Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ny Zanak’olona
Lohahevitra septambra 2013 : Manantena fiarovana ny mino
Tao amin’ny Lioka 12 : 8-12 no nakana ny hafatr’Andriamanitra ny alahady 15 septambra 2013.
8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra.10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’ olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy [Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3] ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’ izany ora izany izay mety holazainareo.
Mpitoriteny : mpitandrina miza-draharaha