Mila mandroso ankehitriny ny asan’ny sampana, komity, vaomiera…
Tao aorian’izay fihibohana izay isika dia somary nihaotra isika hoe handroso sa hihemotra sa akory…? Mazava ny lohahevitra banjinintsika dia ny hoe : « Mirosoa amin’ny finoana masina« . Mila mandroso isika ry havako.
Efa misy ny sampana manomboka manao hetsika, dia entanina isika rehetra mba hiroso @ asa.
Ny fifandraisan-tànan’ny mpitandrina sy ny fiangonana dia tsy midika fa mijanona ny asa ankoatran’izay. Fa tena miroso isika ka harindrantsika ny asa rehetra. Samy manatanteraka ny andraikiny amin’ny fanabeazana, fitoriana ny filazantsara ny sampana sy fikambanana rehetra.
Tena fotoanany izao ary miandry antsika ny Tompo sy ireo beazintsika.
Manentana antsika, mirary soa antsika, mampahery antsika; saingy aoka hohajaintsika ny fepetra fiarovana ara-pahasalamana, indrindra ho an’ny ankizy : tsy mifandray tànana, tsy mifanoroka, elanelana 1 metatra, sns…
Manentana antsika komity, vaomiera, sampana, sampan’asa, asa… mba hiroso amin’ny asa, satria ao anatin’ny fotoana fanomanana ny tetik’andro, teti-bola, tetik’asa ho amin’ny taona 2021 isika izao.