Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo
Mandritra ny vola Septambra 2011, ny FJKM dia handinika ny lohahevitra hoe « Mampiverina ao amin’ny Tompo ny fiovam-po, na ny fibebahana »
Ny nangalana ny hafatra tamin’ity alahady 07 septambra ity kosa dia tao amin’ny IIKor 5:16-19 : 16 Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.17 Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.18 Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,19 dia izao : Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.