FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Te hampitombo ny fanantenana ao aminao Kristy : mila miankina amin’Andriamanitra isika kristianina:

Te hampitombo ny fanantenana ao aminao Kristy : mila miankina amin’Andriamanitra isika kristianina:

Publié le 04 mai 2010 à 12:05

Alahady 25 Aprily 2010

Ry mpino ô,  ampitomboina ao aminao anie ny fanantenana. Alahady 25 Aprily 2010 izao, alahady fahatelo aorian’ny Paska, toa mandeha aingana ny fotoana ; ho an’ny mpianatra kely sisa dia ho avy sahady ny fanadinana, ho an’ny ray sy reny, kely foana dia ho avy ny Jirama, ho avy ny saram-pianarana, tsy maintsy hitady vola amin’izany rehetra izany ary ho antsika olombelona kosa, manakaiky hatrany ilay fahafatesana satria mirimorimo ny fandehanan’izao tontolo izao, ho aiza isika ? Inona ny fanantenantsika ? Iza no hametrahantsika ny fanantenana ? Izany ny fanontaniantsika ao anatintsika tsirairay avy ao ; androany ry havana dia te hampitombo ny fanantenana ao aminao Kristy.

Te hampitombo ny fanantenana ao aminao Kristy : mila miankina amin’Andriamanitra isika kristianina:

Amin’ireo perikopa izay avy novakiantsika teo dia ny Jeremia izany, ny Jaona ary ny Korintianina ; Jeremia no jerentsika voalohany ; mbola misy ve ny fanantenana ? Eny ry havana ! Misy ny fanantenana ho antsika izay mpino velon’ny fanantenana satria nahoana ? Manantena isika RAHA, voalohany indrindra miankina amin’Andriamanitra.

Eo amin’ny firenena tena reraka sy kivy no misy an’i Jeremia ry havana, ary tsy izay ihany fa asa tena sarotra be, tena mahery vaika no ampitondrain’Andriamanitra an’i Jeremia dia ny hanapotehana ireto vahoakan’Andriamanitra ireto izay ny zanak’Israely, ny fanjakàn’i Joda izany, fa ho rava, ho potika, hisy ny mosary, hisy ny tsy fisian-drano, hisy ny sabatra, sarotra izany asa izany ry havana nefa notanterahan’i Jeremia na dia nantsoina aza izy hoe « ilay mpaminany mpitomany », satria nahoana ?satria manana fanantenana izy ao anatin’izany firavoravoana tànana izany ; olombelona ihany ry havana i Jeremia, misy ihany ny fahadisoam-panantenana teo aminy satria hoy izy eto amin’ny andininy faha 20 hoe « andro fiadanana no nantenainay nefa tsy nahita soa izahay, andro fahasitranana, izany hoe fahafinaretana kanefa fampitahorana no misy » ; izany ry havana no zava-miseho kanefa tsy kivy Jeremia fa inona no nataony ?nivavaka, nitalaho tamin’Andriamanitra satria mahatoa tonga izany zavatra izany, misy antony izany, tsy Andriamanitra akory no ratsy fanahy, tsy Andriamanitra akory no mpandainga ry havana fa kosa misy ny ataon’ny olombelona izay tsy zakan’Andriamanitra ka tsy maintsy hiatra ny fahatezeran’Andriamanitra, tsy maintsy hiatra ny fitsaran’Andriamanitra ; eo anoloan’izany zava-nitranga izany, tsy niravoravo tànana Jeremia fa nivavaka, nitalaho izy ho an’ireto firenena ireto ary indrindra nangataka ny famindram-pon’Andriamanitra, ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra satria araka ny tenin’ny soratra masina hoe « ny helokareo no hevitra mampisaraka anareo Amiko tsy ahitànareo ny Tavako », izany ry havana no fitondran-tena nentin’i Jeremia manoloana ny fahakiviana mety misy eo amin’ny fiainana.

Andriamanitra feno fitiavana, Andriamanitra mpamindra fo, Andriamanitra tia, Andriamanitra mpamela heloka,  Andriamanitra mpihaino antsika ny Andriamanitra Tompointsika : mila faharetana ny fanantenana koa aoka isika aharitra :

Ry hava-malala, mandalo fotoan-tsarotra isika amin’izao fotoana izao, tsy tsirairay ihany, tsy fianakaviana ihany, tsy eto amin’ny Fiangonantsika ihany fa ny firenena koa ; inona no mba ataontsika manoloana izany fisehoan-javatra izany ?hiravoravo tànana ve isika ry havana ?hanome tsiny an’Andriamanitra ve isika ry havana ? Tsia, manôva tahaka an’i Jeremia, mitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra, mitalaho ny famelan-kelok’Andriamanitra satria io ihany no mampisaraka antsika amin’Andriamanitra. Fantatr’i Jeremia tsara ry havana ity Andriamanitra ity, Andriamanitra feno fitiavana, Andriamanitra mamindra fo, Andriamanitra tia, izany no Andriamanitra hiantorahany amin’izao fotoana izao, ary izay koa ry havana no Andriamanitra hiantorahantsika amin’izao fotoana izao. Ry havako, kivy ianao ? Mety nisy ny fahadisoam-panantenana indrindra isika eto Ambavahadimitafo amin’izao fiainana izao !Diso fanantenana isika, tsy ho lazaintsika intsony hoe inona no maha diso fanantenana antsika fa efa fantatry ny tsirairay izany nefa kosa hoy ny Tompo hoe « manana hevitra hieverana anareo aho, dia hevitra tsy hitondra loza fa fiadanana », izany ry havana no hafatra entin’i Jeremia ho antsika androany ary hafatra koa izay nampanantenain’i Tompo antsika tamin’ny Paska, tsy inona izany fa Andriamanitra Mpamindra fo Andriamanitra, Andriamanitra Mpamela heloka Andriamanitra ary Andriamanitra Mpihaino antsika. Araka ny fampianarana nataon’ny pasitera antsika teo nefa dia izao, ity fanantenana ity ry havana dia mila faharetana ary raha ohatra isika tsy manana faharetana dia manaonao foana ; jerentsika fotsiny Abrahama sy Sarà ê, Abrahama ange ry havana ka nahafoy ny zavatra rehetra ho an’Andriamanitra, kanefa rehefa niteny Andriamanitra hoe « omeko taranaka maro ianao » dia tsy nahatoky izany Sarà dia inona no nataon’i Sarà ?Naka an’i Hagara izy, ilay mpanompo vaviny, omeny an’Abrahama mba hiteraka, dia tonga Ismaela, hatramin’ny andro anio, ny vokatr’izay nataon’i Sarà izay dia mbola hitantsika eto amin’izao tontolo izao dia ny adin’i Palestinianina sy ny Israelianina ; ry havako, mila FAHARETANA ny fanantenana ka aoka isika aharitra ; araka ny tenin’ny pasitera aninkeo koa, ny valim-bavaka, isika mantsy rehefa miantoraka amin’Andriamanitra izay dia mionona eo ihany, ary toa mbola tsy mamaly Ianao Andriamanitro ô ?Andriamanitra ry havana tsy mba tara, tsy mba tonga aloha koa fa manana ny fotoana izay mahamety azy Izy, ary izao no tsarovy fa Andriamanitra tsy manaonao foana, tsy misy zavatra kisendrasendra ny fiainantsika fa efa voalamina sy voarindra araka ny mahasoa antsika, araka ny maha Andriamanitra Masina, Lehibe sy tompon’ny fahefana Azy. Fa izay ny amin’i Jeremia.

Tantaran’ny fetin’ny tabernakely na fety amin’ny rantsan-kazo izay tsy maintsy atrehin’ny zanak’Israely any Jerosalema isan-taona :

Jerentsika indray ny amin’i Jaona, inona no hafatra tian’ny Tompo hanorenantsika ny fanantenantsika rehefa fantatr’isika fa Andriamanitra Mpamindra fo sy Mpamela heloka Andriamanitra ?! Fetin’ny tabernakely no resahina eto, hanazava kely io fety io aho satria miankina amin’izay ny tandindon’io fetin’ny tabernakely io ; misy fety lehibe tsy maintsy atrehin’ny zanak’Israely ry havana izay hivahinianany any Jerosalema isan-taona, anisan’izany ny Paska, ny mofo tsy misy masirasira ary ny fetin’ny tabernakely, ity fetin’ny tabernakely ity dia antsoina hoe « fety amin’ny rantsan-kazo », fa maninona ? Satria amin’io fety io, mandritra ny 7 andro iz’io, eo amin’ny volana faha7 antsoina hoe « tishri », raha amin’ny antsika izany dia eo amin’ny volana Septambra Oktobra eo ; inona ny zavatra miseho ? Mandeha mivahiny any Jerosalema daholo ny zanak’Israely rehetra, ny Jiosy rehetra ary lalàna misy iz’io, vakiantsika any amin’i Levitikosy any na Deotornomia fa izay rehetra tsy manatrika io dia esorin’Andriamanitra amin’ny fireneny, izany hoe tsy maintsy hatrehana iz’io, koa tsy mahagaga raha maro dia maro ny olona nanatrika ity fampianarana nataon’i Jesoa ity no tonga tao, amin’io fetin’ny tabernakely io dia matory amin’ny trano eva ny olona, izany hoe mivahiny izy ao na matory amin’ny trano lay fa tsy mipetraka amin’ny trano mafy horona, inona no andehanany eo ?ny andehanany amin’io andro io dia hanome, voalohany indrindra, « voninahitra » an’Andriamanitra noho ny FITAHIANY sy FITANTANANY ny fiainany, faharoa, hangataham-pitahiana ny amin’ny ho avy koa, izany hoe ny fanantenan’i Jiosy izany eto dia napetrany amin’ny fikarakaràna sy fitahian’Andriamanitra ny fiainany, ny andro farany amin’io fety io izay voalaza eto hoe « andro lehibe indrindra » dia amin’io andro io misy fety firavoravoana tsisy ohatra izany ary io andro io indrindra no nanararaotan’i Jesoa Kristy niteny hoe « Izay mangetaheta, aoka izy hanantona Ahy », resaka rano izany eto satria nahoana ? Amin’io andro farany io ny tsirairay dia mitondra rano, io rano entiny io dia tsy inona fa fisaorana an’Andriamanitra noho ny fitahiany izay nasehony tamin’ny fiainan’ireto zanak’Israely ireto rehefa nivahiny tany an’efitra Izy nandritra ny 40 taona ka nanomezany azy ny rano tao Meriba (tadidinareo tsara angamba ilay hoe nasain’Andriamanitra nokapohana ilay vatolampy, niboiboika ny rano dia io rano io no nahafahan’ny zanak’Israely nahatanteraka ny fiazakazahany tany an’efitra), inona no dikan’izany eo amin’ny fiainantsika aty amin’ny Testamenta Vaovao ?Ilay « rantsan-kazo » ry havana dia milaza, mitory zavatra tsy maharitra, zavatra mora lo, zavatra mora simba, andalovana ihany, tandindon’ny inona io ? tandindon’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao, isika izay napetrak’Andriamanitra amin’ity fiainana ity, fantatr’isika fa hoy ny Baiboly hoe « 70 taona raha betsaka indrindra », izany hoe isika rehetra izao izany ry havana dia tsy tompon-tany, tsy ity no toerana tokony hipetrahantsika mandrakizay fa manana ny tsara lavitra isika izay efa nomanin’ny Tompo ho antsika, izany hoe fampahatsiahivana ireto zanak’Israely fa fandalovana ihany ange ny tany an’efitra ê, kanefa izany fandalovana tany an’efitra izany, nisy ny fahasoavana sy ny fitahian’Andriamanitra, izay ilay hevitr’ilay hoe « Rantsan-kazo » ; ny hevitr’ilay « Rano » indray dia izao : tsy ahatanteraka io efitra fandalovana io indray raha tsisy ny rano ary hitantsika tsara fa nimonomonona ny zanak’Israely.

Ny olona velon’ny fanantenana dia milona ao amin’i Kristy :

Ry havako, isika koa, izay mpandalo mpiserana ity fiainana ity ihany, tsarovy fa tsy ho tanterak’isika ity fiainana ity raha tsy eo ny fampaherezan’ny Tompo antsika, raha tsy eo ny fahasoavan’Andriamanitra izay harotsany amintsika isan’andro, izany anefa tsy azon’izay olona tsy manaraka Azy, inona io RANO io amin’izao fiainantsika izao, tsy inona io ry havana fa ny Fanahy Masina izay nomen’i Jesoa Kristy ka rehefa niala teto Izy dia niteny hoe « Tsy avelako ho kamboty ianareo ». Ry havako, manana izany Fanahy Masina izany ve izaho sy ianao ? Eny hoy isika satria isika efa vita batisa, efa nandray ny fanasàn’ny Tompo, efa tahaka izao sy tahaka izao … fa izao, miasa ao anatinao ve io Fanahy Masina io ? Ary izany no hitenenana hoe ny olona velon’ny fanantenana dia milona ao amin’i Kristy dia tsy inona izany fa ny « Fanahy Masina ». Ny Fanahy Masina tokoa ry havana no mampiaiky antsika ny fahotantsika, tsy misy olona miaiky ny fahotany raha tsy ny Fanahy Masina no miteny hoe mpanota ianao, fa ny ataontsika isan’andro dia maninona ?manamarin-tena, ny Fanahy Masina koa ry havana no mampino antsika fa efa maty Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ary efa nitsangana tamin’ny maty Izy naharesy ny fahafatesana ka miteny amintsika hoe « eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana nefa mahatokia fa efa nitsangana tamin’ny maty Aho ! » izany ange ry havana ny fanantenantsika ê !Ary ny fanantenantsika lehibe izay tandindon’ity andro faha 8 famarànana ny fety ity dia tsy inona fa ny fiainana miaraka amin’i Kristy amin’ny fitsanganana voalohany, izany hoe ilay « Millénium de Jésus », ny andro, ny fotoanan’i Kristy, izay no tandindon’io, misy fety lehibe eo, tsy ho an’ny olona izay tsy nandray an’i Jesoa nefa izany fa ho antsika izay manantena, ary izay ny fanantenantsika ry havana, eto amin’izao tontolo izao ange isika mijaly ê, tsy afaka misy hiteny hoe sambatra izahay eto amin’izao tontolo izao ity, satria nahoana ?mandalo miserana ihany ange izany eto amin’izao tontolo izao izany ê, eo ny harena, eo ny voninahitra  fa miserana izany ;     misy amerikana lahy kely izay, James Dobson ny anarany ry havana, iz’io dia nianatra tao amina sekoly iray ary iz’io izany dia te ho champion de tennis ary dia tanteraka izany tamin’ny fihazakazahana izay nataony dia nahazo amboara iray izy, faly be izy nanome ilay amboara tamin’ilay sekoly, dia napetraka tao anatin’ny vitrine io amboara io, endrey izany hafaliana, nirehareha hoe ahy io, nahazo an’io izaho tamin’ity fiainana ity, indray andro anefa efa taty aoriana ela be nisy olona nandondona teo am-baravarany, gaga izy, mpiara-nianatra taminy, ity hoy izy ny amboaranao ! Drii, f’angaha tsy tao amin’ny sekoly io no entinao aty amiko ? Tany amin’ny sekoly fa tany anaty « poubelle » hoy izy no nahitako azy, namboarina ilay sekoly, narian’ny olona ilay amboara, dia hitan’ny namany dia hoe an’i James ity, dia nateriny tany ;   na ho ela na ho aingana ry havana, izao hanànantsika rehetra izao mbola ho rava, mbola ho potika, na vola io na voninahitra na fahasalamana na inona na inona,  fa ny fanantenantsika izay entin’ny tenin’Andriamanitra ao amin’ity Jaona ity dia izao ihany : mànana ilay tsara lavitra Andriamanitra, izay efa nampanantenany antsika, izay efa nomeny antsika, araka ny teny teo : « Raha mino ianao, hoy Izy, dia hanana ny fiainana mandrakizay » ; efa tanteraka ange izany ry havana ê, fa ilay fahatongavan’i Kristy fotsiny, ka isika rehetra ireto izany ry havana dia matokia ary miomàna fa ho amin’izany no nasian’Andriamanitra antsika amin’ity fiainana ity, ho amin’ilay fiainana mandrakizay, koa aoka isika hibanjina an’izany fiainana mandrakizay izany fa tsy hiankina amin’izao fiainan’izao tontolo izao.

Mila mangataka ny Fanahy Masina isika mba hilonan’izany Fanahy Masina izany tanteraka ao anatintsika ahafahantsika manohitra ny asan’ny devoly hananantsika fanantenana :

Ry havako ô, mba efa mikarakara izany ve ianao ? Izaho ve mba efa nikarakara izany fiainana mandrakizay izany ? Izany ange no ampianarin’ny Tompo antsika isan’andro isan’andro amin’ny teniny ê, hanoroany antsika ny làlana ê, hoy Jesoa Kristy hoe « Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana », izany fahamarinana izany no omen’ny Tompo antsika, arahintsika isan’andro isan’andro handovantsika ilay fiainana mandrakizay fa tsy amin’izao tontolo izao ; koa aza kivy aza ketraka raha misy zava-miseho amin’izao fiainantsika izao, fa ny antsika dia izao : « stage » ange ity ê ! Fanazaran-tena ange izao ê ! Fa ny tsara lavitra ange efa nomanin’ny Tompo ho ahy ê ! « Handeha Aho, hoy Izy, hanamboatra fitoerana ho anareo », tsy mandainga ange Jesoa ê ! Efa misy seza fiandrianana any ho an’ny tsirairay avy ; ny ataontsika izany dia mangataka io Fanahy Masina io mba tena hilona tanteraka ao anatintsika ahafahantsika manohitra ny zava-mitranga amin’izao fiainana izao, hananantsika fanantenana. Tadidio ry havana fa rehefa mitobaka ao anatinao ny Fanahy Masina, rehefa feno Fanahy Masina ianao, tsy voatànanao ny tenanao fa te hizara izany amin’ny olona ianao : « Andray, tsara aki ny miaraka amin’i Jesoa io ! », dia ataon’ny olona mirediredy angamba isika indraindray hoe ianao io ahoana ?!

Tsaroako tsara ry havana raha nanolo-tena ho an’ny Tompo aho hanao mpiandry, dia hoy ny namako hoe fa maninona in-dry ? Ndry angà adala no lasa nanao mpiandry ? Sady nitsiky aho no niteny hoe : « Ié, adala aho, adala an’i Jesoa Kristy aho satria adalan’ny fitiavany aho, babon’ny famindram-pony aho, babon’ny famonjeny aho ary hitako fa tsara ny manompo Azy, io izany ny asa omeny ahy hanompoko Azy ».

Ny mpanompon’Andriamanitra dia mendrika ny handray ny valin-kasasàrany : « Fitiavana sy fiainana ary fahasambarana no omeko anareo » :

Fa ny farany ry havana, jerentsika ato amin’ny Korintianina: « Velon’ny fanantenana isika hoy aho raha toa ka miantoraka amin’Andriamanitra isika, velon’ny fanantenana isika raha milona ao anatin’ny fanahin’i Jesoa Kristy, velon’ny fanantenana raha mahatoky ny anjara lova amin’Andriamanitra. Eto ry havana Paoly dia manambara, mampianatra ireto Korinto ireto, eto amin’ny Fiangonana ato Korinto hoe: « Ny mpanompon’Andriamanitra dia mendrika ny handray ny valin-kasasàrany », tahaka ny miaramila hoy izy rehefa hirahina miady, tsy mitondra ny vatsiny izy fa ilay maniraka azy no manome vatsy azy, tahaka ny mpamboly, tahaka ny mpiompy, ireny rehetra ireny dia manantena ihinana ny vokatry ny asany ; izany koa no antenain’i Paoly, kanefa hoy Paoly eto hoe tsy mahakivy ahy na tsy manome ahy aza satria ireto Korintianina ireto ry havana dia miavonavona, tia tena, tsy mety mahafoy zavatra. Ny fanarahana ny Tompo ry havana dia mila fahafoizana ny zavatra rehetra, na vola io, na harena io, na fahalalàna io, na hery io, na fahasalamana io, n’ino’inona… hoy Jesoa Kristy hoe : « Izay manarak’Ahy, aoka izy handà ny tenany », ary izany no asehon’i Paoly eto ry havana, hitory ny Filazantsara aho hoy izy, ny antenaiko hoy izy dia tsy ny zavatr’izao tontolo izao fa ny lovako any an-danitra, ny fihitàran’ny fitoriana ny filazantsara, izany ry havana ny fanantenana ao anatin’i Paoly ; mba izany koa ve ry havana ny fanantenantsika eto amin’ity izao tontolo izao ity ?Sa isika manantena vola be ? Ny « Touareg » ? Ny trano be ? Ny voninahitra sns … ry havako ô, mandalo miserana ireny, izaho tsy miteny hoe ratsy izany an, mba satriko ange ry olona handeha amin’ity tomobilina tsara tarehy ity avy any Antsirabe ankaty ê, fa taxi-brousse no takatro dia izay no ataoko, ary hifaliako ao amin’ny Tompo izany satria anjarako ao amin’ny Tompo ; isika ange rehefa mivavaka dia hoe « omeo anay anio izay sahaza anay anio ê ! », dia izay ilay izy, ary izany no ampianarin’i Paoly antsika, hoy Paoly hoe : « Kristy no antony ivelomako ary amin’ity toeran’izao totolo izao ity ihany no anantenako an’i Kristy dia mahantra indrindra aho » ; aoka izany zavatra izay ry havana no itoetra ao anatintsika ka ny fanantenantsika dia hiorina amin’Ilay Andriamanitra mpamindra fo, mpamela heloka, ka hiantoraka Aminy isika amin’izay rehetra ataontsika, mangatàha, sahia mangataka ry havana, sahia midongy amin’Andriamanitra, fa ny antsika ange dia izao ê, rehefa tapi-dàlan-kaleha isika izay vao miantoraka any amin’Andriamanitra dia ataontsika sanatria hoe « roue de secours » ve Andriamanitra ? Andriamanitra aza ferana ny fahefàny, aza ferana ny fitiavany, aza ferana ny fahasoavana izay atolony, isika ange no mametra Azy ê, tsy mba sahy mangataka isika fa dia sombitsombiny ihany, fantaro fa mahafantatra ny zavatra rehetra io Andriamanitra io, Andriamanitra tia antsika io Andriamanitra io, ary ny ainy aza efa nahafoiny ho antsika maika fa izany zavatra izany, mila koa isika ry havana milona miaraka amin’i Kristy amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina ka sahia mangataka izany Fanahy Masina izany fa izay manana izany Fanahy Masina izany no hanana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ka tsy hisy intsony ny alahelo, tsy hisy intsony ny hakiviana fa ny devoly ange manakivy antsika ê, mampahatonga antsika hamoy fo, mamono tena fa Andriamanitra kosa fitiavana, araka ny teniny hoe « fitiavana, fiainana sy fahasambarana no omeko anareo ».

Hafatra ho antsika kristianina :

Ry havana malalako ô, mahaiza àry miantoraka amin’Andriamanitra, mahaiza àry milona amin’Andriamanitra ary indrindra indrindra aza mijery ny lova amin’ity tany ity fa ny lova any an-danitra izay tsara lavitra, izay efa omeny anao, homaniny farany tahaka ity andro farany izay firavoravoana ity iarahanao amin’i Kristy rehefa tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra Izy, haka anao ho eny amin’ny fanjakàny amin’ny fitsangànana voalohany ; dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, ny fanantenana kosa ho antsika tsirairay avy izay mihaino izao toriteny izao ary mino an’i Jesoa Kristy mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainantsika. Amen.

DISAINE Alice.


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «