FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny fanao tsy ara-panahy tafiditra ao amin'ny fiangonana (fiz. 1)

Ny fanao tsy ara-panahy tafiditra ao amin'ny fiangonana (fiz. 1)

Publié le 15 novembre 2008 à 12:11

I. NY ADI-LAHY MAHATONGA FITOKOANA.
Ny adim-piangonana, izay miseho indraindray, dia tena zavatra tsy ara-panahy, fa zavatra araka ny nofo kosa. Fa hoy Paoly : « Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao : Fandrafiana (fankahalana namana an-tsaina) ; « fifandirana » (ady efa rafïtra nefa mbola moramora) ; adilahy (ady vokatry ny fitiavan-tena sy fïlam-boninahitra), « afonafona » (hatezerana tsy azo akekena) ; « fifampiandaniana » (samy momba ny namany), « fisarahana sy fîtokoana » (mivaky roa na telo ny Fiangonana).

Ny mahatonga ireny dia noho ny olona samy hafa saina tafavitrana ho iray toerana ; noho ny tsy mino tafaray amin’ny Fiangonana ; noho ny mpiangona be nahoana be ihany ka tafaray, ny olona avy amin’ny quartiers samy hafa ; koa amin’ireo tanàna samy hafa ireo sy ny fianakaviana tsirairay dia samy misy mpitariky ny tanàna izay eken-teny sy lohan’ny fianakaviana izay to teny, satria voninahitr’izy mianakavy sady iankinan’ny fiveloman’ny be sy ny maro aminy.

Koa nony mihevitra ao amin’ny Fiangonana ireny, dia tsy mihevitra izay tena hahasoa ny Fiangonana izy, fa izay hahatanteraka ny heviny ihany no kendreny. Ary ireo fianakaviany sy iray monina aminy dia manaraka ny azy koa, ka velona ny adi-lahy hoe : « Na dia ho tonga amin’ny Tribunal aza, tsy ekenay raha tsy manaiky izao hevitray izao. » Ka dia « rafïtra tsy satry hoatra ny ombilahy mifanena an-katerena. » Dia foana ny Majorité (tsangan-tanana lanin’ny be sy ny maro), izay fomba fïtondrana ny Fiangonana ara-panahy, fa ny adin’ny nofo no miseho ho fîtabatabana amin’ny tranon’Andriamanitra.

 

Ary koa, ny fototr’izay mahatonga io adim-piangonana io indrindra, dia hevitra sy tetika avy amin’ny devoly. Tsy zakany ny mahita ny filaminana sy ny fandrosoan’ny Fiangonana. Hanao ahoana ary ny fandroson’ny Fiangonana raha izao Kristiana miaramilan’i Kristy efa voaomana sy voalahatra tsara izao no samy mioman-kampandroso ny raharaha antonona azy avy, ka miomana handray ny baiko tokoa avy amin’ny Kapitenin’ny famonjena hoe : « Reraiky takopinadrara, en avant, marche, faoany, » ka samy hanatontosa ny anjarany amin’izay, « ny Misionera mitarika fatratra ; ny visite pastorale tsy an-kijanona ; ny sermona vokatry ny fo mafana, torina na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana ; » ny mpandray rehetra mazoto mitaona namana ; ary ny Kristiana Tanora manao izay ho vitany! Vetivety foana dia ho tafiditra ao amin’ny valan’ondrin’i Kristy ny olona rehetra amin’ity – nosy ity, ka hotarihan’Ilay Mpiandry Tsara ao amin’ny rano velona misy ahi-maitso sy to-kazo fialan-tsasatra.

Ka nony efa vonon-kandroso toy izany ny Fiangonana, dia tsipazan’i Satana adi-lahy sy fifandirana kosa, ka dia tsy misy mahahevitra ny fandrosoana intsony, fa ny ady amin’ny namana no atrehina ; ka izay hahavoa sy haharesy lahatra azy no eritreretina. Ka dia miato hatreo aloha ny fandrosoana ara-panahy.

Fanoharana : Nanao komity, hono, ny devoly tany amin’ny helo, nihevitra izay tany handefasana miaramila mahay sy ny fiadiana ho entiny. Dia nitsangana, hono ity tovolahin-devoly anankiray ka nanao hoe : « Tsy dia malady ofana toa amalon-kely aho, na mateti-pihavy toa sotro kely, fa ny mahitsy tsy aritra, ary ny rariny tsy enti-mandefitra. Koa hialoha-teny anareo rehetra, ka aza tsiny, aza fondro. Koa raha mihevitra izay tany handefasana miaramila mahay isika, dia any amin’ny Bara sy ny Sakalava ary ny Tsimihety sy ny Bezanozano no andefaso izay mpitari-tafika mahay indrindra, ka ataovy marobe ny miaramila sahy ho entiny ; fa mihetsiketsika izao ny Isan-Enim-Bolan’Imerina handefa olona ho any an-indran-tany, ka andrao dia lasa ho vahoak’i Imanoely ny olontsika any! » Dia nanao teny Frantsay, hono, izy hoe : « Vite! Vite! »

Dia namaly, hono, Satana ka nanao hoe : ‘Tena sain-jaza maroroka mihitsy izany sainao izany, ry Ikoto ! Raha ny amin’ny Tanindrana, dia mbola manjaka fatratra any ny ody sy ny fomban-drazana ratsy, ary mbola tsara ny fanaikiny antsika, ka tsy ho azony hotaomina velively. Ary koa, tsy ampy vola handefasana evanjelistra izy, ka tsy misy evanjelistra afa-tsy iray amin’ny olona 40,000 ; ary tsy misy Misionera iray akory any Besalampy. Ka rahoviana izy no hahazo izay olona any ambany ravin-kazo! Fa any anatin’Imerina, dia an-Tananarive sy ny commune ary ny provinces sy ny districts samy hafa, izay miray Isan-Enim-Bolana, no andefaso izay devoly mahay indrindra.

Fa fahavaloko ny Misionera any sady betsaka izy, fa Misiona 5 toko ary 6 mbamin’ny Katolika ; ary rafilahiko ny Mpitandrina any, fa mazoto mitory an’i Kristy ; ary halako ny mpitoriteny sy ny diakona, fa loza loatra raha hitaona olona ho zoto Fiangonana ; ary mahadikidiky ahy ireo mpandray Fanasan’ny Tompo, fa mazoto miangona loatra ; ary ny ankizy madinika ao aminy avy no tsy mety varian-daolao, fa manao Kristiana Tanora, Sekoly Alahady. Koa any no andefaso izay devoly mahay indrindra. » Koa dia aty amintsika aty Imerina izao, tompokolahy, no tetehin’ny devoly hasiana fatratra.

Ary dia noheveriny indray, hono, izay fiadiana ho entiny. Dia nitsangana, hono, ny demonia anankiray, nanao hoe : « fisotroan-toaka, fijejojejoana, fitondrantena maloto, fanaovana an’Andriamanitra tsy hisy; no fiadiana tsara halefa any ; fa raha voan’ireo izy, dia tafasaraka amin’i Kristy Tompony ka lasa ho babontsika. »Dia novalian’i Belzaboba kosa, hono, hoe : « Tsy mba mahavoa ny jeneraliny izany, fa ny vata-miaramila no azony, izany hoe, tsy mahazo ny mpitarika azy (loha-fiangonana) ; fa ny zatovo lahy barabara saina no lavon’izany.

Fa ny « adi-lahy, » ny « fifandirana, » ny « fialonana » no fiadiana mahavoa azy. Tsy mba mahazo ny sarambaben’ny kintana ireo, fa ny telonohorefy ao aminy no ho voany. » Izany hoe : Tsy mba mahazo ny ankabeazambem-piangonana ireo, fa ny mpitondra ihany no asiany, fa ao no be ny « miady ho lohany hoatra ny totovary lena, » ary ny manao toy ny « tsinombina anaty katsaka, ka izay mitranga iray; babany avokoa. » Koa aoka ny mpitarika azy no hasiana mafy : fa ny miaramila 80 lahy maty kapiteny dia tsy mahaleo ny 50 lahy tsara mpifehy. Koa izany no mahatonga ny adi-lahy sy ny fialonana, izay zavatra tsy ara-panahy tafiditra ao amin’ny Fiangonana.

Nisy fanjakana roa lehibe niady, hono, fahiny. Samy voalamina tsara amin’ny fiadiana, hono, izy, ary voakendry tsara ny tobiny. Fa amin’ny sehatra voalohany, dia voalahatra ny tafondro vaventy, ary amin’ny laharana manarakaraka, dia indreo indray ny tafondro marovavâ ; ary ny basy karabina dia samy voafahana eny an-tanan’ny miaramila ; ny katirijy ampy hiadiany hefarana dia efa voafehy any amin’ny valahany ; ny rano hosotroina hatramin’ny indroa andro sy ny biscuits de guerre dia efa samy voasampy amin’ny barda sy tonga ao amin’ny bidon.

Ary eo ivelan’ny toby indray ny mandry tsy aman’afo, dia mandehandeha tsy mijanona ; ary ny sentinelles mpitily dia lasa lavitra any akaikikaikin’ny fahavalo ; ary eo anelanelan’ireo sy ny toby lehibe indray dia misy postes sy antily miady. Ka raha vao mipoa-basy tokana ny mandry tsy aman’afo, dia mioman-kiady ireo, ary taitra ny ary amin’ny toby lehibe, ka dia tsy azon’ny fahavalo tampohina velively.

Nanaovan’ny ankilany hevitra kosa, hono, ka nandefasany zazakely roa lahy nitondra mofo sy sosisy iray sobiky avy hamidy. Kanjo ao ambanin’ny mofo misy langoraony iray avy. Dia nandeha teny amin’ny arabe ireo zazalahy ireo niantso hoe : « Mofo, kafe, sosisy. » Dia nividy ny olona fa tsy nisy nanana eritreritra. Dia namitsaka tany ho any ireo zazalahy ireo ; ka nony alina ny andro, dia nankeo ampovoan’ny. toby izy roa lahy ka noveleziny ny langoraony, sady niantso hoe izy : Asio! Asio! Taitra ny miaramila lafiny efatra, fa nataony ho efa tonga ao ampovoan’ny toby ny fahavalo, ka izy samy izy ihany no nifampitifïtra. Ka nony maraina ny andro, dia hita fa tsy nisy fahavalo maty tao, fa izy iray toko ihany no nifamely. Ka dia niakatra tsimoramora ny fahavalo, ary resy mora foana izany tafika efa voalamina tsara izany.

Ary tahaka izany koa amin’ny Fiangonana : Toby lehibe miady amin’ny devoly fahavalo isika Kristiana ; tafondro vaventy ny Baiboly, mitrailleuses ny Filazantsara ; basy karabina ny Fihirana ; sentinelles ny diakona ; lehiben’ny tafika ny Misionera sy ny Evanjelistra ; llaikely nitondra langoraony ireo tia adi-lahy sy mpifanditra. Ka nony velona ao am-piangonana ny feo hafahafa sy ny langoraony velona alina; dia izy iray trano ihany no mifampitomboka sy mifandramatra. Ka amin’izany dia babon’ny devoly moramora foana ka manjary misaraka roa aman-telo ny Fiangonana.
Ny valala raha voasambotra ka zairina ao anatin’ny sony, na ny sobika, ka raha miray hina izy rehetra hiara-manaikitra ireo harona ireo, dia ho potika vetivety foana ny sobiky. Fa tsy izany no ataony; fa mifanipaka be ihany izy ao an-karona, ka dia tsy misy afaka, ka ataon’ny olona indray mandrotsaka ao amin’ny vilany fitanehana.

Ary tahaka izany koa amin’ny Fiangonana., Isika rehetra izao dia tadiavin’ny devoly hatao indray manjaitra amin’ny sobikin’ny fahotana sy ny sonian-keloka, ka raha miray hina isika rehetra hanaikitra ny kofehy hamatorany antsika, dia ho afaka moramora isika. Fa tsy izany no ataontsîka, fa « mifanipaka hoatra ny valala an-karona ; » ka dia ataon’ny devoly horon’ondry ao anatin’ny sompotry ny fahaverezana, ka ataony indray mandrotsaka ao amin’ny vilaniben’ny Gehena mirehitra afo, dia ilay farihy mirehitra afo sy solifara izay fahafatesana faharoa.
« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra,. fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakàny ny endriky ny mpanompo » (Filip. 2:3-4). Fanentren-tena lehibe izany an’ny Tompo izany, ka aoka koa isika mba hanana fanentren-tena tahaka Azy. « Samy hanao ny namany mihoatra noho ny tenany » (Filip. 2:3-4). Raha izany no atao, dia tsy hisy intsony adilahy. Fa raha izaho manaiky anao ho mahay sy hendry sy ho tsara noho izaho, dia tsy hanohitra anao aho ; ary raha hianao kosa mihevitra ahy ho toy izany, dia tsy hanohitra ahy hianao.

Koa fanetren-tena ary no fanafodin’ny adi-lahy fanao tsy ara-panahy tafiditra ao amin’ny Fiangonana. « Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro » (1 Pet. 5:6). Ary koa raha irintsika ny tsy hisian’ny adi-lahy ao amin’ny Fiangonana, dia aoka isika hanana fandeferana sy fîaikena ny rariny, fa tsy hitompo amin’ny hevitsika, ka na dia efa tsy lanin’ny be sy ny maro aza, dia mbola hanao ditra ihany, ka hiteny henjana hoe : « Tsy hanaiky aho, raha tsy izao ahy izao no to sy tanteraka. »

Any an-dafy, hono, raha misy raharaha lehibe heverina, dia indraindray misy adi-hevitra mangotrakotraka ery amin’ny mpandaha-teny. Nefa nony efa avadibadika ny hevitra, ka hita ny rariny, ary atao ny tsangan-tanana, dia mamitsaka ny vitsy ka manaiky ny lanin’ny be sy ny maro. Fa amin’ny fiangonantsika eto Imerina, na dia efa hita aza ny rariny, ka atao ny tsangan-tanana, ny maditra sy ny be tohika dia mbola mihoby hoe : « Aleo maty reni-omby, toy izay resy tohika, » ka tsy mety mianina izy. Koa aoka mba ho latsaka ao am-pontsika ilay anatra mamy hoatra ny nataon’ Paoly Apostoly hoe : « Mifandefera ka mifamela heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo no mba hamelanareo heloka koa » (Kol. 3:14). Raha raisintsika izany anatra mahasoa izany, dia tsy hisy akory ny adi-lahy ao am-piangonana. »

(hitohy)

 


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «