FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 02 Aout 2009 : Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo

Toriteny Alahady 02 Aout 2009 : Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo

Publié le 05 août 2009 à 12:08

Ampitomboina amintsika mianakavy anie ry havana, ny fiadanan’i Jesoa Kristy. Amen. Ny filazantsara araka ny Matio 5, 43-48 no hakantsika ny toriteny amin’ity anio ity.

43 Efa renareo fa voalaza hoe:  » Tiava ny namanao » (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao.

44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo,

45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.

46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?

48 Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.

Efa renareo fa voalaza hoe…

Izany dia ampahany amin’ilay toritenin’i Jesoa teo an-tendrombohitra, izay raha jerena dia tsapa ny fiverenan’ny teny hoe:  » Efa renareo fa voalaza hoe« ; ary izany no nilazan’i Jesoa ny didy na ny lalàna tao amin’ny Testamenta taloha, ary tohizany izany amin’ny teny hoe:  » Izaho kosa milaza aminareo hoe« .

Ary eto indray dia fanomezana fanazavana ny amin’izay nolazaina teo aloha amin’ny endrika lalin-dalina kokoa na amin’ny endrika mazavazava kokoa ny amin’ny didy izay nolazain’i Jesoa. Ary izany indrindra no hitantsika eto amin’ity andininy faha 43 ity manao hoe:  » Efa renareo fa voalaza hoe tiava ny namanao ary mankahalà ny fahavalonao, fa Izaho kosa milaza aminao hoe tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo« .

Fa izay ifantohantsika dia ny andininy faha 44 sy 45. Raha mijery isika amin’izao perikopa voalahatra ho antsika amin’ity anio ity dia mametra-panontaniana Jesoa ao amin’ny faha 47 hoe:  » Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany, inona no nataonareo mihoatra noho izay nataon’ny hafa? « . Ary izany indrindra no mampisongadina hevi-dehibe iray ny amin’ny hoe izay maha zanak’ Andriamanitra?

Zanak’Andriamanitra

Inona tokoa moa izany hoe zanak’Andriamanitra izany? Inona no mahatonga ny olona ho zanak’Andriamanitra?

Araka izao tenin’Andriamanitra izao, ny voalohany amin’izany dia ny hoe ny mitia ny fahavalo.

Tiava ny namanao

Raha noresahana ao amin’ny andininy faha 47 hoe « Tiava ny namanao », izany didy izany dia isan’izay lehibe eo amin’ny fanarahana ny Tompo fa efa rivotra iainana isan’andro, eny fa na dia eo amin’ny fiaraha-monina tsy kristianina àry dia fatra-pitia namana, ary mazava ny amin’izany fiaraha-monina tsy kristianina izany, mazava ny fitsipi-dalao izay ifaneraseràna, ifandraisana ny amin’ny hoe rehefa namana dia namana, ary tiavina fatratra, fa rehefa fahavalo kosa dia fahavalo ary toherina hatramin’ny farany izany fahavalo izany. Ohatra izao lazaina eto ny amin’ny hoe ny mpamory hetra izay heverina fa mpanam-baka teo amin’ny fiaraha-monina fahizany, mba tia izay koa izy, teo koa ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra, mba tia izay koa izy.

Tiava ny fahavalonareo

Ny hiavahan’ny mpanompon’Andriamanitra araka izao tenin’Andriamanitra izao dia mazava ny amin’ny hoe tiava ny fahavalo. Ary hita ao amin’ny soratra masina ny hoe : » raha noana ny fahavalonareo omeo hanina izy, raha mangetaheta omeo rano izy hosotroiny« .

Izany hoe mianatra mitia ny fahavalo ny mpanompon’Andriamanitra, ary izany no maha zanak’Andriamanitra araka izao tenin’Andriamanitra izao.

Dia mipetraka àry ny fanontaniana ny amin’ny hoe atao ahoana tokoa moa ny mitia ny fahavalo?

Ohatra misy ny mpanaratsy antsika, misy ny mpiteny ratsy antsika; eo anatrehan’izany dia tsy izay ratsy ataony no havalintsika aminy fa valintsika teny tsara izy, valiantsika tambitamby izy, mba hanehoantsika fitiavana izy amin’ izany olona mpiteny ratsy antsika izany.

Misy koa ohatra ny mpanohatra ny hevitrintsika, mitsangan-ko fahavalontsika amin’izany, ary raisintsika amin’ny fifaliana izy, tsy ilay fanoherany no havalintsika azy fa fifaliana no handraisantsika izany mpanohitra antsika izany.

Misy koa ohatra ny mpanao ratsy antsika, mety mamotika antsika amin’ny fomba maro samihafa, dia izao, valiana soa izy, fa tsy ny ratsy izay ataony amintsika akory no havalintsika azy; izany ilay « mitia ny fahavalo« .

Izany hoe arakaraka ilay endrika izay isehoan’ ny maha fahavalo azy no ahafahantsika maneho fitiavana amin’izany olona izany. Amin’izany no ahatsapana fa tia azy isika, marina fa sarotra tokoa ry havana izany hoe mitia ny fahavalo izany, fa izany no maha zanak’Andriamanitra, izany no mampiavaka antsika, izany no maha mpanompon’Andriamanitra antsika eo amin’ny sehatra rehetra izay misy antsika, ary tsarovy fa ny tsy kristianina tsy afaka mitia ny fahavalo izany, fa ho an’izay manana an’i Jesoa kosa dia ampianarina izy mba hitia izany fahavalo izany.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ampianarin’ny Tompo ianao mba hitia ny fahavalonao, mety ho fahavalo mivantana izany, mety ho fahavalo ankolaka ihany koa izany; ohatra isika tsirairay avy izao dia teraka tao anatin’ny faha samihafàna teo amin’ny fiaraha-monina, miteraka safidy samy hafa eo amin’ny tsirairay, ka ireny safidy ireny matetika no miteraka fifampiandaniana eo anivon’ny fiaraha-monina. Ka raha misy olona izay heverinao fa fahavalonao izy amin’izany safidiny izany dia ampianarin’ny Tompo ianao ankehitriny mba hitia azy, tiavo izy.

Mivavaha ho an’izay mpanenjika

Fa ny zavatra faharoa izay ambaran’izao tenin’Andriamanitra izao dia ny hoe ny maha zanak’Andriamanitra dia mivavaka ho an’izay manenjika, mivavaha ho an’izay manenjika anao. Amin’ny maha kristianina ny kristianina ry havana dia fiainany ny mivavaka amin’Andriamanitra, fiainany ny mangataka amin’Andriamanitra ho an’ny manodidina azy, fiainany ny mangataka amin’Andriamanitra amin’ izay manahirana azy rehetra eo amin’ izany fiainana izany, fa eto kosa dia ampianarin’i Jesoa fa tsy ho an’ny tena ihany no ivavahana tahaka izany, fa isan’izay anjaran’ny mino ihany koa ny mivavaka ho an’izay manenjika azy, mangataka amin’ny Tompo mba hitsimbinany izay mpisompatra samihafa eo amin’ny fiaraha-monina.

Koa anjaranao mino àry ny manao toy izany mba hialàn’ireny mpanenjika ireny amin’ ny toetra ratsy izay manjaka ao aminy, ka iombonany ao amin’i Kristy.

Ray ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony

Jereo ange ny fiainan’i Kristy e! Raha nijaly teo amin’ny hazo fijaliana Izy, moa nanozona va Izy? Moa nirary loza ho an’izay nampjaly Azy ve Izy? Tsia ry havana, hoy Izy hoe :  » Ray ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony ». Izany no modely tsara izay tokony alaintsika kristianina tahaka.

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, efa mba impiry tokoa moa isika no nivavaka ho an’ny olona izay manenjika antsika? Efa mba tsapatsika ve fa nangataka tamin’ny Tompo ho an’ireny olona manenjika antsika ireny isika? Ary tamin’ny lafiny maro tokoa no hanenjehan’ny olona antsika, ary ny tanjona amin’izany dia izao, ny ahatonga ireny olona ireny hiala amin’izany fanenjehana izany ka itodihany amin’i Kristy? Sao sanatria isika amin’ilay mpanozona, isika amin’ilay mpahary ratsy ho an’ireny mpanenjika ireny ka hirosoany lalin-dalina kokoa amin’izany fanenjehana izany.

Ampianarin’ny Tompo isika ankehitriny mba hivavaka hoan’izay manenjika, mba hangataka amin’ny Tompo ho an’izay miampanga antsika, fa izany no sitrapony tiany hiainantsika. Ary iza moa no hampianatra ny olona an’izany raha tsy isika kristianina, isika mpanara-dia an’ny Tompo, isika mpanompony, isika no hampianatra ny olona izany, koa mivavaha ho an’izay olona manenjika anao.

Amin’ izao andro ankehitriny izao dia misy tokoa ny mitsangan-ko fahavalo, ny hevitra tsy mitovy ary iza no hanitsy izany? Isika kristianina, isika mpino, isika mpanara-dia an’ny Tompo no andràsan’ny Tompo mba hanitsy izany; ankehitriny ihany koa manjaka ny fanenjehana, manjaka ny fanaratsiana samihafa izay miseho lany amin’ny fiaraha-monina ary miafara amin’ny fifamonoana mihitsy àry. Iza moa no andrasana marina amin’izany?

Ianao izay mino no andrasan’ny Tompo hivavaka ho azy ireny. Koa tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.

Miseho amin’ny atao ny maha zanak’Andriamanitra

Ho famarànana izao toriteny izao dia izao hoe: tsarovy ry havana fa ny maha-zanak’Andriamanitra anao dia tsy endrika ivelany, ny maha-zanak’Andriamanitra anao dia tsy ravina pentina ao amin’ny tena, fa ny maha-zanak’Andriamanitra anao dia miseho amin’ izay ataonao eo anivon’ny fiaraha-monina. Hitantsika teo ny hoe ny maha-tonga ho zanak’Andriamanitra dia ilay tia ny fahavalo, koa raha misy fahavalo izay mitady hamotraka antsika dia manehoa fitiavana aminy, tiavo izy amin’ ny fomba rehetra izay ahafahanao manantanteraka an’ izany, ary indrindra raha misy manenjika anao eo anivon’ny fiaraha-monina, eo anivon’ny Fiangonana, eo anivon’ny sehatra rehetra izay misy anao dia mivavaha ho azy mba hialàny amin’izany fanenjehana izany ka itodiany amin’ i Kristy.

Koa manomboka anio àry dia asehoy amin’ny fiainanao manontolo fa zanak’Andriamanitra ianao, indrindra ny andininy faha 48 hoe :  » Koa amin’izany, aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra« .

Ho Azy ny voninahitra fa ho antsika kosa ny fampaherezana. Amen.

Pasteur Rakotonoeliarimanana

Sary nalaina tao amin’ny
http://www.bibletruthonline.com


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.