Nodimandry i Raharijaona Vololona – katekista
« Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho »
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny havanay
RAHARIJAONA Vololona Mbolanirina
(teraka RAZAKANIAINA)
Diakona, Katekista, Mpampianatra
dia nodimandry ny Alakamisy 04 Jona 2009 rehefa nivahiny 59 taona teto an-tany
Hoy ny vadiny, RAHARIJAONA Prédon sy ny zanany ary ny fiankaviana manontolo
Ny nofony dia niala teny an-tranony Ambatobevanja ny Alahady 07 Jona amin’ny 1 ora sy sasany, ary nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo alohan’ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany Andranobevava Analamahitsy.