Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao

Alahady 30 oktobra 2011 : alahady hanamarihan’ny fiangonana protestanta manerana izao tontolo izao ny fanitsiam-pivavahana; hitondrana am-bavaka ny maha-protestanta.
Ny maha-protestanta antsika dia ny fiainantsika ny tenin’Andriamanitra, ny fanamboniantsika ny Soratra Masina ho ambony noho ny fampianarana rehetra ary izany Soratra Masina izany no loharano miteraka ny  finoana ao anatintsika ao.

Ny mpitandrina Rakotoniera Eric no nitondra ny tenin’Andriamanitra, nisintonana ny sitrapon’Andriamanitra, handinihantsika tena eo anatrehany, tao ao amin’ny epistily ho an’ny Romana 6 : 1-7

Ny fahafahan’ny maro an’i Kristy amin’ny herin’ny ota, ary ny fanamasinana azy

1 Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana?2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.5 Fa raha nampiraisinat taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany;6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.7 Fa izay efa maty dia afaka amin’ny ota.

Here is the Music Player. You need to installl flash player to show this cool thing!

Une réponse à Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao

  1. Jean Raveloarison dit :

    Mitsahatra aminy asany izy, ary ny asany manaraka azy.
    Inona no hevitry io fehezan-teny io?

    Miandry valiny avy amin’i pasitera.

    Misaotra tompoko

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*


*

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>