FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Sitrano aloha ny tenanao

Sitrano aloha ny tenanao

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

Dokotera X … dia niorim-ponenana tao amin’ity fari-tany anankiray… fotoana kely taorian’ny nahatongavany dia namely mafy tao irony karazan-kohaka nampandoa ra, ary voany hatramin’Ingahy Dokotera aza.

Sanganehana ny dokotera : miandry eo an-trano, tsy mbola fantatry ny olona loatra, handeha hitety tanàna, ny tena mbola tsy sitrana tsara. Kanefa fotoana tokony hohararaotiny indrindra ity mba hahafantaran’ny olona azy sady ho famonjena ny vahoaka, ka hahalalany ny asan’ny fanafody ary mba hidiran’ny vola misimisy koa. Farany anefa dia tapa-kevitra fa handeha ny Dokotera.

Tao amin’ilay tanàna lehibe sady be marary no namantanana voalohany. Namory ny mponina izy sady niresadresaka tsotra taminy. Teo am-pihainoana ny teniny dia toa samy nivoady anakampo izy rehetra fa tsy maintsy mividy.

Raha vao nipetraka teo ambony seza anefa Ingahy Dokotera dia nihetsika tampoka ny kohaka azon’ny niteny mafy, taitra sady gaga ny olona rehetra nahita izany ka nitakoritsika be ihany. Hoy ny sasany : « Ny Dokotera koa va mba mikohaka? » Samy « nanao fialan’ny jiosy » izy rehetra ka tsy nisy naka fanafody akory. Nody fotsiny ny Dokotera.

« Be ihany ve ny naka fanafody? » hoy ny vavy. « Na dia iray aza! » hoy ny dokotera. « Tsy misy marary angaha? » hoy indray ny vavy. « be dia be mihitsy », hoy dokotera ; « ary tamin’ny nilazako taminy aza dia toa vonona haka izy rehetra. Nefa raha vao nijanona aho dia nikohaka, ka raha mbola niondrika teo ambony seza aho dia indreny kosa izy nitsoaka tsirairay. » « Ka iza tokoa moa no hatao vavolombelon’ny fanasitranan’ity fanafody ity » hoy ny vavy, « kanefa ny tenanao avy no marary. Mijanona aloha, sitrano ny tenanao, ka hianao indrindra no hatao vavolombelona hoe : « Izaho ity ilay narary, nefa sitrana noho ity fanafody ity. » Nekeny izany, ary andro vitsy foana dia sitrana izy, ka lasa nitety tanàna indray. Vahoaka marobe no nanatona azy.

Ny tantaran’io Dokotera io dia nampahatsiaro ahy ny toetr’ireo Kristiana namako sasany. Nikely aina fatratra izy ireny ny haneken’izao tontolo izao ny Ray Masina, ka hananany anjara amin’ny « rano velona. » Tsy mijanona izy mitory ny fanafodim-panahy mba hamongotra ny fahotana : Mitety tanàna, mamangivangy isan-trano, manao fotoam-pivavahana.

Mamaky andininy manindrona sy mampieritreritra ao amin’ny Soratra Masina mba hanohina ny fon’ny mpanota. Manao izay fara-fahaizany Andriamatoa amin’ny sermona : mandevilevy, mampitahotra, manambitamby, mampanantena zavatra. Nefa indreo fa mbola mihenahena toy ny vato aman-kazo ihany ny mpanota ; vitsy ny manatona.

Hoy izaho anakampo : « Tsy miasa intsony va ny Fanahy Masina? Dia hafoin’Andriamanitra ve ny olombelona? Sanatria anefa izany, fa ny mpaminanin’i Jehovah no tsy mbola voadio. « Eny, mamehy entana… ka manainga izany eo an-tsoroky ny olona izy, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny ratsan-tànany aza. Miteny ihany izy nefa tsy manao. » (Mat. 23:4,3).

Mbola tazan’izao tontolo izao « mirehitra lalandava any Sodoma » ny Kristiana Hany ka na dia miteny sy mananatra aza dia tsy mahita vokatra afa-tsy ny hoe : « Saingy hoe ve miteny ka ho olo-masina » « aleo tsy mivavaka raha ho toy ireny. » Ary ny « ssi » sy ny « nefa mba » no re eo anelanelan’ny tori-teny. Tsy misy mandray fa ilaozam-potsiny hoatra ilay Dokotera marary teo.

Ry mpanompon’Andriamanitra ô, raha tianao ho voataona ary ny mpanota, irinao handaitra ny tenin’Andriamanitra dia ampisehoy aminny toe-piainanao izay lazainny vavanao. Mamy ny tantely, mahate-hilelaka ny siramamy, nefa raha eo an-tanan’ny olom-perena dia hojerem-potsiny, fa na tsy mampandoa aza mankaloiloy. Mahate-handray ny Tenin’

Andriamanitra, fa ny mpitory no mbola marary ka mampisalasala. Te-hiova fo ny mpanota, saingy ny mpitaona no mbola ferena ka tsy mahate-hiara-dalana. « Raha ny zavatra efa noravako » hoy i Paoly, no « atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho » (Gal. 2:18). Koa mba misalasala ny mpanota raha mitazana izato toetry ny Kristiana : « Raha tsara ny fivavahana, maninona no mihemotra ny efa mandroso? » hoy izy. « Ary raha halan’Andriamanitra ny ratsy, nahoana no mbola misakeli-pahotana ny mpivavaka? »

Koa ny tsy fahamasinan-toetry ny Kristiana ary dia manjary vato makadiry be (rouleau) anamafisana ny fon’ny mpanota. Hoy ity tovolahy anankiray : « kabary moa ny toriteny ka izay rehetra sahy dia manao avokoa. » Hoy indray Rangahy izay : « Ny fivavahana io moa dia ho fanakonana ny ratsy atao fotsiny. » Ary hoy kosa ity vaviantitra anankiray : « Mahagaga ahy fa tsy mba tahaka ireny lazain’ny vavany ireny ny toetry ny mpitoriteny! »

Eritrereto ary fa sao dia hianao no izao Akana mpitahiry zava-boaozona izao, ka maharesy tosika ny fanjakan’i Kristy mandraka ankehitriny. Azo inoana fa na dia hajanona aza ny tori-teny, ka ny toetra masina sy mendrika kosa no hasehon’ny kristiana rehetra dia hahataona mpanota sesehena izany.

« Fanazavana, » « fanasin’ny tany, » masina madio no fihevitr’izao tontolo izao ny Kristiana. Koa izay ambarany, izay asehony dia tsara sy marina avokoa. Sarotra amin’izao tontolo izao ny hino avy hatrany ny Mpamonjy, fa ny Kristiana kosa no Kristy madinika tsinjoviny ety an-tany, modely halain-tahaka.

Honahona mahatahotra izao fiainana izao ; mpivahiny avy lavitra ny mpanota, koa ny kristiana tompon-tany no tsy maintsy hitari-dalana azy. Koa hamasino ary ny fombanao sy ny fiainanao ry dimbin’i Kristy ô, fa sao dia raisin’ny mpijery sy ny taranakao ho lamaodim-pivavahana indray ny sady ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo no mbola ho sakaizan’i Satana. Sao dia ho tototra ny fivavahana marina ka ry Rampihatsaravelatsihy mianakavy no hameno ny fiangonantsika.

Tsarovy anefa fa « ho faty noho ny helony ihany » ireny mpanota ireny ; nefa raha ny ataonao kosa no mampihamafy hatoka azy dia « hadinina eo am-pelatananao ny rany« . Ary saino tsara fa tsy izay rehetra tafavoaka tany Sodoma tsy akory no ho voavonjy, fa izay « be herikerika » mbola ho faty.

Ry mpamaky ô, akombony ary ity takelaka ity, ka mandehana : mitoria, manambarà ny famonjen’i Kristy. Nefa manontania tena hoe : « Moa efa eo an-tanako ve ity soa holazaiko ity? Moa efa nandosirako va izao faharatsiana handrarako izao? Ary moa efa sakaizan’i Jesosy va aho alohan’ny hitaomako ny hafa? Raha tsy izany, ‘sitrano aloha ny tenanao‘ : aza manao dingan-dava. Fa sao dia hianao no mandrara nefa manao ; mamporisika nefa tsy mahatanteraka, ka « itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra » (Rom. 2:22-:24).

Ry Kristiana malagasy ô, irinao mba hisondrotra eo amin’ny ambaratongam-pivavahana ambonimbony kokoa ve ity firenenao ity e? Sitràno ary ny aretinao.

Sitràna fa sao mitombo aretina. Sitràna fa sao mamindra amin’ny hafa. Sitràna ho porofo hita maso, azo tsapaina iasan’ny fahasoavan’i Jesosy. Sitràna ka aza miverina aretina intsony.

 

D. ANDRIANARISAONA évangéliste, Ambositra
(Ny Mpamafy, Novambra 1917)


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina