FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny hevitry ny Ntaolo ny amin'ny fiainan-tsihita (3)

Ny hevitry ny Ntaolo ny amin'ny fiainan-tsihita (3)

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

3. Nino izy fa ny fanahy dia manana fitoerana.

Ny Ntaolo dia tsy nahatakatra velively izay fiainana ambaran’ny Filazantsara. Ninoany anefa fa manan-toerana ny fanahy.

(a) Mandehandeha eny rehetra eny. Rehefa akaiky ny andro hahafatesan’Andrianampoinimerina, dia hoy izy : « Hody any an-danitra aho » (tsy toy ny finoan’ny kristiana anefa izany). « Ny nofo no hilevina ; fa ny fanahiko dia mbola hitoetra aminareo sy Idama ihany. Tsy aiza aho fa hibitsibitsika azy eny ho eny ihany » (Vakio Job. xix. 26 ; Mpit. T. xii. 7).

Raha namadika ny ntaolo dia izao no fanaony : Iny hariva mialoha ny hamongarana ny faty, dia misy manatona ny fasana misy azy ka miantso eo. Tononiny tsirairay ny anaran’ny maty ka hoy izy : -« Modia hianao, Ranona, fa hifindra trano ka hody eny Ananona (mantsy ilay fasana vaovao). Na aiza na aiza nalehanareo, modia anio fa hiainga rahampitso maraina. » Ny maty tany ambany ho entina miakatra koa dia nataony toy izany. Dia ninoany fa mandehandeha ety ny fanahin’ny maty.

Nefa,

(b) Miangona na mitoetra any Ambondrombe. Misy toerana voafetra kokoa anefa nataony ho fotoerana dia ny fasana, tanàna na trano foana, tendrombohitra, lohasaha, any an-efitra, etc. Raha trano misy olona dia nataony fa teo anjoro-firarazana no fipetrahan’Andriamanitra sy ny razana.

Tany Ambondrombe anefa no nataony ho foto-beny. Ambondrombe na Iratra dia tendrombohitra malaza any amin’ny Tanala. Fadin’ny tompon-tany izy (araka ny fombany be fady) ka tsy misy sahy mitoetra ao. Voasarona ala matevina izy ka sarotra iakarana. Mahagaga, hono, fa any an-tampony dia misy feo mirohondrona toy ny tafondro mipoaka, fitrenan’omby, fibarareokan’ondry, poa-basy, mozika, hira, amponga, etc., kanefa tamin’ny taona 1882 Mr. Shaw misionera dia niakatra tao. Hitany fa ity tendrombohitra ity dia misy tendrony dimy na enina ka elanelanin’ny lohasaha lalina. Koa ny fianjerazeran’ny rano amin’ny hantsam-bato lalina, sy ny rivotra mifofofofo amin’ny ala no mahatonga izany feo izany. Nitatra ny ‘hono’, ka ny Hova no nino hoe, avelo izany.

Lavitra avy aty Imerina Ambondrombe, ka ny fanahy dia noheverin’ny ntaolo fa tsy nahatratra indray andro tany. Very anelanelany tamin’ny fifaliana izay sendra maty tamin’ny Fandrosoana. « Rafotsibe maty andro nandroana : ka tsy momba ny aty, tsy momba ny any Ambondrombe. »

Ny any aminny fiainan-tsi-hita anefa dia nataony fa tohinizao fiainana izao ihany. Toy izao : Raha mpanan-karena tety dia mbola mpanan-karena ihany any. Izay mahantra dia mbola hahantra ihany. Ny mpanjaka dia ho mpanjaka, izay andevo dia ho andevo ihany ; etc. Arakaraka ny lany nenti-nanana ny maty no ho foto-pifaliany na fahoriany any. Izany no nahatonga azy « hanao afana » sy hamono omby amin’ny maty. Raha omby folo no vonoina dia folo koa no ombiny rehefa any. Raha 5 aty dia 5 koa any. Nanjary finoan’ny Malagasy taty aoriana koa anefa izany.

Nisy, hono, lehilahy anankiray nampamono omby telopolo, fa te-hahazo toky ny amin’izay ho fananany rehefa maty. « Mbola tsy maty hianao, hoy ny Kristiana anankiray, « ka iza no hiandry ny ombinao? » – « Manana andevo telo efa maty aho, » hoy izy, « ka ireo no hiandry azy. » Mahagaga anefa fa ny hena lanin’ny velona, fa ny ambiroan’omby koa angaha no heveriny amin’izany. Omby ihany no saiky fanao amin’ny maty ; tsy firy no namono ondry, fa sarotra roahina hono, ka halan’ny matoatoa. Ny henany kosa nefa tiany.

Norarany ny manjai-borodamba alina, sao misingo-borodamba koa, hono, any. Soloany lamba hafa faingana izay miala aina, fa sao mitafy lamba nenti-narary, hono, any. Ny firavaka sy ny fanaka sasany dia niara-nalevina tamin’ny maty tao am-pasana mba hampiadana azy hono. Tao amin’ny tranomanaran-drizareo andriana dia nasiana saiky ny fanaka rehetra momba ny tokan-trano.

Noheveriny fa mifankahita tsara ny mpihavana any ; noho izany, dia nataony iray fonosana izy.

(hitohy)

Rainizafy, Mpitandrina
Namehana 1910


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.