Filazana manjo

Antso sy filazàna manjo, nodimandry, maty

Poème de Danielle

danielle

Tononkalo nosoratan’i Danielle noho ny fodiamandrin’ny vadiny, ANDRIATAVY Fabrice Tiana ny 27 décembre 2010. I Danielle moa dia ekipan’ny site web ary mpanangona sy mpanoratra ny lahatsoratra mivoaka eto. Mirary fiononana feno ho azy izahay ary ny Tompo anie homba azy telo mianaka. Vakio

Nodimandry i Marie Ambourger, mpamorina ny MAMRE

Ny FJKM, ny synodam-paritany Antaninarivo Atsinanana, ny Masera MAMRE sy ny komity dia mampandre antsika ny fodiamandrin’i Marie Ambourger izay nanorina ny Fikambanana Masera MAMRE eto Madagasikara, tamin’ny alahady 18 Aprily 2010, ny nofony dia efa voalevina tany Kemper tamin’ny … Vakio

Nodimandry Ramiadanirina Marthe

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay : RAMIADANIRINA Marthe dia nantsoin’ny Ray hody any Aminy tamin’ny Alatsinainy 18 Janoary 2010 rehefa nivahiny 26 taona teto an-tany. Anisan’ny … Vakio

Nodimandry Randriamilamina Claire Yvonne

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny reny malalanay :  RANDRIAMILAMINA Claire Yvonne (vady navelan’Itpklh Randriamilamina Arthur Samuel) dia nantsoin’ny Ray hody any Aminy ny Sabotsy 16 Janoary 2010 rehefa nivahiny 65 taona … Vakio

Fisaorana tamin'ny fampaherezana noho ny fodiamandrin'i Rabezanahary Jacques

Ny vadin-dRamatoa Raharisoa Blandine, ny zanany, ny zafiny, ny zafiafiny, ny iray tampo aminy, Atoa Rabezanahary Justin mivady, ny taizany Rtoa Ravelonjanahary, ny fianakaviana manontolo dia maneho fisaorana sy fankatelemana ny Mpitandrina sy ny fiangonana manontolo tamin’ny fanotronana sy fampaherezana … Vakio