FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Hafatra mikasika ny fahasalaman'ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo

Hafatra mikasika ny fahasalaman'ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo

Publié le 08 octobre 2009 à 12:10

Iarahantsika mahalala fa tao anatin’ny volana maromaro izay dia tao anatin’ny tsy fahasalamana ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo.

Mbola ao anatin’ny fikarakarana ny fahasalamana ireo mpitsabo amin’izao fotoana izao. Ka noho izany dia :

Mangataka antsika mba hitondra am-bavaka

Mangataka antsika mba hitondra am-bavaka mba hiverenan’ izany fahasalaman’ny Ray aman-dreny mpitandrina izany, mba ahazoany mirihariha miaraka amintsika indray eto amin’izao fiangonana izao

Mila filaminana tanteraka ny mpitandrina

Mety mbola haharitra iray na roa volana ny fitsaboana ka mila filaminana tanteraka ny mpitandrina araky ny filazan’ny mpitsabo. Ka noho izany dia tsy afaka handray antsika ny mpitandrina mandritra izay volana iray na roa izay aloha.

Tsy atao tompon-trano mihony isika mianakavy ry havana ka miangavy antsika mba haharitra amin’izany fitsaboana izany.

Fandaminana

Misy ary noho izany ny fandaminana eo amin’ny fampandehanana ny raharaham-piangonana. Raha misy raharaha tokony hoentina eto amin’ny fiangonana dia isaky ny Alarobia dia efa vonona handray antsika ny Sekreteran’ny fiangonana ao amin’ny Akany Ralibera Daniel, na mifandray amin’ny Filohan’ny Loholona sy Diakona na ny Biraom-piangonana iray manontolo

Mila fanohanana ara-bola

Efa manana teti-bola amin’ny fitsaboana ny Ray aman-dreny mpitandrina sy ny fianakaviany isika ao amin’ny sora-bolan’ny fiangonana. Kanefa mbola mety haharitra ny fitsaboana koa dia manao antso avo ny Biraon’ny fiangonana mba hanome tànana mba ahazoana manatanteraka amin’ny tokony ho izy ny fitsaboana ny ray aman-dreny mpitandrina.

Azontsika arotsaka ao amin’ny mpitahiry volan’ny fiangonana izany eto am-piangonana isaky ny alahady, na isaky ny alarobia ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

Marihina fa hanomezana rosia ara-dalàna ary avoakantsika amin’ny mangarahara izany rehetra izany.

Fa ny zava-dehibe ry havana dia ny fitondrantsika am-bàvaka ny fahasalaman’ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo sy ny fianakaviany manontolo na amin’ny fotoana rehetra hankahery azy ireo amin’izany fitsaboana izany.

Andriamanitra anie hanome hery antsika mba hitondrantsika am-bavaka izany ray aman-dreny izany.

Nanokana fotoana manokana nitondrana am-bavaka ny Ray aman-dreny mpitandrina ny fiangonana tamin’ny Alahady 04 Oktobra 2009 nandritra ny fotoam-pivavahana.


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :