FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny fanao tsy ara-panahy tafiditra ao amin'ny fiangonana (part 2)

Ny fanao tsy ara-panahy tafiditra ao amin'ny fiangonana (part 2)

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

II. Ny mamela ny olona tsy manana fahalalàna handidy sy hizakazaka ary hanapatakapa ny fiangonana

Ny fiangonana dia mba mandroso ho amin’ny fomba tsara, araka ny fandrosoan’ny olona amin’ny civilisation sy ny fomba tsara ary ny lamody vaovao sy ny fomba ambony. Ny trano fiangonana tety tamin’ny voalohany, dia hosy feta faham-bainga, sy trano tany tafo herana, ary trano tsikoitra tafo bozaka ; dia nandroso nihatsara, ka natao trano biriky tanimanga ivelany – tena fomba tsara io.

Hoy ilay vao nanova haingakaingana izao, nefa mbola trano mafy ny azy ka noravany, hoe : Tsy hita izay mba anarana hilazana ity tranonay ity (araka ny tenin’ny mpitoriteny, fa lalotra tany mena izy). Hatao hoe lambamena izy, fifonosan’ny maty izany ; ary hatao hoe menalamba, anaram-pahavalo izany ; ka dia hany hery noravana na dia mbola mafy aza, ka nosoloana biriky tanimanga ivelany, sady nohalehibeaziny – vita tsara dia tsara io trano io izao.

Manarakarak’izany, dia samy nanao trano avo indray. Fa raha trano fiangonana tsy misy trano avo, ary église tsy misy tilikambo, dia trano vavy ; ka toy ny « trano be tapa-tandroka, ka laza taloha no sisa. Ary dia nividy lakolosy daholo indray, fa efa tsy hita izay nanjavonan’ny anjombon-tSakalava. Ary dia samy manana harmonia indray, mba hahatanteraka ny teny ao amin’ny Salamo hoe :

« Haleloia, miderà an’i Jehovah amin’ny zava-maneno tendrena » (Sal. 150,4)

Fandrosoana tsara avokoa ireo. Fa ny lamody fantaisie tsara indrindra sy ambony karazana, dia ny mahazo mpitandrina vita fianarana avy amin’ny Kolejy, ka velomina tsara, sady tsy saro-bidy loatra, hoatra ny vidim-bary atsy Isotry, fa tena bon marché, fa raha 250 fr. isan-taona dia mahazo azy ; ka na dia izay fiangonana kely indrindra aza dia mahazo izany, raha manao vokatra isan-taona.

Koa ny fiangonana rehetra izao dia samy maniry ny hahazo tahaka ireny avokoa ; fa izay fiangonana badolahy indrindra angaha no tsy mieritreritra haka Kolejy, fa finaritra hipetraka amin’ny ampahadimin’ny evanjelistra iray. « Raha aleoko maditra tsy hanana, toy izay halemy fanahy hanana ilany. »

Ary mba fiangaviana ataonay aminareo Misionera. Raha misy lahy amin’ireo Evanjelistrareo ireo, izay mahay sy mazoto ary tsara fanahy, ka mahavita raharaha be, ka voafidinay ho mpitandrina, aza hazonina, fa mba alefao, fa mampianara indray ianareo ny vaovao hisolo ny lasa, fa ao aminareo no fototry ny fahendrena.

« Loharano velona hianareo, ka tsy mitsaha-miboiboika ; ary fia-pary lava, ka tsy lany hamamiana, fa betsaka ireo ny mpianatrareo ho dimbin’ny lasa. Koa izay efa misy mpifidy dia ataovy tsara tso-drano, fa Ambatomanga tsy lany manga ; ary Ambohipotsy dia aoka fotsiny!

Kanefa, aleo tsy maka mpitandrina vita fianarana, toy izay mahazo kolejy tsy misy hazondamosina, izay tsy mahajoro amin’ny raharaha tsara efa nianarany, fa matin-kenamaso amin’ireo olona ambony toetra sy mahay miteny ary manan-kaja araka ny nofo, nefa tsy manam-pahaizana ; fa ampitahorin’ny sasany izy, sady mangorohoro tena, ka ilazan’ny sakaizany hoe : « Tandremo ny ataonao, fa olona maro fianakaviana iny, ka raha iny no setrasetrain-teny, andrao mahatonga tabataba.

Ary indray , ampitahoriny hoe : « Lehilahy manan-karena io, ka manan-javatra hanambatambazany olona, ka raha ireny no tsy arahin-teny, tratry ny manodim-bahoaka izy ka miala tampoka amin’ny raharahanao hianao. »

Ary tsahoiny hoe : « Olona be fisy ireo, ka fototry ny fandoavam-bolan’ny fiangonana, ka raha ireny no pohin-tandroka, tonga pasteur very kabaka hianao, ka maina ny vilany nongo »
Amin’izay dia mandefi-mahitsy eo ka manjary kiady fa tsy tompon’ny saha; « mpiandry omby vola vita, ka tsy tompony fa mpamerin-doha; » ka dia « mipetra-poana hoatra ny lamban’ny mpiasa. »

Ary amin’izay ny raharaham-piangonana dia iliban’ny olona tsy manam-pahalalana sady tsy mahay na inona na inona ; fa iroa ilay Kolejy dia miforitra foana hoatra ny sokina voatohina. Efa nisy resy an-tosika izao ka nifindra postra.
Hevero fa olona tsy nianatra théologie ireo, nefa mitady handahatra foto-pinoana ; tsy mahay retorika izy, nefa mitady ho mpitsara laha-teny ; tsy mahalala homiletique akory, nefa mitady ho mpanisy sermona ; tsy mahay commentaire, nefa mitady ho mpanao fitsipiky ny Soratra Masina.

Varotra sy fambolena no hainy, ary fandrantoana sy économie politique (fampitomboan-karena) no manavanana azy ; fa raha ny zava-panahy araka ny Soratra Masina, tsy hainy velively. Koa aoka ny tahaka ireny tsy havela hanapatapaka ny fiangonana.

Ny ankabeazan’ny olona dia tia fiamboniana. Kanefa, aoka izay efa nahazo ny Diplôme-n’ny Dokotera ihany no hizaha ny marary ; ary izay efa nianatra tamin’ny Ecole Militaire ihany no handray ny galonan’ny officiers ; fa izay matahotra osi-lahy tsy tokony haniry ny voninahitry ny Généraly. Ary toy izany koa, izay mahatapitra ny fianarana efa-taona no tokony harahin-teny hifanaraka amin’ny Soratra Masina efa nianarany. Kanefa kosa, tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry » (1 Pet. 5,3).

Aoka tsy hihevitra fiambonian’olona araka ny nofo isika amin’ny fanaovana raharaham-piangonana, fa tsy ara-panahy izany ; fa hoy Paoly Apostoly :

« Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy ny olona mahery, tsy firy no avo razana ; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery ; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. »

Marina ny tenin’i Paoly : « Fa raha mpanjaka no mpitandrina, ary Premier Ministre no diakona ; ary Andriambaventy no mpitoriteny ; ka Amboninjato ny sekretera, dia ireny olona efa hajaina araka ny nofo rahateo no mpitondra fiangonana, dia tsy hisy intsony ny zavatra ara-panahy, fa hanjary fifehezana araka ny nofo kosa.

Fa tsy izany ; fa Andriamanitra efa nifidy ny olona ambany voninahitra sy malahelo sy ny Hovavao ary ny Sakalava, dia ireo olona tsy manan-kaja sy tsy misy ahatahorana akory, raha ny nofo no heverina ; fa noho izy manana ny Fanahin’i Kristy ao anatiny, ka nahazo ny fahendrena avy any ambony, ary vita fanomanana tao amin’ny fianarana ambony, ka dia tsy ny nofony no mirehareha. Fa hoy ny Episitily : « Tsy avy amin’ny nofo no fiadian’ny tafikay, fa ampaherezin’Andriamanitra izahay handrava ny fiarovana mafy. » Ary hoy Jesosy Kristy Tompo :

« Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao izany tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika ; eny Raiko, fa izany no sitraponao » (Liok. 10,21).

Ry mpiasan’Andriamanitra ô, mijoroa amin’ny raharahanao, ka aza matahotra izay mba ho reraka amin’ny fanaovana ny marina ; fa raiso ho tokintsika ny tenin’i Habakoka hoe :

« Na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka ; na dia mahadiso fanantenana ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha. Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. Jehovah Tompo no anjarako » (Habak. 3,17-19).

Ary na ho voky na ho noana, dia tsy handa ny fanompoana nanendrena anao, ka hamela izany ho zakain’ny hafa.

« Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo » (1 Kor. 15,58).

(hitohy)

RAMBELO,
Mpitandrina ao Anosipatrana 18 Octobre, 1917


Lire aussi

10/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Ho avy Jesoa ka mamerina ny olona ho @ fahalalàna marina ny Soratra Masina

Alahady 10 desambra, natokana hitondrana am-bavaka ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra (STA), mbola andinihina ny lohahevitra @ity volana ity manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy », nitondran’ny Prezida Synodaly Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, ny mpitandrina ALIOLIHARIMANARIVO Mahabo Saotra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21 : 15-17 « 15Fa nony hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dàlana ny zavatra mahagaga izay nataony sy

03/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Advento 2023 : Ny olona voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay

Alahady 03 desambra 2023, taom-baovaon’ny fiangonana, Advento, nitondrana am-bavaka ny Sampana Dorkasy, ka andinihina lohahevitra vaovao @ity volana desambra ity eto anivon’ny FJKM manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« . Ny tenin’Andriamanitra notoriana tamin’ity alahadin’ny Advento ity dia araka ny Asan’ny Apostoly 13 : 43-48 « 43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,