FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo

Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo

Publié le 11 mai 2015 à 12:05

Avy ao amin’ny Levitikosy 26 : 3-13 no nangalana ny hafatry ny Tompo tamin’ity alahady 28 jolay 2013 ity :
3 Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo ka mankatò izany,4 dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.5 Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana; dia hihinana hianareo ka ho voky, ary handry fahizay eo amin’ ny taninareo.6 Ary homeko fiadanana eo amin’ ny tany hianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.7 Dia hanenjika ny fahavalonareo hianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.8 Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.9 Ary hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanorina ny fanekeko aminareo Aho.10 Ary hihinana ny tranainy hianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.11 Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ ny fanahiko hianareo.12 Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary hianareo ho oloko.13 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho andevony hianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
Mpitoriteny : mpitandrina miza-draharaha


Lire aussi

26/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay

Alahady 26 Jona 2022, fetim-pirenena malagasy faha-62 taonan’ny fahaleovantena, natokana hitondrana am-bavaka ireo zokiolona eto amin’ny fiangonana. Ny tenin’Andriamanitra nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra dia ny tao amin’ny IITantara 13 : 10  » Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho

19/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny ray, alahadin’ny Vokovoko manga

Alahady 19 jona 2022, ankalazana ny fatin’ny ray, alahadin’ny sampana Vokovoko Manga manerana ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 12:7-12  » 7Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona

12/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho

Alahady 12 jona 2022, alahadin’ny Sekoly FJKM, alahadin’ny Trinite, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny 2Tantara 20 : 5 – 9 : « Miverena, ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa nohenoiko ny

05/06/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Pentekosta 2022 : feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana

« Miorena tsara, aza miova » Alahady Pentekosta 05 Jona 2022, fankalazana an’Andriamanitra tamin’ny nandrotsahany ny Fanahy Masina voalohany tamin’ny fiangonana; tsingerintaonan’ny fiangonana ihany koa satria feno 1989 taona ny fiangonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Asan’ny apostoly 4 : 31 « Ary rehefa nivavaka izy dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany,

02/06/2022 A la une . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana 2022

Efa ho 2 taona no tsy nanatanteraka fitsangatsanganana ny FJM Ambavahadimitafo noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana izay fantantsika. Koa am-pifaliana tokoa no hifanentanantsika amin’izany ankehitriny. Amin’ny Alatsinainy Pentekosta 06 Jona 2022 no ho tanterahina eny Antsofonondry Avaradrano ny fitsangatsanganan’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay hanasàna antsika kristiana tsy an-kanavaka sy ny zanaka am-pielezana. Ankoatran’ny fikarakaran’ny Biraon’ny fitandremana miaraka

29/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny reny 2022

Alahady 29 mey 2022, ankalazana ny fetin’ny reny ka nitondra am-bavaka manokana azy ireo androany teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny Sekoly Taninketsa no nitondra ny toriteny an-kira nandritra izany fanompoam-pivavahana izany. Manasa anao hiombona amin’izany fotoana izany : Manantitra ny firariantsoa ho an’ny reny izahay eto amin’ny site web, ho feno fifaliana sy fahasoavana avy

22/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo

Alahady 22 mey 2022, andinihina ny lohahevitra hoe « Manavao ny Fanahy masina« , ka nitondran’ny tarika Ny mpitory toriteny an-kira araka ny Galatiana 5 : 16 – 25 « 16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. 17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra

15/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa

Alahady 15 mey 2022, « Manavao ny fanahy masina », lohahevitra amin’ity volana ity eto anivon’ny FJKM , itondrana am-bavaka ny mpiasa hiombonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 35 : 31 « ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa« .  Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana

08/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . SLK . Toriteny

Toriteny an-kira nentin’ny tarika Laurent Rakotomamonjy, faha-15 taona SLK Ambavahadimitafo

Alahady 08 Mey 2022, alahady hitondrana am-bavaka ny SLK na Sampana Lehilahy Kristiana eo anivon’ny FJKM, ankalazana ny faha-15 taonan’ny SLK eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ny tarika Laurent Rakotomamonjy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny toriteny an-kira. Manasa anao hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

03/05/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Randrianarisoa Alain . Toriteny

Alahady fanokafana ny faha-25 taona nitandremana

Alahady 02 mey 2022 hibanjinan’ny FJKM ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe « Manavao ny Fanahy Masina« ; nanokafana ihany koa ny Jobily faha-25 taona nitandreman »ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. Ny teny anorenana ny jobily dia ny Salamo 111 : 1b « Haleloia ! Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehatra aho ». Manasa antsika hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :