Niarahaba ny Reny ny Sampana Lehilahy Kristiana noho ny Fetin’ny reny
Nirary soa sy nanolotra fanomezana ny reny tao am-piangonana ny SLK
Toy ny efa fanao dia nanolotra fanomezana sy fiarahabana manokana ho an’ny reny ny Sampana Lehilahy Kristiana.
Teny fiarahabana :
Amin’ny anaran’ny Jesoa Kristy Tompo no hiarahabanay anareo Renim-pianakaviana izay nahatratra izao andro izao. Andro fifaliana tokoa izany satria andro andraisana fitahiana. Hoy ny Soratra masina hoe :
« Arahabaina ry ilay nohasoavina, ny Tompo anie homba anao »
Mirary ny fahasoavan’ny Tompo ho amin’ny tsirairay avy, ho amin’ny ankohonana, ho amin’ny fianakaviana , mba ho tena vady sahaza sy mpanampy tokoa anie ianareo eo amin’ny tokantrano izay efa nametrahan’ny Tompo anareo.
Fanomezana: Ohabolana 31 : 10
Notolorana fanomezana manokana ny reny iombonana, reny am-panahy iraisana ato am-piangonana, Ramatoa Fara, vadin’ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo.
Ny reny rehetra kosa dia notolorana « marque-page » ahitana teny Soratra masina
« Iza no mahita vehivavy tsara? [Na: mahay.] Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. [Na: perla.] »
Nosafidiana tokoa izany teny ao amin’ny Ohabaolana izany satria manambara fahandrena.
Hitantsika ao amin’ny teny Soratra masina ihany ny hoe :
« Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa sady mahita sitraka avy amin’i Jehovah »
« Trano sy harena no lova avy amin’ny ray, fa ny vady endry kosa dia avy amin’i Jehovah »
Tsara singanina ny toetra manokana ananan’ny vehivavy izay tsy misy eo amin ‘ny lehilahy amin’ny ankamaroany :
– Raha mànana fomba fijery « ankapobeany » ny lehilahy
– dia manana fijery «amin’ny antsipiriany » ny vehivavy
Ary izay indrindra no hisian’ny rindran-damina eo amin’ny tokantrano.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amen.