravina no voalaza eto satria ireo Galiliana dia novonoina, tamin’ny fomba feno habibiana, ary ireo teo amin’ny tilikambo dia ilay hoe faty mikararana.

Eo anatrehan’izany ny fiarahamonina dia misaina fitsara ary mby ao an-tsaina avy hatrany ny faminavinana ny helok’ireo nozohiam-pahafatesana ireo.
Ny fanontaniana ezahan’ny fiaraha-monina na ny mpanatrika valiana dia izao : « fa maninona izy ireo no tratran’izao? » Eto amin’ity fiaramonina atrehin’i Jesoa ity dia mazava ny fahavoazana eo amin’ny fiainana dia famalian’Andriamanitra ny fahotana.
Tsia hoy ny Tompo, fa raha tsy mibebaka ianareo dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. Anatra ho an’izay mandre izany fa tsy mpanota ihany no mety iharam-pahavoazana fa izay tsy mibebaka renetra, izany hoe tsy maintsy miova ho amin’ny tsara indrindra amin’ny fitondran-tena ireo izay mihaino azy raha tsy izany dia ho faty amin’ny fahotany.

Ry Havana, izao no hafatry ny mpitoriteny iray rehefa nitoriteny tamin’ny fahoriana iray izy « amin’ny fotoana andrenesanao hoe misy maty dia ametraho fanontaniana ny tenanao hoe rahoviana ny anjarako? » Ary izany tokoa no fandinihan-tena aterak’izao voatantara eto izao ka iantsoan’i Jesoa antsika hibebaka.
Koa raha hoe miverina no handikantsika ny mibebaka dia fodiana ao amin’ny Tompo izany izay efa nialana tamin’ny fanarahana ny rendrarendran’izao tontolo izao. Fialàna amin’ny lalan-diso ho amin’ny marina tahaka ny fizahozahoana ho marina ohatra ka mitsaratsara foana ny sasany. Fanariana ny fomba fanao tsy izy ho amin’ny sitrapon’Andriamanitra toy ny famonoan’olona mivantana na ankolaka soloina ho fanomezana ina vaovao amin’ny alàlan’ny tenin’Andriamanitra. Famelana izay tsy mendrika ho amin’ny ankasitrahan’ny Tompo izany.

Raha adikantsika hoe miova moa ny mibebaka dia ny fitsofohana amin’ny fitafiana mendrika ny mpanara-dia ny Tompo izany ary vonona ny tsy hiverina amin’izay nialana intsony; anisan’izany ohatra ny fisoroana ho amin’ny maha isan’ny fiangonana miroso amin’ny sakramenta, miditra ho sampana ary, anio izao andron’ny vehivavy maneran-tany mety indrindra raha ny fidirana ho sampana Dorkasy no hanamarihana azy. Lalana amin’ny hoe izaho mpivavaka tsotra.
Fa ny and.6-9 izay hanaovan’i Jesoa fanoharana ny amin’ny aviavy tsy mamoa dia ilaza fa misy fenitra na tanjona tratrarina ny fandraisana ny fivavahana kristiana. Izao no voalaza ao : tsy nahita voa tamin’ilay aviavy ny tompony raha efa telo taona no tonga matetika nitady teo hany ka nanapa-kevitra izy fa tokony ho kapaina io, nifona ho an’ny aviavy anefa ny mpanamboatra ny saha ka nangataka fotoana hikarakarana azy bebe kokoa sapo mba mamoa ihany raha tsy izany dia tsy maintsy ho kapaina ihany izy.

Miharihary amin’izany fa misy famindrampo, misy faharetana ao amin’ilay tompon’ny saha. Maharitra Andriamanitra, manome famindrampo ho an’ny olona mialoha ny tsy maintsy hahatongavan’ny andro hamaliana izay tsy mety miova ho olony, nefa koa ho an’izay efa olony nefa tsy miaina araka izany. Na dia efa fotoana ela aza mantsy no nomena ary efa fotoana ela koa no nanantenam-bokatra tamintsika dia mbola manome fikarakarana manokana hahatratrarantsika izay andrasana amintsika dia ny voa izany. Tsy ampy fotsiny araka izany ny hoe efa isan’ny fiangonana, na efa isan’ny mpikambana ao amin’ny sampana; marina fa efa maniry eo an-tanim-boaloboky ny Tompo tokoa amin’izany saingy takiana ny mamoa raha tsy izany dia ho kapaina ihany.

Raha omena dika hoe finoana ary ny voa takiana, misy ve, inona no ampiasana azy? Fa ny mahafaly ny Tompo dia isika manana finoana ary mampiasa izany amin’ny fotoana rehetra. Raha mitaky amintsika anefa ny Tompo tsy hoe miandry izay voa fotsiny fa mikarakara Izy, manao izay hamoazana. Hiady ny manodidina, hanisy zezika; ary izany tokoa no hiainantsika ato am-piangonana, omena ny fitaizam-panahy rehetra mety ilaina mba hanana finoana, ampianarina tenin’Andriamanitra, toriteny, ary raha tena mandray sy miaina amin’izany isika dia tsy ho angambaina intsony ny voa, ary tsy haringana.

Arak’izany tsy azo lazaina hoe mamoa ato amin’ny fiangonana raha tsy manao asa na mandray andraikitra, ohatra mampianatra sekoly alahady, na tonga mivory, mandray anjara amin’ny hetsiky ny sampana. Raha eny amin’ny sehatry ny fiarahamonina, indrindra ho an’ny vehivavy satria androny anio, dia matetika kifosafosa, mitsaotsaom-bava, mivazavaza, latsalatsa izany no voa hita eo amin’ny fiainany. Kanefa haintsika tsara fa tsy tokony ho izany no voa vokatra eo ami’izay maniry ao an-tanim-boaloboky ny Tompo sady voakarakara; tsy maintsy hibebahana izany mba ho lasa teny mamy, tambitamby, fampaherezana, teny mahasitrana. Mba haneken’ny rehetra fa miaina amin’ny famindrampon’ny Tompo tokoa isika kristiana ary mahay mizara ny voa ho an’ny manodidina ihany koa.

Ry havana : izao vanim-potoana iainantsika izao dia mampandini-tena tokoa, na ny toe-ddraharaham-pirenena, na ny vanimpotoan’ny Karemy. Tokony ho tsaroantsika hatrany fa iantefan’ny fitiavan’Andriamanitra isika ka andeha hamoa , ho Azy. Hiaina ny finoana ka hampitombo hatrany ny asany; hibebaka ihany koa anefa mba tsy ho faty noho ny fahotantsika.

Fa raha tsy mibebaka ianareo hoy Jesoa dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra Amen!


Lire aussi

19/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2024

Alahady Pentekosta , 19 mey 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe Mampahery ny Fanahy Masina, nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 3 : 5  » Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. « 

05/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Mampahery ny Fanahy Masina

Alahady 05 Mey 2024, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Mampahery ny Fanahy Masina« , hanatanterahin’ny sampana Sekoly Alahady ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 8:9-13  » 9Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana

28/04/2024 A la une . AFFA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady faha-40 taonan’ny AFFA

Alahady 28 aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy Zatovo (AFFA). Tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavana no nitondran’ny AFFA ny tenin’Andriamanitra

21/04/2024 A la une . Diakona sy Loholona . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy no Ilay mazava

Alahady 21 aprily 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », alahady nanavaozan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina délégué mpanampy Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 11 : 33 -36 « 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary