FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fivoahana an-tsaha SAMPATI XIII

Fivoahana an-tsaha SAMPATI XIII

Publié le 05 janvier 2010 à 08:01

Ny SAMPATI XIIIème Ambavahadimitafo dia nahavita ny Fivoahana an-tsaha ny 28 sy 29 Novambra 2009 teo tany Ambatomanga.

Ny firaisankina nisy teo @ Komitin’ny faha-60 taona sy ny commissions maro (Oraganisation générale, Lieu, Cuisine, Transport, Activités, Uniforme) ary ny fifankatiavan’ny rehetra no nentina nanomana sy nahatanterahan’ny Lasy.

Ny Lasy dia nizotra tsara ary nahitana mpandray anjara toy izao:
· Mpanazava sy Tily am-perinasa : 82
· Raiamandreny sy Komitim-Pivondronana ary ireo Mpanazava sy Tily Tranainy mianakavy : 79
· TOTALIN’NY MPILASY : 161

Ny fiainganan’ny fiara iombonana nitaterana ireo mpilasy dia ny Sabotsy tamin’ny 8 ora sy sasany mahery teo Ambohijatovo ary ny fahatongavana tany Ambatomanga dia tamin’ny 10 ora maraina.

Rehefa vita ny Fandaminana ny fotoana sy ny trano dia nosokafana teo anatrehan’ny Filoham-Piangonana sady Tily Tranainy RALAMBOMAHAY Mino sy ireo Filohan’ny Lasy rehetra tamin’ny 11 ora ny Fivohana an-tsaha izay nomanina.

Naroso ny sakafo tamin’ny 12 ora sy sasany ka rehefa tomombana ny fikarakarana rehetra dia niroso tamin’ny activités rehetra teo ambany fitarihan’ny Mpiandraikitra izany ny Mpilasy.

Teo ny Lalao sy Hira maro samihafa mampiavaka ny Mpanazava sy Tily izay notanterahina ankalamanjana ary teo koa ny afon-dasy izay natao an-trano noho ny orana izay nanomboka nirotsaka ny alina.

Nitohy ny Alahady ny fotoana ka raikitra indray ny Lalao sy Hira maro samihafa rehefa avy nanao fanompom-pivavahana maraina tao an-dasy.

Nahafinaritra ny fiainana an-dasy fa samy nandray anjara mavitrika daholo na ny am-perinasa na ny tranainy sy ny fianakaviany. Na nisy aza ny reraka dia mbola nahitana Mpanazava sy Tily Tranainy ary ireo zanany maharaka tsara ny fiainana an-dasy.

Ny Lasy dia nofaranana ny Alahady tolakandro tamin’ny 3 ora ary ny Mpilasy rehetra dia tafaverina teo Ambohijatovo tamin’ny 5 ora hariva.

Fisaorana no atolotra ireto olona rehetra ireto noho ny fahavitan’ny Lasy antsakany sy andavany:
· Ny Raiamandreny Mpitandrina sy ny Fiangonana manontolo tamin’ny fitondrana am-bavaka ny fikasana rehatra,
· Ireo Raiamandreny mpanohana rehetra ara-pitaovana, toy ny fiantohana fiara nanaovana ambulance, sy ara-bola ary ara-panafody,
· Ireo Komitin’ny Jobily faha-60 Taona sy ireo commissions rehetra niara-niasa tamim-pitiavana,
· Ireo Mpanazava sy Tily Tranainy rehetra ary ireo vady aman-janany,
· Ny Tonia sy ny Komitim-Pivondronana,
· Ny Talen-tsekoly FJKM Ambatomanga izay nampiantrano,
· Ary ireo Raiamandrenin’ny Mpikambana Mpanazava sy Tily eto Ambavahadimitafo sy ireo zanany rehatra nilasy.

Tafita ny tanjon’ny Fivoahana an-tsaha niarahan’ny rehetra dia ny hahazoana mankalaza ny Jobily Faha-60 Taona, mampiroborobo ny SAMPATI ary mampahafantatra ny Fiangonana sy ny Fianakaviana ny Fitaizana Skotisma.

Misaotra sy mankasitraka ny rehetra ary mandrampihaona indray.

Chef NDREMA.


Lire aussi

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :