FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Nahavita ny fanazaran’asa i Pasitera RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry

Nahavita ny fanazaran’asa i Pasitera RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry

Publié le 16 novembre 2008 à 12:11

RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry dia mpitandrina mpihana-draharaha teto amin’ny fiangonana. Teraka tamin’ny 21 Desambra 1979 tao Ampefy ary manam-bady. Nahazo ny marim-pahaizana Maîtrise en Théologie izy, rehefa nanao fanazaran’asa teto am-piangonana nandritra ny 12 volana ka nanatanteraka ny thèse nitondra ny lohateny hoe :

« Ny fanambadiana kristiana sy ny tontolo ambanivohitra« .

Tamin’ny 02 jolay 2007 tamin’ny 04 ora hariva teny amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga no notanterahina izany thèse nataony izany. Ny vontoatin’izany thèse izany raha fintinina dia ny hoe : Nahoana ny vahoaka any ambanivohitra milaza tena ho kristiana no mijanona fotsiny eo amin’ny vodiondry sy soratra fa tsy miroso amin’ny fanambadiana kristiana any am-piangonana .

Rehefa natao ny fanadihadiana dia roa no anton’izay :

– Voalohany, tsy tafita ny fampianarana momba ny fanambadiana kristiana

– Faharoa, noho ny tsy fahatafitan’ny fampianarana izay dia mihevitra izy ireo fa ny fandaniana be amin’ny sakafo sy ny fiara sns… no tena hatao hoe fanambadiana kristiana am-piangonana. Sakana tokoa izay tsy fahatafitan’ny fampianarana izay satria raha ny mpiangona FJKM no resahina dia ny 40% ihany no vita mariazy kristiana fa ny ankoatra izay dia mijanona amin’ny vodiondry daholo any amin’ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara.

Izany thèse izany no nahazoany ny mention Très bien ; ary voatendry izy hanatanteraka ny adidiny maha-mpitandrina azy any amin’ny faritr’i SAVA (Sambava, Anatalaha, Vohémar, Andapa) ao amin’ny Synodam-paritany KRIFAA. Mbola tsy voafaritra moa ny fitandremana. Nafinaritra azy ny fiaraha-miasa teto amin’ny fiangonana satria nahafahany nitondra fampianarana ho an’ny sampana sy ny fiangonana, nefa koa nahafahany nifampizara trai-kefa tamin’izy ireo.

Betsaka ny andrikitra nosahaniny teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo :

– Teo ny karazana fanompoam-pivavahana rehetra (alahady maraina, fandraisana, mariazy, maty…) sy ny fandalinam-pinoana samihafa teo anivon’ny sampana

– Mpitendry organ’ny fiangonana ihany koa izy ary tena mankafy mozika. Anisan’ny tena nanamarika azy ny fandraisany ny mozika Gospel, izay lasa nanjary nikoriana tao aminy ary nanjary niainany sy nohirainy mihitsy.
Izy moa no nanentana sy nitondra ny hafatra tamin’ireo concert Gospel-n’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) tamin’ny Noely 2006 sy ny fanompoam-pivavahana maraina ny Alahady 20 Mai 2007 teo.

– Anisan’ny zavatra iray nentiny teto amin’ny fiangonana koa ny fahamatorana bebe kokoa amin’ny fanatanterahana asa iray. Ireo raha fintinina fohy no zavatra nifampizarana tamin’i pasitera Tahiry teto amin’ny fiangonana. Efa nandalo teny amin’ny fiangonana Ambohimaharanitra (Mantasoa)izy ; avy eo tao amin’ny FJKM Kristy Fehizoro Andraisoro, avy eo teny Ambohidahy (Manjakandriana) ary farany teto Ambavahadimitafo. Efa nandalina ny Sociologie ihany koa izy ka nahazo ny marim-pahaizana Maîtrise rehefa namoaka ny boky nitondra ny lohahevitra hoe : « Eglise et politique » izay mahakasika ny laïcité de l’Etat, cas du mouvement populaire 2002.

Raha fintinina izany boky izany dia toy izao : nandray anjara betsaka ny fiangonana tamin’ny fiakaran’ny fanjakana ankehitriny. Ilaina mandray anjara ny fiangonana fa tokony hisy « limite » tsy azony hidirana. Nisy sociologue maromaro nojerena tao anatin’izay fikarohana izany.


Lire aussi

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :