FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny fanao tsy ara-panahy tafiditra ao am-piangonana (fizarana farany)

Ny fanao tsy ara-panahy tafiditra ao am-piangonana (fizarana farany)

Publié le 17 novembre 2008 à 12:11

IV. NY MPANDRAY FANASANNY TOMPO NEFA MBOLA MITOKY AMINNY SAMPY SY NY ODY, ETC.

Ny fanompoan-tsampy teto amin’ity tany ity dia nesorina an-keriny, fa lalàm-panjakana no nandrara azy, fa tsy ny fahalalan’ny olona ny maharatsy azy no nandoroany azy. Ka ny ody nariany aman-tahotra, nefa ny fony mbola tia azy, ka nampandrosoiny maizimaizina sy miafina tany ihany ; ka izao izy dia efa latsa-paka saiky manerana ny tany, ka indreny mitranga tsy aman-tahotra aman-kenatra.

Ny Misionera, ny Mpitandrina, sy ny Evanjelistra ary ny Mpitoriteny dia nihevitra azy ireo ho levona, ka tsy mba noheverina ho fahotana henjehina ; fa ny fitondran-tena maloto sy ny fisotroan-toaka, etc., no toriny matetika ; fa ny amin’ny fanompoan-tsampy kosa dia saiky tsy misy mpikasika akory. Ka dia injao izy mandroso, mandroso mangingina hoatra ny masirasira atao amin’ny koba.

Ny fanompoan-tsampy teto amintsika sy ny Egyptiana no isan’ny ambany karazana indrindra. Ny Babyloniana sy ny Persiana nivavaka tamin’ny masoandro sy ny volana ; ny Efesiana nivavaka tamin’i Diana ; ny tany Antiokan’i Pisidia nivavaka tamin’i Jopitera sy Merkory ; fa ny Egyptiana kosa nivavaka tamin’ny omby sy ny papango ary ny saka sy ny bibikely hoatra ny voangory ; ka nony nanafika azy ny miaramilan’ny Romana, dia nofatorany saka tsirairay avy teo amin’ny sandrin’ny miaramila, ary nasiany felana voangory ny handriny, ka dia tsy nisy sahy nitifitra azy ny miaramilan’ny Egyptiana ; fa hoy izy : Misy andriamanitra eny aminy; ka dia resy moramora ny tanàna.

Fa ny teto amintsika kosa dia tapakazo maina no nivavahana, dia ny raisonjo, ambolaza, senasena, alakamisy (hazo), etc. Nalainy ireny ka notohizany vakana sy nohosorany tseroka, ary nataony tao anatin’ny tandroka (mohara), ka dia nataony hoe : Ody havandra, ody basy, etc. Hita anefa ny tsy mahamarina ireo.

Ao amin’ny faritany sasany any ambanivohitra dia maro ny olona mbola mitoky amin’ny ody havandra, nefa ovany anarana ireny, ka dia ataony hoe « dokoteram-bary ». Izao no mampalahelo : Mpandray ny Fanasan’ny Tompo sasany amin’ireny olona matoky ody havandra ireny.

Iarahantsika mahalala anefa fa tena fitaka sy fisolokiana fotsin’izao ny ody havandra. Tao amin’ny faritany anankiray any Imamo nisy mpanao ody havandra efa-dahy. Nasain’izy ireo nandoa fahenim-bary isan-trano ny fokonolona ho azy mba hiarovany amin’ny havandra. Kanjo nony efa voarainy ny varim-bahoaka, dia nojinjainy avokoa ny azy nefa mbola manta hatoka ; ka nony nanontanian’ny olona izy hoe :

– « Nahoana re no jinjana manta ny varinareo ; nefa hianareo milaza ho mahay manohana ny havandra? »

– Dia novaliany hoe : « Sao sendra izay havandra tsy azo tohanana ka ». Koa hitantsika amin’izany, fa tena solokin’ny olom-petsy ratsy mihitsy ny ody havandra, ka aoka re ny mpandray mba tsy hisy hatokitoky foana ireny intsony.

Nisy lehilahy iray voatendry hanafika, ka nividy fanjambana izy, nomeny ariary telo ; ary nony tonga tao an-tranony izy, dia nasainy nivoaka ny tao an-tranony rehetra, dia nihosotra sy nihafana tao izy, ka dia namitsaka. Dia nasainy niditra tamin’izay ny olona, ka hoy izy : « Aiza aho izao? » Ary hoy ny vavy : « Iroa mamitsaka am-body sinibe iroa ». Dia nikiakiaka hoe izy : « Very foana lahy ny volako! »

Nisy koa andriandahy anankiray niady tamin’olona, izay noheverin’ny olona ho masin’ody. Ka nony tonga tany an-tranony io andriandahy io, nilazan’olona fanafodin-kibo ka nisotro, dia nandoa sy nivalana ka narary mafy. Dia taitra ny vahoaka ka nanao hoe :

– « Vonjeo fa novorehin-dRainitahaka Ingahy Andriana! »

Dia nafatotry ny vahoaka io lehilahy io ka nataony hoe :

– « Velomy Ingahy Andriana, fa vao niady tamin’ialahy teo ».

Mafy ny lalàm-panjakana tamin’izay, fa izay manao ody ratsy hamonoana andriana dia ao anatin’ny heloka 12 loha, « ka matinay ialahy raha maninomaninona ny Andriana ». Ary hoy ilay olona :

– « Tsy manana famonoana na famelomana aho ».

Dia nalain’ny vahoaka ny olona roa izay malaza tamin’ny mpanao ody vorika, ka nokaramaina ankevitry ny ariary fitopolo. Dia nifampiady hevitra teo izy roa ireo. Ny iray manao hoe :

– « Vorika ity », ary ny iray manao hoe : « Taratra », fa raha vao niady taminy, hoy izy, dia notarafin’ilay ratsy iroa. Dia nanaonao izay ho fanalany teo izy, ka nony tokony ho tamin’ny efatra ny famantaranandro, dia velona sy nahatsiaro fanahy ingahy Andriana. Fa ny ro sy ny ranom-bary moa dia nampisotroina azy lalandava. Dia hoy izy :

– « Maninona ireto vahoaka eran’ny trano sy ny tokotany? » Dia hoy ny vahoaka : « Novorehin-dRainitahaka hianao, ka nangalana an-dRazafimbola ». Ka hoy izy :

– « Nisotro voan-tanantanana aho, ka izany no nankarary ahy ». Dia nirava ny vahoaka sady ripaky ny hehy. Hitan’ny masoko io fony aho mbola zazalahy kely, ary isan’izay nahalalako ny fitaky ny mpanompo sampy. Ary ilay Ingahy Andriana izay tonga mpitandrina tamin’ny fiangonana lehibe iray taty aoriana.

Koa dia tsy mety ary ny manompo tompo roa, ka sady ho Kristiana no mpanompo sampy. « Ny siny hoditra tonta tsy azo asiana divay vaovao ». Tsy mety ny mampiharo ny tranon’Andriamanitra amin’ny tempolin’ny sampy ; ary mahadiso ny mampiray ny fanompoana an’i Kristy amin’i Belialy. Koa aza manao « boloky lahy homam-boatseva : fy ny atsy, mamy ny aroa » ; ary aza manao toy ny « sotroben-dRenitsiavango, ka sady fikapohan’alika no fangaroana anana ».

Izao ary no famaranana izay rehetra voalaza : Ataovy amim-pahendrena ny raharaham-piangonana rehetra mba tsy hitrangan’ny adi-lahy.

Aza entina an-kenamaso ny raharaham-piangonana, ka ny olona tsy mendrika no havela handidididy na hanjakazaka ny fiangonana, saingy olona ambony na mahamenamaso, na manankarena na maro fianakaviana izy.

Aoka tsy hatao sombalahivilana ny raharaham-pivavahana, ka aharoharo ao amin’ny fanambadiana ny fanandroana sy ny mariazy, fa aoka samy hisongadina ho azy.

Aoka hatao tsara tantavana mihitsy ny olona raisina ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, mba tsy hisy ho tafiditra izay mbola manaraka ny fanaon’izao tontolo izao, toy ny olona matoky sikidy, ody havandra, odiody isankarazany, mifady Alakaosy, etc.

Ary aoka izay Mpandray fantatra fa voan’ny fakam-panahy amin’ireny tsy hisoronana, fa hanarin’ny Mpitandrina sy ny Evanjelistra mangingina. Ary raha tsy mety miova, dia tokony hesorina amin’ny Fiangonana mihitsy, satria ny « masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra » (1 Kor.5,6).

Koa satria angamba tsy misy amintsika izay tsy fatra-paniry ny handrosoan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia aoka hikelezantsika aina fatratra ny hamongotra ireny fanao tsy mahamendrika irey ho afaka amin’ny fiangonana, satria ireny no toy ny vatolampy milafika sy tsilo mangeja misakantsakana ny fandrosoan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka raha tsy ireny no fongotra dia ho botribotry faniry izy. Nefa kosa raha fongotra ireny dia ho fatra-pitombo ny asan’ny Filazantsara, ka tsy ho ela dia ho henika azy Madagascar tontolo.

Koa raha misy manatona ny latabatry ny Tompo, ka mandray ny Sakramenta Masina, nefa nony mivoaka miray amin’ny mpanao dokoteram-bary ; mampiharo ny Masina sy ny fahavetavetana izany ary mampiray ny ara-panahy sy ny zavatra araka ny nofo, izay fomban’izao tontolo izao.

 

RAMBELO,
Mpitandrina ao Anosipatrana 18 Octobre, 1917


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «