Fankalazana ny krismasy teto Ambavahadimitafo
– 12 desambra: krismasin’ny Tafika Masina natokana ho an’ireo vahoaka voaentana tety amin’ny faritra ambony: hira sy fampisehoana an-tsehatra ny nahaterahan’i Kristy
– 22 desambra: alimbavaka notanterahan’ny Sampati
– 24 desambra tolakandro: tsianjery + hira + fampisehoana antsehatra ny nahaterahan’i Kristy nataon’ny Sekolin’ny Tenin’Aa miaraka amin’ny Volana sy Kintana niafara tamin’ny fizarana vato mamy ho an’ireo ankizy rehetra nanatrika
– 24 desambra takariva: antsampanahy nameloma-mason’ny AMA ny sangan’asan’i Ramiarison Gilles mitantaran’ny nahaterahan’ny Mpamonjy mitondra ny lohateny « …… » . Niarahanan’ny AMA tamin’ny Fianakavian’i Ramiarison G sy ny Radio Fahazavana (FJKM) ny fanatanterahan’izany
* Marihana fa nalefa tao amin’ny Radio Fahazavana ny 25 hariva izany antsampanahy izany. Mampanao fifaninana mikasika ny sangan’asan’ Ramirison G ho an’ireo Antokompihira ihany koa ny Radio Fahazavana