FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Nijoro ny Sampana Lehilahy Kristiana – 13 mey 2007

SLK

Nijoro ny Sampana Lehilahy Kristiana – 13 mey 2007

Publié le 14 juillet 2007 à 08:07

Resadresaka nifanaovana tamin’ny Filohan’ny SLK (Sampana Lehilahy Kristiana)Ambavahadimitafo,RAVELOJAONA Feno Niriana

Hoviana no niforona ny SLK (Sampana Lehilahy Kristiana)?

Tamin’ny taona 1982 no niforona ny SLK teo amin’ny sahan’ny FJKM manerana an’i Madagasikara. Fa ny SLK eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo dia tafajoro androany; androany 13 mey 2007. Fa mbola mijoro fotsony izany, tsy mbola tena ara-dalàna eo anivon’ny FJKM; fa amin’ny erintaona ohatran’izao vao tena hajoro ho ara-dalàna. Izahay izay mijoro izao izany dia, karazan’ny hoe manao « test » raha hahavita ny asa na tsy hahavita.

Inona moa izany no tena atao hoe SLK?

Ny atao hoe SLK izany dia sampana velona anankiray eo anivon’ny FJKM, Sampana Lehilahy Kristiana izay mijoro hanatanteraka ny asam-piangonana izay hanirahana na niantsoan’Andriamanitra azy. Ny tanjona sy ny zavatra kendren’ny SLK ary ny andrasana aminy dia :

– ny hahatonga ny lehilahy kristiana hiroso lalindalina kokoa amin’ny finoana

– hazoto amin’ny asam-piangonana

– hahatana ny adidy amin’ny maha-loham-pianakaviana

– fiomanana ihany koa ho an’ireo izay ho loham-pianakaviana; amin’ny fitiavana sy risim-po no hanatanterahana izany.

– miaina ny hafatr’i Kristy eo anivon’ny firenena arakaraka ny asa tandrify ny tsirairay, na eo amin’ny firenena na ankohonana na eo amin’ny fiaraha-monina

Eo amin’ny firy ny isan’ny mpikambana ao amin’ny SLK?

Ny mpikambana ao amin’ny SLK izany izao dia misy eo amin’ny 40 lehilahy eo ho eo.

Inona no mampihavaka ny SLK amin’ny sampana hafa?

Ny mampiavaka azy dia; hoe izany izy hoe lehilahy, lehilahy kristiana. Ny mampiavaka azy koa faharoa dia angamba ny fijoroany tao anatin’ny fotoana fohy nefa efa nahazoana sahady mpikambana 40. Ankehitriny tsy hafenina fa sarotra dia sarotra tokoa ny manangana fikambanana sy mitady olona hihiditra ao anatiny. Fa mino sy manantena fa mbola ho avy ireo mpanampy hiasa mavitrika ao anatin’izany sampana izany. Ary dia tsy hitoky teny fatratra aho fa aleo ny fotoana no hitsara na mihavaka tokoa ireo lehilahy kristiana eto Ambavahadimitafo na tsy mihavaka.

Fanentanana ny lehilahy eto am-piangonana hanatevin-daharana ny SLK?

Miantso mandrakariva izany izahay; dia manentana ny lehilahy rehetra tsy an-kanavaka izay mahatsiaro tena ho lehilahy, hiditra ao anatin’ny Sampana Lehilahy Kristiana. Ary tsy hanatevin-daharana, amin’ilay niantsoinao azy teo, fa tena hiditra ho isan’ny laharana; satria mantsy ny manatevin-daharana izany dia mety tsy hiasa izany, fa hanabe isa fotsiny fa tena hiasa tokoa moa izany ho an’i Kristy.

Hafatra kely ho an’ny mpiangona na ny lehilahy eto am-piangonana na ho an’ireo mpitsidika ny « site web »?

Voalohany indrindra aloha ho an’ny lehilahy eto am-piangonana dia manentana hatrany hazoto hanompo an’Andriamanitra, hankato ny hafatra izay ampitain’i Jesoa Kristy ary hitory ny teny amin’ny olona rehetra. Ary dia hazoto hanatanteraka izany na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana. Manaraka izany ho an’ny mpijery ny site web-n’ny FJKM Ambavahadimitafo satria efa hery lehibe ho an’ny fiangonana izany amin’ny fampandrosoana ny asa : dia manentana antsika na ny eto an-toerana na ny any am-pitan-dranomasina any, amin’ny fampandrosoana hatrany araka izay mety ho tandrify azonareo atao. Miara-miasa isika satria dia mpirahalahy ao amin’ny Tompo.


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina