Izay mandinika ny teny no hahita soa
Lohahevitra novambra 2013 : Manantena fahasambarana ny mino
Hafatr’Andriamanitra ny alahady 03 novambra 2013, izay nalaina tao @ Ohabolana 16:19-24 :
19 Tsara ny malemy fanahy ao amin’ izay manetry tena Noho ny mizara babo amin’ izay miavonavona.20 Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’ i Jehovah no ho sambatra.21 Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian’ ny molotra mampandroso fahendrena.22 Loharanon’ aina ny fahazavan-tsaina amin’ izay manana izany; Fa ny famaizana ataon’ ny adala dia fahadalana ihany.23 Ny fon’ ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin’ ny molony.24 Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin’ ny fanahy no mahatsara ny taolana.
Mpitoriteny : mpitandrina Rakotoniera Eric