FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny alahady 5 jolay 2020 izao ny Fetim-bokatra 2020

Ny alahady 5 jolay 2020 izao ny Fetim-bokatra 2020

Publié le 19 juin 2020 à 06:06

« Ary toy izany koa ianareo ; raha fatra-paniry ny zava-panahy , dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. » (I Kor 14 12)

Ho antsika mpianakavy amin’ny finoana eto Ambavahadimitafo sy ireo zanaka ampielezana rehetra.

Antony : Fetim-bokatra 2020

Ry havana, ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa.

Araka ny efa fantatsika dia amin’ny alahady 5 jolay 2020 izao ny Fetim-bokatra eto amintsika Ambavahadimitafo :
– Fotoana hitondrana am-bavaka ireo asan’Andriamanitra sahanin’ny Fiangonana.
– Fotoana ihany koa hiaonantsika nobeazina sy nandalo teto amin’ny Fiangonana, fa fotoana ihany koa hamoriana vola ho enti-manatanteraka ireo asan’ny Tompo (Anatiny sy ivelany) koa ny vinantsika miaraka amin’ny Tompo amin’ity taona ity dia 16.000.000Ar.

Koa manentana antsika rehetra, fa indrindra ianareo Zanaka Ampielezana mba ho tonga hiara-mivavaka sy hifanome tànana amin’ny asan’ny Tompo.

Fanaontsika ny manao « Tonona » ho fanomanana izany Fetim-bokatra izany izay azontsika arotsaka amin’ny fomba mahazatra sy aty am-piangonana.

Misaotra antsika rehetra sahady amin’ny fitondrana am-bavaka izany asan’ny Tompo izany ary manantena ny fahatongavantsika rehetra.

Misaotra ny Tompo isika fa amin’ny anjarantsika Fiangonana amin’ny trano fidiovana 39.000.000Ar dia 10.000.000Ar sisa no miandry antsika (efa eo an-tànana ankehitriny ny 2.000.000Ar). Ny ezaka sisa arak’izany dia 8.000.000Ar, koa manentana antsika samy handray anjara

Ny Tompo Jesoa anie hamaly fitia. Mirary ny fiadanana’Andriamanitra ho amintska rehetra anie ry havana.

Ny Mpitandrina


Lire aussi

26/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro

Alahady 26 marsa 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo« . Ny mpitandrina Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny teny fanevan’ny faha-160 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo, Hagay 2 : 9b  » ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro «  Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika