FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ireo karazam-pitiavana avy amin'Andriamanitra

Ireo karazam-pitiavana avy amin'Andriamanitra

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

FIFANKATIAVAN’NY MPIRAY TANINDRAZANA :

Nony efa tonga tao Betlehema i Naomy sy i Rota dia taitra ireo mpiray tanindrazana taminy : nalahelo an’i Naomy izy ireo, nitsetra azy ary dia afaka namboraka ny alahelony sy ny fahoriana nahazo azy izy (1:19/20). Nampiseho ny fankasitrahany sy ny fitiavany vahiny koa ireto mpiara-monina satria navela hitsimpona vary taorian’ny mpijinja i Rota (2:1/3).

FITIAVANA HIATRIKA NY FIAINANA :

Na dia vahiny aza i Rota nandray andraikitra ny hiasa ka tsy hipetraka fotsiny na hotoloram-potsiny. Tsapany ny adidiny amin’ny famelomana ny tenany sy ny rafozany izay efa tsy mahavita asa firy intsony, ka tapaka ny heviny fa hirotsaka hiasa eny an-tsaha izy (3:3).

FITIAVANA NY ASA :

Niasa tamim-pitiavana izy satria nifototra tokoa teny an-tsaha. Fotoana kely monja no nitoerany tao an-trano, ary notahian’Andriamanitra ny asany (2:17).

FIFANKATIAVAN’NY MPIASA SY NY MPAMPIASA :

Orinasan’i Boaza : hafakely, nanjakan’ny fahazavan’Andriamanitra ary tsara ny fifampitondrana tao ; Boaza : mpampiasa tsara fanahy, be fitiavana ny asany, ary koa nivavaka ho an’ireo zatovo teo aminy (2:4a). Ireo zatovo : nivavaka ho an’i Boaza mba ho betsaka ny vokatry ny taniny (2:4a). Hita fa lehilahy matahotra an’Andriamanitra i Boaza, satria nankatoaviny ny didy ao amin’ny Levitikosy 19:9 amin’ny fitsinjovana ny ory sy ny vahiny (2:16).

FITIAVANA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY :

Mitsiry fitiavana an’i Rota i Boaza. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izay. Tsy kisendrasendra ihany koa ny nahatongavan’i Rota teo amin’ny taniny fa efa notantanin’Andriamanitra ny diany. Tsy maika izy fa nandinika sy nanontany ireo zatovo mombamomba an’i Rota (2:5-7-11). Rehefa izany dia natolony azy ny fifaliana sy ny sakafo tsara indrindra (2:9-14 ; 3:10), ny lehibe indrindra amin’izany dia ny tsodranom-pitahiana (2:12). Faly i Rota tamin’izay nataon’i Boaza taminy, nandeha tamim-pahendrena izy ary nitsinjo an’i Naomy tamin’ny sakafo izay nentiny ho azy (2:11). Noborahiny tamin’i Naomy ny tsiambaratelony satria i Naomy dia noraisiny ho toy ny reniny. Faly ny fon’i Naomy satria havany ilay tia an’i Rota. Notarihiny i Rota teo amin’ny fomba fihetsehana sy fahadiovana. Nampitombo ny fitiavan’i Boaza azy izany ary koa nanintona ny masony sy ny fony. Niara-nihafy i Rota, i Naomy ary i Boaza, nifankatia tokoa izy tao anatin’izany no tsy maintsy nanatontosa ny adidiny; tsapany fa tokony hanaja ny zon’ny havany izy, izay afaka hanavotra an’i Rota araka ny fomba jiosy (3:12).

FITIAVANA NY ARA-DALANA :

Zava-dehibe ny faharetana miandry ny sitrapon’Andriamanitra, nomeny azy ny hery nandehanany amin’ny ara-dalàna sy ny fahamarinana fa izany no sitrany (Jak. 1:27). Fahamendrehana sy fahadiovana no niarahan’izy roa talohan’ny fanambadiany (3:14). Fantatr’i Boaza fa solon-drenin’i Rota i Naomy, nampitondra vary in-6 famarana izy ho mariky ny fitiavany azy (3:7) : “Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha”.

FIFANKATIAVANA EO AMIN’NY MPIRAHALAHY :

Mpirahalahy mahay mifanaja, mifandefitra, samy manana ny fahatahorana ny ara-drariny.

– Ilay havana akaiky no manana zo voalohany amin’ny fahatanterahan’ny fividianana ny tany sy ny fitondrana loloha an’i Rota.

– I Boaza kosa efa teraka ao am-pony ny fitiavana an’i Rota, kanefa tsy afaka nandeha alohan’ilay havana izy. Nasehony ny fandeferany eo anatrehan’ny ara-drariny, koa dia aleony nampamory ny vahoaka sy ny loholona nanazavany ny zava-misy. Tamin’izany no nanoloran’Andriamanitra fahendrena azy (4:5a) ka namalian’ilay havana an’i Boaza hoe : “Vidio ho anao izany.” (4:8)

FITIAVANA EO AMIN’NY MPIARA-MONINA :

Nambaran’ilay havany akaiky manana zo fa tsy afaka nanavotra ho an’ny tenany izy. Ny mpiara-monina sy loholona no niara-nijoro ho vavolombelon’ny fahefana nomen’i Boaza namelo-maso ny anaran’ny maty (3:9-10). Niara-paly sy nivavaka ho an’i Rota ny rehetra (4:10-12). Nankasitrahany sy notsofiny rano ny fanambadian’izy roa. Nisaotra an’Andriamanitra ny mpiara-monina sy ny loholona (4:14). Tera-dahy i Rota ary vehivavy mpiara-monina no nifidy ny anarany atao hoe : Obeda, rain’i Jese niteraka an’i Davida.

Anjarantsika ny mandini-tena mba ho tanteraka amintsika koa ny fitiavana avy amin’Andriamanitra.

CIOEM


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina