Miverena amin’ny Tompo Andriamanitra
Fiombonam-bavaka ampitain-davitra ho an’ny Alahady 29 martsa amin’ny 9 ora maraina.
Alahady faha-5 ao anatin’ny karemy anio, ary alahady faha-2 izay tsy nahafahantsika namony ny trano fiangonananoho ny zava-misy eto amin’ny firenena sy manerana izao tontolo izao.
Na mafy aza ry havana ny manjo antsika, dia matokia ny Tompo Andriamanitra fa tsy ny aretina na ny fahantrana no tompon’ny teny farany , fa ny Tompo Andriamanintsika, Ilay fiandohana sy fiafaràna.
Fa alahady lehibe koa ho antsika malagasy manokana, satria hahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 martsa 1947, koa hiompana amin’izany koa izao fanompoam-pivavaha izao.
Ny lohahevitra banjinintsika dia ny hoe
Miverana amin’ny Tompo Andriamanitrao
Manasa anao hiara-hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana ampitain-davitra izao :
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
Amen.
Facebook : FJKM Ambavahadimitafo