FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fantatrao ve ny Vaomieran’ny Aim-panahy?

Non classé

Fantatrao ve ny Vaomieran’ny Aim-panahy?

Publié le 31 mars 2009 à 01:03

Ny faritra ety Ambavahadimitafo dia tena azo lazaina hoe faritra mena (zone rouge). Ety no ivarotana ny rongony, betsaka ny mpivaro-tena,  be dia be ny fanambadiana tsy vita ara-dàlana sy ny ady any an-tokan-trano tsy mety voaravona…

Ny Vaomieran’ny Aim-panahy moa dia niorina indrindra noho ny fitoriana ny Filazantsara eto amin’ny faritr’Ambavahadimitafo sy ny manodidina.

Ka izay no tena antony nijoroan’ny Vaomieran’ny Aim-panahy ; ka  mba hitaomana ny olona mba hihaona amin’i Kristy satria ao Aminy no ahitana ny fiainana tena tonga lafatra.

Sarotra anefa ny mitaona olona ho an’i Kristy satria indraindray izy hita, indraindray tsy hita. Ka tsy maintsy mitady hetsika hafa, mety tsy mahazatra ny fiangonana, mba ho entina misarika azy ireo.

Hetsika :

–          Toy ny natao tamin’ny  volana Febroary 2009, dia notaomina ny olona tamin’ny alàlan’ny famafana làlana ny olona. Tao aorianny  famafana làlala dia nisy ny fiarahana misakafo ; ary mandritra izany no manararaotra mitory an’i Kristy.  Zavatra miovaova tahaka izany no atao ao, izay samihafa noho ny fotoana isak’alahady izay hidirana amin’ny ora voatondro ka hiravana amin’ny ora voatondro koa

–          Misy koa ny Tafika masina an-davan’andro izay hamamgiana ny olona tsotra eto amin’ny faritra manodidina ka hitaizana azy mba hihiditra tsikelikely amin’ny fiainana ara-panahy.

–          Isaky  ny Alarobia hariva ao amin’ny Akany Ralibera Daniel dia misy ny fotoam-pivavahana amin’ny endrika tena tsotra izay natao indrindra ho an’ireo olona tsy tafiditra ety am-piangonana mihitsy

Tanjona  sy Vokatra :

Ny olona hiantefan’ny asa moa dia olona samihafa be satria tsy mpiangona eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny ankabeazany ; mety ho katolika izy, na fjkm, na advantista na mety ho tsy manana finoana mihitsy aza.

Sarotra ihany ny mandrefy ny vokatry ny asa. Kanefa isaky ny hetsika lehibe ataon’ny Vaomieran’ny Aim-panahy,  in-telo ao anatin’ny taona, iantsoana mpanao hira ara-pilazantsara na mpitoriteny avy any ivelany dia tena feno hipoka ny trano.

Ny firafitry ny Vaomieran’ny Aim-panahy :

Ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo no ray aman-dreny manapa-kevitra ao amin’ny Vaomieran’ny Aim-panahy.

Ramatoa  Ranaivoson Faramalala vadiny kosa dia manokana fotoana maro ao amin’io vaomiera io, ka izy no mandrindra sy mandamina, mitady mpiara-miasa , mamorona programa ary mitady olona manafana an’io Vaomieran’ ny Aim-panahy io.

Tamin’ny taona 2007 no niforona ny Vaomieran’ny Aim-panahy. Samihafa noho ny sampana ny vaomiera noho ny firafiny eo anivon’ny fiangonana.

Hiadidian’ny fiangonana feno ny fandaniana ao anatiny :

Tsy ny fotoana hiasana no maha vaomiera ny vaomiera fa noho ny fiadidian’ny fiangonana azy. Izany hoe tsy mahazo manao fitadiavam-bola izy fa ny budget iray manontolo dia avy amin’ny fiangonana. Raha tsy ampy anefa izany dia afaka mangataka fanampiana amin’ny malala tànana ihany izy, toy izay efa natao tamin’ny hetsika rehetra teo aloha.

Tsy mitovy amin’ny Komity koa izy, izay voafetran’ny hetsika iray ny fotoana iasany.

Firafitry ny Vaomieran’ny Aim-panahy :

Saika manana Vaomieran’ny Aim-panahy daholo ny fiangonana rehetra. Ny mampihavaka azy fotsiny dia ny tsy fanànany Filoha, na sekretera na mpitahiry vola ; kanefa manana kahie mitahiry ny fandaniana ara-bola madio anefa izy mikasika ny fandaniana rehetra.

Mpikambana :

Somary mihavaka ny mpikambana eto amin’ny Vaomieran’ny Aim-panahy eto amin’ny FJKM Ambavahadimtafo, satria ny 80% dia ireo mpianatra ho mpitandrina ; izany hoe tsy raikitra. Izany hoe rehefa vita ny fianarany dia efa mety tsy ho mpikambana intsony izy. Ny mpikambana hafa koa dia saika manao izany an-tsitrapo avokoa.

Fihofanana :

Misy kosa anefa ny fepetra takiana raha hiditra ho Vaomieran’ny Aim-panahy. Izany hoe tsy maintsy mandalo fihofanana in-droa isan-taona. Izany fihofanana izany dia mahakasika ny Vaomieran’ny Aim-panahy, ny fanoloran-tena, ny maha-kristiana, ny tafika masina.

Ny olona miditra ho Vaomieran’ny Aim-panahy izany dia tsy maintsy mahalala izay antso manokana ho azy izay amin’ny Fitoriana ny Filazantsara, tsy maintsy manao fanoloran-tena ihany koa izy.

Noho ny hamafin’ny adim-panahy  betsaka hatrehina ao no mahatonga izay fepetra rehetra izay ka mampiavaka azy kely amin’ny fidirana sampana hafa.


Lire aussi

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :

02/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny sampan-drofia 2023

Alahady 02 aprily 2023, alahadin’ny sampan-drofia, alahadin’ny sampana Dorkasy eo @ sahan’ny FJKM, fanateram-bokatry ny Sampana Tanora Kristiana (STK). Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain dia araka ny Zefania 3 : 14-20 «  4Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana