FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tonom-bavaka nataon'i Paoly ho an'ny fiangonana tany Efeso

Tonom-bavaka nataon'i Paoly ho an'ny fiangonana tany Efeso

Publié le 15 janvier 2009 à 12:01

« Mangataka aho mba hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiasany tsy hay tohaina sy mahery vaika » Efes 1,19 DIEM

Tonom-bavaka nataon’i Paoly ho an’ny fiangonana tany Efeso izany mba hahafahany mijoro amin’ny fahalalana tsara an’i Kristy. Mpino manko izy ireo ka tokony hahatsapa eo amin’ny fiainany ny mampiavaka ny fiarahan-dalana amin’ny Tompo.

  • Goavana, tsy hay refesina
  • Rehefa mamonjy sy manafaka ny olony Andriamanitra dia maneho ny heriny manokana, izay tsy ananan’ny olombelona na hita eo amin’ny zava-boary hafa. Io toetra ambony sy mihoatra noho izay azon’ny olona sainina io no tian’ny apôstôly hampahatsiahivina, mba hatoky feno an’Andriamanitra ny Efesianina raha sendra fahasahiranana mila hahakivy eo amin’ny fiaraha-monina. Tokony ho fantatr’izy ireo fa goavana ny herin’Andriamanitra ka tsy mety lefy, tsy mety tola. Noho izany dia tena azo ianteherana amin’ny zava-drehetra ny Tompo, satria afa-mifehy ny toe-javatra isan-karazany mety hiseho.

    Isika ankehitriny koa dia taomin’ny Tenin’Andriamanitra mba hatoky ny halehiben’ny fahefan’ny Tompo, ka hanankina feno ny fiainantsika Aminy fa tsy hiantsampy amin’ny fanahy hafa na amin’ny fomban-tany lazaina fa manan-kasina. Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy, ihany no nanome antsika ny aina mahavelona sy namonjy antsika tamin’ny finoana mba hivelaran’ny fiainantsika ka ho tody amin’ny fenitra napetrak’Izy mpahary.

  • Hery manetsika
  • Tsy hery mangeja na mampiraviravy tanana Andriamanitra, fa manetsika ny olona mba handroso (dynamique). Koa ny osa dia hatanjahiny mba ho afa-mijoro, ny reraka an-dalana dia tafiany hery mba hanohy ny diany, ny malemy dia omeny fahefana mba hiasa. Na iza na iza nandray ny herin’Andriamanitra dia tsy mitomoe-poana, fa misikim-ponitra mba hahefa tsara ny adidy nampiantsorohan’ny Tompo azy.

    Araka izany dia hita eo amin’ny fomba fihetsika vaovao asehon’ny olona rehefa miasa sy mandray andraikitra ny vokatry ny fifampikasohany tamin’ny Tompo. Tsy azo atao ny misandoka izany amin’ny teny tsara lahatra na ny fikasana tsara, fa ny atao no manaporofo azy. Eo amin’io asa io izany vao mety hitranga ny fifangaroan’ny fihetsiketsehan’olombelona sy ny ainga avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra. Efa nampitandrina ny Tompo fa mety ho voafitaka eto ny mpanara-dia Azy (Mat 24,24). Tsy misy afa-tsy ny fahazavan-tsaina avy amin’i Kristy ihany no ahazoana manavaka izany.

  • Hery mandaitra
  • Misy fiantraikany mandrakariva amin’izay mandray azy ny herin’Andriamanitra, satria toy ny angôvo mahery vaika (énergie) izany ka tsy fantatra raha tsy efa midona amin’izay lalovany na iantefany. Avy amin’io hery mandaitra io no ahafahan’ny mpino mifehy ny zava-mitranga samihafa izay mila handifotra azy : mety ho korontana izany, na tsy fahampiana, na fampianaran-diso, na faharavam-pananana.

    Fifehezana hita maso izany ka mahatonga ny olona hampiasa ny vatany amin’ny fankatoavany an’Andriamanitra ; tanjaka ahazoana manova ny zava-misy no atolotry ny Tompo, ka mampijoro ny mpino amin’ny fiantsoana sy ny fanompoana.
    Koa ny Tompo Andriamanitra, izay manan-kery tsy hita pesimpesenina, no maniraka antsika hiroso amin’ny aloha kokoa amin’ny fandraisana andraikitra sy mampahomby ny asantsika amin’ny alalan’ny Fanahiny.


    Lire aussi

    26/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

    Ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro

    Alahady 26 marsa 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo« . Ny mpitandrina Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny teny fanevan’ny faha-160 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo, Hagay 2 : 9b  » ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro «  Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

    19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

    Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

    Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

    12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

    Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

    Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

    05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

    Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

    Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

    19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

    Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

    Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

    12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

    Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

    Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

    05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

    Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

    Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

    29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

    Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

    Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

    22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

    Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

    Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

    10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

    Katekomena 2023

     » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika