FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy

Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy

Publié le 11 décembre 2022 à 09:12

Alahady 11 desambra 2022, natokana ho an’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra na Sekoly alahady manerana ny FJKM ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana« .

Ny mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana, filohan’ny Sekoly Alahady Foibe no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 19:11-28 :

« 11Raha mbola nihaino izany ny olona dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nilaza fanoharana, satria efa akaiky an’i Jerosalema Izy ka noheverin’ny olona fa hiseho haingana ny fanjakan’Andriamanitra. 12Dia hoy Izy: Nisy olona ambony iray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia mbola hiverina. 13Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ary nanome azy mina folo ka niteny taminy hoe: Manaova varotra mandra-piaviko. 14Fa nankahala azy ny vahoakany, dia nampitondra teny nanaraka azy nilaza hoe: Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay. 15Nony tafaverina avy nandray fahefana hanjaka izy dia nasainy nantsoina hankeo aminy ireo mpanompo izay nomeny izany vola izany mba hahafantarany izay tombony azony. 16Dia tonga ny voalohany ka niteny hoe: Tompoko, ny mina iray taminao dia efa nahazoana tombony mina folo. 17Dia hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ny kely indrindra ianao dia manàna fahefana amin’ny tanàna folo. 18Tonga koa ny iray ka nilaza hoe: Tompoko, ny mina iray taminao dia efa tonga mina dimy. 19Ary hoy koa izy tamin’io: Mifeheza tanàna dimy koa ianao. 20Fa tonga kosa ny iray ka niteny hoe: Tompoko, inty ny mina taminao, izay notahiriziko voafono tapa-damba. 21Fa natahotra anao aho satria olona mila voa tsy ary ianao ka maka izay tsy napetrakao ary mijinja izay tsy nafafinao. 22Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa izaho dia olona mila voa tsy ary ka maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko; 23koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ny mpampanjanaka vola ny volako, koa rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy miaraka amin’ny zanany? 24Ary hoy izy tamin’ireo izay nitsangana teo anilany: Alaivo ny mina eny aminy ka omeo ilay manana mina folo. 25Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana mina folo izy. 26Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy. 27Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo dia ento at? ka vonoy eto anatrehako.

Ny niakaran’i Jesosy tany Jerosalema (Mat 21.1-9; Mar 11.1-10; Jao 12.12-16)

28Rehefa niteny izany Izy dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema. « 

Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :


Lire aussi

19/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2024

Alahady Pentekosta , 19 mey 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe Mampahery ny Fanahy Masina, nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 3 : 5  » Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. « 

05/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Mampahery ny Fanahy Masina

Alahady 05 Mey 2024, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Mampahery ny Fanahy Masina« , hanatanterahin’ny sampana Sekoly Alahady ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 8:9-13  » 9Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana

28/04/2024 A la une . AFFA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady faha-40 taonan’ny AFFA

Alahady 28 aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy Zatovo (AFFA). Tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavana no nitondran’ny AFFA ny tenin’Andriamanitra

21/04/2024 A la une . Diakona sy Loholona . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy no Ilay mazava

Alahady 21 aprily 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », alahady nanavaozan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina délégué mpanampy Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 11 : 33 -36 « 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary