FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tanteraka soa aman-tsara ny fandidiana ny mpitandrina

Tanteraka soa aman-tsara ny fandidiana ny mpitandrina

Publié le 21 octobre 2009 à 12:10

Ny fahasalaman’ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, dia misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa tanteraka soa aman-tsara ny fandidiana ny Raiamandreny Mpitandrina tamin’ny Talata 13 Oktobra 2009 lasa teo.

Ny zavatra natao tamin’izany, dia araka ny efa nohamafisina teto tamin’ny Alahady 11 Oktobra 2009, dia ny fanaovana ny familiana ny lalan’ny « bile » na hoe ny « vésicule biliaire » no nanaovana ny atao hoe « dérivation ». Ka izy io izany dia avy any amin’ny aty mankany amin’ny tsinay. Ary rehefa nosokafana ny fandidiana dia hita fa nisy fivontosana teo amin’ny àty sy ny « pancreas »-n’ny Raiamandreny Mpitandrina, ka izay nangalana « prélèvement », natao « biopsie ». Ny valin’izy io izany dia andrasantsika eo amin’ny manodidididina ny  faha-28 volana oktobra izao.

Ny zavatra izay ataontsika ankehitriny izany dia ny manatanteraka isan-kariva ilay votoatim-bavaka na  ny « sujet de prière » mba ho fisaorana an’Andriamanitra,  sy ho  fitohizan’ny fitsaboana, indrindra indrindra fa ho an’ny Raiamandreny Mpitandrina sy ny Mpitsabo ary ny fanafody.

Ankehitriny ny fahasalaman’ny Raiamandreny Mpitandrina, noho izay fery, fandidiana kely sy fanjairana ny tsinay, dia tsy mbola mahazo misakafo izy mandritra ny herinandro. Ka noho izany dia mbola ao anatin’ny  faharerahana izy. Efa noezahina ihany koa ankehitriny ny mampitsangana azy, ka isaky ny vao mitsangana izy dia mazava ho azy fa mbola reraka.

Dia izay no mbola iangaviana antsika, na amin’io herinandro manaraka io izany, ny mbola tsy hampisy ny famangiana ihany koa aloha fa mbola reraka izy. Ary aorian’izay dia mbola holazaina eto ihany rehefa afaka manao ny fitsidihana isika.

Fotoam-pivavahana eto am-piangonana isaky ny Alarobia karakarain’ny Vaomieran’ny Aim-panahy

Manarakaraka izany, ny mikasika ny fitsaboana ny Raiamandreny Mpitandrina, ny Vaomieran’ny Aim-panahy dia nanapa-kevitra fa ny fiaraha-miaina, ny fiangonana, ny fianakaviana, ary ny mpiara-monina eto amin’ny faritra Ambavahadimitafo, dia tsy atao ao amin’ny Akany ny fotoam-pivavahana, isaky ny Alarobia amin’ny 5:30 ka hatramin’ny 6:30, fa atao eto am-piangonana (FJKM Ambavahadimitafo), iarahantsika miara-miaina amin’ny fotoam-pivavahana, isaky ny Alarobia (5:30 – 6:30). Isika mianakavy rehetra dia ny fiangonana, ny fianakaviana , ary ny mpiara-monina eto Ambavahadimitafo.

Dia ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Dr Mino Ralambomahay, Filohan’ny Loholona sy Diakona


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :