FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Herintaona niorenana ny TMT na Tranainy Mitambatry la Treize

Herintaona niorenana ny TMT na Tranainy Mitambatry la Treize

Publié le 25 juillet 2014 à 08:07

Nomarihina ny Alahady 20 Jolay 2014 lasa teo teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny herintaona nanorenana ara-dalana (20 Jolay 2013 – 20 Jolay 2014) teo anivon’ny Fiangonana ny Fikambanana TMT (Tranainy Mitambatry la Treize) izay niara-niasa tamin’ny KP Komitim-Pivondronan’ny SAMPATI faha XIII tamin’ny lafiny maro ary natsangana mba hanamafy orina ny firaisankinan’ireo Tily sy Mpanazava Tranainy ary ireo Sakaiza rehetra, hanampy ny KP amin’ny fampandrosoana ny fitaizana skotisma atao eo anivon’ireo mbola eo am-perinasa, hampanjaka ny firahalahiana sy fifankatiavana, hanompo an’Andriamanitra ary hiasa ho an’ny Tanindrazana.



Nanao fanamiana mitovy daholo ny tranainy izay nandalo tao anatin’izany fitaizana skoto izany ary notronon’ireo ankizy amperinasa ankehitriny ka niara-hiredona ny hiran’i Chef RAMINO Paul izay nandraisana ny antso manao hoe « Efa reko hatry ny elabe ny antsonao ry taniko ».

Taorian’ny fotoam-pivavahana maraina dia nisy ny fihaonan’ny TMT sy KP teny an-tokantranon’i Chef SAGAM tao Antsahabe. Nasehon’izy ireo tamin’io fotoana io ny fahavononany hiray hina ka nandinihina indrindra izay fomba hampandraisana anjara ny am-perinasa amin’ny LASIN-JOBILY izay ho tanterahina ny 01 – 05 Aogositra sy 23 -28 Aogositra 2014 ho avy izao eny AMBATOMANGA. Hisy hetsika sakafo BARIKETIM-PIFALIANA, izay hiaraha-miombon’antoka sy manatanteraka ny Alahady 17 Aogositra 2014 izao, ary hanentanana ny rehetra ny hividy ny karatra 10 000 ariary hahazoana izany, ho enti-mandefa ny Voronkely sy ny Tily amin’ny LASIN-JOBILY.

Ny TMT dia hamonjy ny fotoam-panokafana ny LASIN-JOBILY ny Sabotsy 23 sy Alahady 24 Aogositra 2014 eny AMBATOMANGA ka ny fandaminana izany dia hatao ao amin’ny Local Scout aorian’ny fotoam-pivavahana maraina ny Alahady 17 Aogositra 2014”.

Mirary soa ho antsika rehetra.

Chef NDREMA (Serasera TMT)


Lire aussi

19/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2024

Alahady Pentekosta , 19 mey 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe Mampahery ny Fanahy Masina, nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 3 : 5  » Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. « 

05/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Mampahery ny Fanahy Masina

Alahady 05 Mey 2024, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Mampahery ny Fanahy Masina« , hanatanterahin’ny sampana Sekoly Alahady ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 8:9-13  » 9Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana

28/04/2024 A la une . AFFA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady faha-40 taonan’ny AFFA

Alahady 28 aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy Zatovo (AFFA). Tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavana no nitondran’ny AFFA ny tenin’Andriamanitra

21/04/2024 A la une . Diakona sy Loholona . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy no Ilay mazava

Alahady 21 aprily 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », alahady nanavaozan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina délégué mpanampy Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 11 : 33 -36 « 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary