FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Raha tsy miverina ao amin'i Kristy isika dia zava-poana ny zavatra rehetra

Non classé

Raha tsy miverina ao amin'i Kristy isika dia zava-poana ny zavatra rehetra

Publié le 07 novembre 2008 à 12:11

Afaka milaza ny mombamombanao ve ianao ?

– Izaho izany, Fara, vavin’ny dada sy neny, ary i dada dia mpiasam-panjakana tsotra; ary i neny kosa dia vehivavy an-tokan-trano.

Ny fianarana nolalovako dia nandalo sekolim-panjakana hatramin’ny terminale, ary avy eo nanao théologie nandritry ny 3 taona. Dia avy eo nianatra ny amin’ny téchnique de la médecine tany Allemagne. Niverina avy any aho dia nalain’i Pasitera ho vady. Ary tamin’ny fotoana natongavako moa; fotoana mbola tsy tena nisian’ny hoe asa natolotra ho an’ny olona avy any ivelany; dia vokatr’izay aho dia lasa nanao asa tenany.

Dia avy eo aho; rehefa hita fa hoe betsaka ny asam-piangonana izay ilaina hifanampiana amin’ny vadiko; ary ny fiainan’ny firenena koa moa tsy dia namela ahy loatra; hoe hivelatra tamin’ny asa tenany; dia najaniko ilay asa tenany dia niroso tamin’ny asam-piangonana bebe kokoa aho.

Ahoana no iainanao an’izany hoe vadina mpitandrina izany?
Tamin’ny voalohany izany dia somary sahirana kely ihany aho nihatrika an’ilay atao hoe vadina mpitandrina; satria talohan’izay aho dia niaina tamin’ny hoe fiainan’ny mpianatra, izay tena fiainan’ny fahatanorana, fiainan’ny fahalalahana, fiainan’ny fivelarana…

Fa rehefa niditra eo amin’ilay hoe vadina mpitandrina izany ianao dia nisy zavatra be dia be teo amin’ny fahatanoranao izay tsy maintsy avela : na amin’ lafin’ny fitafy na amin’ny lafiny fiteny na amin’ny lafiny hoe « inona no zakan’ireto olon-dehibe izay atrehako eto ».

Fa amin’ny maha vadina mpitandrina ahy koa izany dia nanefy ahy ilay izy ho matotra kokoa hihatrika ny olon-kafa, amin’ny fifandraisana tsotra izao ary fahamatorana koa eo amin’ny finoana satria amin’ny maha vadina mpitandrina ny tena izany; dia mizara finoana izany. Izay koa moa no andrasan’ny olona amin’ny tena : mizara ny finoana, mizara ny fahalalana an’Andriamanitra, mampafantatra azy bebe kokoa an’izany hoe lalana amin’ny fahamasinana izany.

Anefa na dia izany aza dia ny tsy hitovizany amin’ny vadin’olon-kafa rehetra dia izao: ny vadin’olon-kafa dia tsy voatery ahalala na hiditra lalina amin’ny asan’ny vadiny; fa ilay vadina mpitandrina izany dia; na dia tsy mitsabaka amin’ny asan’ny vadiko aza aho, dia tsy maintsy mahafantatra kosa ilay vahoaka entiny satria anisan’ny olona hiaraha-mitaiza izany ireo; hifaneraserana, iharahana.

Nandritry izay 10 taona izay, nanao ahoana ary ny fifandraisanao tamin’ny fiangonana teto Ambavahadimitafo?
10 taona no resahina. Raha zaza no resahina dia hoe efa efaka milaza zavatra betsaka, efa mahita zavatra betsaka. Izany hoe afaka miteny aho hoe mivoatra ilay fahalalana ny olona. Tamin’ny voalohany dia olana be mitsy no nahalala an’ilay hoe “ity moa ilay iza?” Tany am-piandohana izany dia nanahirana be ilay fifandraisana tamin’ny olona, na dia ny olona any anaty sampana aza. Nanampy be dia be izany ny fandehanana amin’ny mariazy, fahoriana sy ny ohatran’izany.

Teo amin’ny fifandraisana amin’ny sampana dia misy ireo sampana mandray ny vadin’ny mpitandrina mivantana, takaka izany izao ny Dorkasy, nandray ahy ho tena mpiara-miasa akaiky tokoa. Tao izany ny olona vetivety dia fantatro tamin’ny anarany sy ny mombamomba azy tsirairay. Misy sampana kosa izay; tsy hoe avahako akory izy ireny fa, angamba amin’ilay taona izay tsy mitovy loatra, izay heverina fa samy hafa: ohatra izao ny sampana tanora, tsy dia manana fifandraisana amin’izy ireo loatra aho ankoatran’ny hoe fotoana tsindraindray eo amin’ny fiainan’ny sampana. Misy ny sampana sasany toy ny Tetik’asa Mendrika, vaomiera sasany tahaka ny Vaomieran’ny tantara izay miara-miasa amiko.

Angamba koa ilay izy miankina amin’ny tenako izay, misy asana sampana izay mahaliana ahy kokoa. Ny resaka tantara izany izao dia mahaliana ahy be dia be, dia izay no mahatonga ahy manome fotoana be dia be amin’ireny voamiera na sampana izay miresaka tantara ireny.

Na izany na tsy izany aza anefa tsy hoe manilika ny sampana hafa aho akory; fa mahafantatra ny fiainan’ireny sampana tsirairay avy ireny satria hifampiresahanay mivady ny momba ny sampana rehetra ato am-piangonana.

Raha eto amin’ny manodidina, misy anjara asanao manokana ve?
Ity zavatra iray ity dia miainga amin’ny fiainam-pianakavianay, satria izahay moa izany dia tokana ny zanakay; dia vokatr’izay izany dia tsy manana ankizy hiarahana milalao izy ao an-trano; fa dia mivoaka any ivelany, miaraka milalao amin’ny ankizy manodidina.

Ka vokatr’izay dia manjary feno ankizy be dia be eto amin’ny manodidina mifampikasika aminay. Dia noho izany dia mahatsiaro izahay mivady fa manana adidy amin’ireny ankizy mifanerasera amin’ny zanakay ireny.

Ny atao hoe manana adidy izany dia tahaka izao no endriny: betsaka amin’ireo ankizy manodidina ety izany no antonintoniny ihany eo amin’ny lafim-pivelomana amin’ny ankapobeny, tahaka izay koa ny fitaizana azony; na fitaizana ara-panahy izany na ara-pitondra-tena na ara-tsakafo sns…

Dia ohatra izay izany no andraisanay mivady adidy ohatra amin’ny fialan-tsasatry ny mpianatra dia misy fandaharam-potoana izay natokana ho an’ny ankizy eto amin’ny tanàna mba hahatonga azy ireo tsy dia andany fotoana loatra amin’ny zavatra tsy dia mahomby loatra amin’ny fiainana. Rehefa tsy manana zavatra atao mantsy ny ankizy dia tonga amin’ny heritreritra fanaovana kilalao tsy mahomby loatra na tonga mihitsy amin’ilay hoe fisotroana sy amin’ny hoe fidoroana, satria eto amin’ny faritra manodidina antsika moa dia be dia be ireo olon-dehibe misotro, midoroka, mifoka, manao fitondran-tena tsy mety ka ny ankizy izany dia lasa tsy mahita mihitsy zavatra tsara ankoatr’izay hitany eo amin’ny ray aman-dreny sy ny manodidina ety.

Dia misy izany ny fitondrana azy ireny mijery ozinina fanaovana zavatra isan-karazany ireny tahaka ny fanaovana biscuits, chocolat,…dia ao koa ny fampanaovana sport toy ny baolina, tahaka izany koa ny fananganana bibliothèque izay zava-dehibe mihitsy izany amin’ny fikolokolona ny sain’ny ankizy mba ho tia mamaky boky dia ny mbola kely satria ny boky dia fianarana atao hampianatra; sarobidy indrindra azonao entina any am-pandriana na eny amin’ny seza, azonao anontaniana matetika. Ka rehefa tia boky izany ilay ankizy dia 50% ny fitaizana dia azo antoka fa hahomby.

Amin’izao fotoana izao dia misy ny projet izay atao eto an-tanàna ny amin’ireo ankizy notazaina rehetra ireo izany dia omena fanampiana amin’ny fampianarany, amin’ny fiainanay andavanandro, indrindra ny classe d’examen mba ho tsaratsara kokoa ny fanomanany an’ilay izy, satria betsaka amin’izy ireo ny hoe efitra iray no iarahan’ny fianakaviana iray manontolo, izany hoe tsy manana trano tsara mihitsy izany ireny ankizy ireny mba hoe hianatra araka izay fotoana tiana; izany hoe mety hoe ho vonoina ny jiro; dia izay izany no mahatonga an’ilay hoe asiana fampianarana ny ankizy, indrindra ny classe d’examen indray mande isaky ny herin’andro izy izay na in-droa; arakaraky ny fahafahana.

Ao ihany koa moa ny hoe projet Tafika Masina izay miantefa indrindra amin’ny olon-dehibe mba hahatonga an’ireny olona izay voageja amin’ny zava-pisotro na ny fidoroana ireny mba ahalala aloha an’i Kristy dia avy eo izy afaka ho tafala amin’izay geja izay satria raha tsy mahalala an’i Kristy mantsy izy dia ho sarotra ihany ny hanao fananarana; fitenenana izay efa nataon’ ny fianakaviana izany fa mety tsy nahomby.

Hafatra na teny kely atolotrao ho an’ny fiangonana hiatrehana indray ny folo taona manaraka?
Ny hafatra atao moa izany dia hoe : na inona na inona no ataontsika, raha tsy miverina ao amin’i Kristy isika dia zava-poana ny zavatra rehetra. Na manao asa fanasoavana aza ny fikambanana rehetra dia tsy tokony hijanona amin’izany ny fiangonana.

Ny fiainana koa miova isaky ny vanim-potoana iainana, fa isika kristiana kosa izany dia tokony hifona, hiverina ao amin’i Kristy, manovo hery ao amin’i Kristy, miaina an’izany hoe fiainana kristiana izany dia afaka hizara izany any amin’izay toerana misy antsika rehetra any ka ny zavatra banjinina izany amin’ny 10 taona ho avy iny dia izay Tafika Masina izay na ato anatiny na any ivelany mba ho tena hoe manana an’i Kristy tokoa ny fiangonana ary afaka mizara izany amin’ny manodidina azy.


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina