FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fantatrao ve ny Vaomiera Fanisana

Non classé

Fantatrao ve ny Vaomiera Fanisana

Publié le 23 février 2009 à 12:02

Resadresaka nifanaovana tamin’i RAVELOSON Niriantsoa, mpandrindra sy mpanao sauvegarde ny fiche rehetra :

Inona no ataon’ny Vaomiera fanisana isaky ny alahady eo an-tokontanim-piangonana?
1 . Mizara fiche de renseignements ho an’ny mpiangona ahafahan’ny Fitandremana manao recensement ny vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.
2. Mizara ny karatra adidy 2008-2011 ho an’ireo mpandray rehetra manatitra ny fiche.

Oviana no niforona ny Vaomiera fanisana ary inona no antony?
Tamin’ny voalohan’ny taona 2007 no niforonany, mba hanomana ny fifdianana diakona 2008-2011.

Mahatratra firy izao ny mpiangona voaisa hatramin’izao?
Ny voaisa (namerina fiche io) dia mpandray 642 ary tsy mpandray kosa dia mahatratra 26

Tokony ho firy ny isan’ny mpiangona raha ny vinavina nataonareo?
Raha ny vinavina dia tokony nahatratra 1 067 ny isan’ny mpandray. Niainga tamin’ny lisitra tranainy anefa izany ka mety efa betsaka koa no tsy eto amin’ny fiangonana intsony noho ny antony maro.

Inona no ampiasana ny « informations » azonareo momba ny mpiangona?
Atolotra ny Mpitandrina sy ny Biraom-piangonana ahafahany mahafantatra ny tsirairay. Eo koa ny mety ilan’ny fiangonana azy araka ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ny tsirairay eo amin’ny sehatra samihafa (asa ataony, traikefany, fahalalàny, talenta …)

Misy firy ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera fanisana?
11 izahay no amin’ny Vaomiera Fanisana

Ohatran’ny ahoana ny fifandraisana ao amin’ny mpikambana ao @ Vaomiera fanisana?
Miara-miasa mahafinaritra ary araka ny mahamaro ny asa no hifamoriana matetika na tsia. Raha tsy izany moa dia rehefa alahady any am-piangonana no mifanakalo hevitra.

Hatramin’ny rahoviana no miasa ny Vaomiera fanisana?
R
ehefa tapitra nameno fiche daholo ny mpiangona tsirairay.

Misy hafatra tiana ampitaina ho an’ny fiangonana ve?
Manentana hatrany ny fandraisana ary ny fanateranareo (ho an’ireo izay efa nandray izany) ny fiche de recensement fa tena ilain’ny fitandremana izany.


Ny eto amin’ny www.fjkm-ambavahadimitafo.info moa dia hiezaka ny handrakitra izany lisitry ny mpiangona izany eto amin’ny tranonkala satria mety hahafahana mivelatra tokoa izany eo amin’ny fifandraisana sy ny fanompoana izay tandrify antsika.


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «