FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny hevitry ny ntaolo ny amin'ny fiainan-tsihita (4)

Ny hevitry ny ntaolo ny amin'ny fiainan-tsihita (4)

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

4. Nino izy fa ny fanahinny maty dia mety miraharaha aminny velona.

(a) Ny maty dia miresaka aminny velona. Izay sendra nanonofy ny maty dia milaza hoe : « tonga tamiko, Ranona, ka izao sy izao no teniny. » ‘Manavina’, ‘tonga’, ‘avy’, ‘miseho’, ‘manindry’, etc. dia samy ilazany ny maty toy izany. Saiky izao resaka fanao amin’ny velona izao no ambarany fa resahina amin’izany. Tsy amin’ny nofy ihany anefa, no ninoany ny maty ho miseho fa tamin’ny fahitana koa. Mbola maharitra mandrak’ankehitriny izany finoana izany.

(b) Ny maty dia manan-kery aminny velona. Manan-kery hitahy sy hanome zava-tsoa ny maty. Saiky ny fivavahana rehetra dia nampiarahina tamin’ny razana avokoa. « hotahin’Andriamanitra sy ny razana anie hianao. » « Eny, ry razana ato avara-trano (na atsinanan-tanàna etc.), tahio andro e, tahio alina. »

Na tao aza ny finoany an’Andriamanitra ho mpanome zava-tsoa dia ninoany fa manome zava-tsoa koa ny maty. Tena fanao ny mangataka zaza tamin’ny razana. (… ). Indraindray dia asainy homan-javatra toy ny voasary, na tantely, etc. dia hanjary zaza iny. Noheveriny fa manome harena koa ny maty. Nataony fa mampitombo ny eo am-pelatanana izy na manome harena vaovao mihitsy.

Ny ankabeazan’ny soa dia ninoany fa nomen’ny razana. Noho izany dia nanatitra zavatra ho azy izy. Namono akoho, ondry, teny amin’ny fasana izy. Nateriny teny koa ny trafon-kena, voankazo, rano madio, tantely, vola, paraky, zava-maneno, etc. Koa ny razana tsy mba namaly vavaka dia nataony fa ratsy, ka hoy izy : « Ny tenda toy ny razan-dratsy, omem-be tsy mitahy; omen-kely manome tsiny.«  « Mitomoe-poana hoatry ny ny razam-be tsy mitahy. » Raha noheveriny ho tezitra koa ny razana dia nanatitra izy.

Ninoany ho mahatonga loza sy maka ny velona koa ny maty. Ny harena rava tampotampoka dia nataony hoe voatsinin’ny razana. Ny faty antoka tonga, ny biby ompiana maty, ny tena farofirofy, ny tsy mahazo zaza matetika dia nataony fa voatsiny avokoa. Raha sendra nisy aretina mandripaka dia nataony fa ny « lolo » no nahatonga izany.

Rehefa ny marary no manonofy ny maty matetika, dia lazainy fa tonga haka azy izy. Ny tompon-kavana dia nitomany hoe : « Alao aho, Ranona ô. » izay maty taoriana kelin’ny havany vao maty dia natao hoe nalainy.

Noho izany, dia natahorany ny hoe ‘lolo’, ‘angatra’, etc.

Ninoany koa fa manao afo ny matoatoa. Koa ny afo tamin’ny nahafatesan-dRanavalona I, nanodidina an’Antananarivo, dia ambaran’ny maro fa afo-matoatoa. Izay mba te-haka afo tamin’ny maty anefa dia nataony fa tsy mahazo, ka hoy izy : « Manao kitoatoa hoatra ny maka afo amin’ny maty. » Asa, na ny maty no tsy mety mizara, na tsy mahay manome, na ny afony kosa no tsy azon’ny velona anaovana.

5. Nino izy fa misy fahafatesana faharoa.

Hoy angaha ny sasany : Iza no nampianatra azy izany? Finoana Kristiana izany. Marina fa taty aoriana ela vao tonga ny Filazantsara. Kanefa tsinjony fa misy fahafatesana faharoa. Hoy ny fiteniny : « Aza miringiringy ny fitondrantena fa ny maty indray mandeha leo ihany ; fa ny fanindroany no tsy tanty. » Ny fahafatesana indray mandeha dia ny an’ny nofo ; ary ny fanindroany dia ny an’ny fanahy. Araka ny efa voalaza dia fantany fa na maty aza ny tena ny fanahy kosa mbola velona : kanefa raha ratsy ny fitondrantena dia mety maty indray izy. Koa ny heviny amin’ity ohabolana ity dia toy ny manao hoe : Tandremo fa ny maty nofo leo ihany, fa ny maty fanahy no tsy zaka. Rehefa nahazatra azy anefa izany dia nampiasainy tamin’ny zavatra niseho an-davanandro, toy ny fatiantoka indroa nifanesy, na fahavoazana indroa tamin’ny loka, na sazy nataon’ny lehibe, etc., koa ny hevitry ny hoe, maty‘ dia mety ho ‘voa‘ koa. Ary tonga namany ny teny hoe : « Indroa maty toa vary rahana ; » « Indroa mahita ny maizina toy ny tain’omby atsentsin-davaka. »

Tsy maintsy ambara eto anefa, fa tsy tratry ny sainy velively akory izay helo, na fijalian’ny fanahy ambaran’ny Baiboly. Izao ihany no fantany : « Raha tsara tety dia ho tsara any ; raha ratsy tety dia ho faty koa any. Ny fiverenan’ny tody dia tsy mba milaza ny fahafatesan’ny fanahy tsy akory, fa valiny mihatra amin’ny nofo ihany na dia amin’ny taranaka aza vao mipoitra.

Izany no finoan’ny Ntaolo Hova ny amin’ny fiainan-tsi-hita ; kanefa mety raha misy teny indraim-bava izay mba hevitra iombonan’ny Malagasy amin’ity nosy ity. Betsaka ireo firenena ireo, nefa misy fototra iraisan’izy rehetra izay saiky mitovy amin’ny finoan’ny Hova. Izao no izy : – Ny fanahin’ny maty dia velona mihitsy. Manan-kery izany fanahy izany. Koa ny maty dia mendrika hohajaina indrindra, hamonoana omby, haterana fanatitra, hotolorana sakafo amin’ny toerana voatokana, hangatahina hitahy sy hiaro amin’ny loza, etc. Izany hevitra izany dia iombonan’ny firenena rehetra ivelan’Imerina na dia tsy mifanakaiky aza izy ; ary izy rehetra dia saiky mbola mitana izany mandraka ankehitriny.

Izany rehetra izany no finoan’ny Ntaolo Malagasy ny amin’ny fiainan-tsi-hita. Fa inona moa no vokatr’izao? Nahatonga inona avy izao finoana izao?

1. Nahatonga azy ho mora mionona aminny fahoriana izany. Efa nino an’Andriamanitra rahateo izy,

ka nanaiky ny fitondrany ; nefa ny fiheverany fa valin’ny natao izay mihatra dia nampionona azy.

2. Nahatonga azy hanao ny marina izany. Ny finoany fa mbola hanaraka any Ambondrombe izay natao taty, sady mbola haseho koa ny tody, dia nahatonga azy hanao ny marina. Noho izany, halany ny halatra, ka na dia ny tain’omby eny an-tsaha efa nisy namadika aza tsy nisy sahy naka. Tsy tiany mainty ny mangalatra am-bava mitady hiharaka na hitoroka foana. Ary halany mafy koa ny lainga, fa nataony ho ratsy noho ny mosavy aza.

3. Ary indray, nahatonga azy hazoto taminny fitadiavan-karena izany. Isan’ny nampahazoto azy hihary ny holanina amin’ny maty. Nampilofo azy ny hanao « haren-kita fasana. » Nolatsainy ny kamo, fa noderainy ny mazoto. Koa dia nikely aina tamin’ny asa sy ny taozavatra ary ny varotra sy ny fiompiana izy.

4. Tsy izany ihany, fa nahatonga ny Malagasy taranany ho diso hevitra izany. Amin’ireny finoana ireny dia maro no mbola tananan’ny Malagasy mandrak’ankehitriny, Mbola be ny farasisan’ny maizina. Izany no isan’ny mahasarotra ny fampandrosoana ny Filazantsara amin’ity tany ity.

5. Nefa mahatonga ny Malagasy ho mora nandray ny Baiboly koa izany. Ny foto-javatra sasany ao amin’ny Baiboly dia efa tao amin’ny razana rahateo. Ny tahotra an’Andriamanitra, ny fiandrasana Azy ; ny fanaovan-tsoa, ny fandraisam-baliny araka ny natao, ny fibebahana, ny tokony tsy hanaovana ny zava-dratsy rehetra, etc. Ireny rehetra ireny dia efa tao am-pony ka nahamora ny fandraisan’ny Malagasy ny Baiboly.

Enga anie ny fandrenesana ny finoan’ny razantsika mba hisy fianarana ho antsika : ny ratsy hialana, ny tsara hifikirana.

Rainizafy, Mpitandrina
Namehana 1910


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «