Taombaovao 2023 : Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny… hiasa sy hitandrina azy
Ankino amin’i Jehovah ny làlanao ary matokia Azy fa ataony tanteraka izany. Miarahaba anao nahatratra izao taona vaovao izao ka mirary soa anao ho fenoin’ny Tompo ny fitahiany Tompo ianao mandritra izao taona 2023 izao.
Alahady 01 Janoary 2023, andro voalohany, alahady voalohany amin’ity taona 2023 ity, andinihina ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe : « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Genesisy 2 : 8-15 : » 8Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. 9Ary nampanirin’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’aina teo afovoan’ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 10Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: 11Ny anaran’ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; 12ary tsara ny volamena amin’izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla. 13Ary ny anaran’ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. 14Ary ny anaran’ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. 15Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy «