Jesoa Kristy manome fahefaha izay olona irahiny
Alahady 25 septambra 2022, handinihina farany ny lohahevitra hoe « Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana« , hitondrana am-bavaka ny FFP na Fikarohana sy Fandalinam-pinoana.
Ny mpitandrina Ranaivoson Bodo Hanitriniaina no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 10 : 1-10 » 1Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra. 2Ary izao no anaran’ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny; 3Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak’i Alfeo, 4sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. 5Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin’ny lalan’ny jentilisa, ary aza miakatra amin’izay tanànan’ny Samaritana, 6fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’isiraely. 7Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra. 8Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. 9Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ny fehin-kibonareo, 10na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny. «
Araho ary ny fanompoam-pivavahana :