FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah, Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy

Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah, Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy

Publié le 06 mai 2009 à 12:05

« Ho ampitomboina amintsika anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy, amena ».

Ny Salamo 118,5-18 no andeha hakàna ny toriteny :

Tao an-katerena no niantsoako an’i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?
Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’izay mankahala ahy.
Tsara ny mialoka amin’i Jehovah Noho ny mialoka amin’ny olona.
Tsara ny matoky an’i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’i Jehovah no handringanako azy tokoa;
Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’i Jehovah no handringanako azy tokoa.
Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’i Jehovah no handringanako azy tokoa.
Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
Ao an-dain’ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’i Jehovah mampiseho hery;
Ny tanana ankavanan’i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’i Jehovah mampiseho hery.
Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’i Jehovah.
Nofaizan’i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana.

Tokony ho deraina Jehovah (Salamo 118 : 4)

Tokony ho deraina Jehovah, ary zay mahatsiaro ny famindrapony no tokony hanao izany; fa ny andininy faha 5 sy ny manaraka kosa dia maneho fa mamaly vavaka izay mitaraina aminy Jehovah.

Ary raha ny perikopa zay voalahatra ho antsika amin’ity anio ity dia mampisongadina fa azo itokiana izany Jehovah izany, satria raha zao tenin’Andriamanitra manoloana antsika zao, dia mamaly izay mitaraina aminy Izy.

Mamaly Jehovah manoloana ny fitarainana (Salamo 118 : 5)

Ahitàna fa mpanompon’Andriamanitra ao anaty fahaterena, sarotra, zava-manahiranana no miantso an’i Jehovah izay Tompony, valiny, setriny : namaly Jehovah manoloana ny fitarainana izay nataon’ny mpanompony izany; vokany : lasa manana fahafahana, fahalalàna ilay olona izay tao anaty fahaterena;

Miandàny amintsika Andriamanitra (Salamo 118 : 6-7)

Tsàpan’ny mpanompon’izao Jehovah izao fa miandàny aminy Andriamanitra, eo anilany mandrakariva Jehovah, fa miara-dalàna aminy mandrakariva, manome toky, afa-tahotra tanteraka, tsy manana ahiahy, manana fandriampahalemana tanteraka eo amin’ny fiainany satria fantany fa eo aminy Andriamanitra.

Antsoy Aho amin’ny androm-pahoriana dia ho valiako ianao ka anehoako zava-mahagaga zay saro-pantàrina

    Ry Havana malala ao amin’ny Tompo, hita arak’izao tenin’Andriamanitra izao fa azo antsoina amin’ny fotoana rehetra Andriamanitra, azo itarainana amin’izay miteraka fahatsapàna lalina; miaraka amin’izay mitaraina aminy Andriamanitra. Firifiry moa ry Havana, ny andinin-tsoratra masina milaza izany, toy ny hoe « Antsoy Aho amin’ny androm-pahoriana dia ho valiako ianao ka anehoako zava-mahagaga zay saro-pantàrina« .

  Ry Havana, efa mba niantso an’Andriamanitra ve isika? Efa mba nametraka ny fiainan-tsika teo Aminy ve isika. Zao mantsy no mampiavaka ny Andriamanitra izay ivavahan-tsika : ny Andriamanitra zay ivavàhan-tsika dia manome tondro-zotra, toro-làlana ho antsika, ary Izy tenan’Andriamanitra no manao izany. Fa ny Andriamani-kafa, zay heverin’ny sasany fa mahavonjy azy : olona manompo no manana toro-làlana. Dia mipetraka ny fanontaniana manao hoe : afaka mamaly ny antsoantso ve izay olona manompo azy no manome toro-làlana azy? Tsia.

Mankanesa aty ianareo rehetra zay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsahàrana

    Fa izao, ny Andriamanitra izay hivavàhan-tsika dia mamaly antsika amin’ny fotoana rehetra, ary porofon’izany eto ny hoe antoka hamaly antsika Andriamanitra irery ihany Izy.

Koa eo amin’ny fiainan-tsika, amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra, dia Andriamanitra irery ihany no azo antsoina, fa hamaly antsika amin’izany rehetra izany Izy; ary tsarovy fa Jesoa Kristy aza dia milaza hoe : « mankanesa aty ianareo rehetra zay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsahàrana« . Fa Jehovah dia tsy vitan’ny hoe azo antsoina ihany, fa indrindra mampandresy ny mpanompony ihany koa.

Fa ny anaran’i Jehovah no handrianako azy tokoa (Salamo 118 : 10 – 14)

 

Miverimberina eo ilay hoe « fa ny anaran’i Jehovah no handrianako azy tokoa ». Izay mampiseho ny maha Izy azy an’Andriamanitra, ary izany anarana izany no fitaovana zay enti mandresy izany.
Eo amin’ny andininy faha-10 dia misy firenena izay manodidina ao amin’izao mpanompon’i Jehovah izao, kanefa noho ny anaran’i Jehovah dia ringana izany.

Ny andininy 11-12 dia nanodidina azy tahaka ny reny tantely, kanefa noho ny anaran’i Jehovah no afàhany nandresy izany fahavalo izany.

Ary ny andininy faha-13 dia misy fahavalo izay mitady handringana, hamely izao mpanompon’i Jehovah izao, kanefa Jehovah no namonjy azy amin’izany fahavalo izay mitady hamely na hamotraka azy izany.

Ary ny andininy 14b aza dia maneho famonjena ho azy, ary raha mijery ny ao amin’ny DIEM isika, dia Jehovah mihintsy no mampandresy izao mpanompony izao, ary tsapany fa ny tànan’i Jehovah  no miaraka aminy, mitondra fandresena ho azy, ary izany no manandratra azy ho amin’ny fandresena.

    Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, tsapan’izao mpanompony izao fa Jehovah no miasa ao aminy, ny anaran’i Jehovah no fandresena, ary ny tànany no mivimbina azy mba ahafàhany handresy ny fahavalo. Maro tokoa ny fahavalo izay mitady hamotraka, handrava antsika amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Mety fahavalo ara-nofo izany, ara-panahy. Zao anefa no tadidio, lavo isika raha toa ka ny herin’ny tenan-tsika no ianteheran-tsika.

      Koa antsika amin’ity anio ity, n’inoninona fahavalo, n’inon’inona endrika isehoan’izany, izay mitady hamingana antsika amin’izany fifandraisan-tsika amin’Andriamanitra izany, dia tsarovy fa tsy misy afa-tsy i Jehovah irery ihany no afaka miaro antsika.

Mety misy fakam-panahy zay tsy hain-tsika resena, mahazatra antsika, toa manontany tena aza isika hoe aiza Andriamanitra no tsy manila izao tebiteby izao, no tsy manaisotra izao fahoriana izao. JEHOVAH irery no mampandresy antsika manoloana an’izany rehetra izany, n’inon’inona fahavalo mety handàvo antsika.

Manome fandresena ho antsika Izy

    Ho famarànana izao toriteny izao, ny fianan-tsika kristiana zay mpanara-dia an’Andriamanitra dia tsarovy fa tsy fifaliana foana akory, tsy fahombiazana foana no itantsika amin’ny fiainan-tsika, indraindray aza arakaraky ny hifikiràna amin’Andriamanitra no hisedràna zavatra mahamaivay eo amin’ny fiainan-tsika. Izao anefa, tsarovy fa rehefa miantehatra amin’Andriamanitra isika ka mametraka izany rehetra izany eo am-pelatànany dia manome fandresena ho antsika Izy. Rehefa miantehatra amin’Andriamanitra isika, mametraka zany fahoriana mianjady amintsika izay manahirana antsika izany dia miaro antsika Izy.

Koa hamafiso ary ny fifandraisana Aminy, ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra mba ho Izy no hitantana ny fiainan-tsika manontolo; enga anie hametraka izay manahirana antsika rehetra isika, hiantso an’i Jesoa Kristy hametraka zay zava-manahirana antsika rehetra eo amin’ny fiainana.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, fa ho antsika kosa ny fampaherezany. Amena.

Rakotonoeliarimanana,
mpitandrina miza-draharaha
eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo


Lire aussi

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :