Fandaminana alahady 13 septambra 2020
Miarahaba anao amin’ny anaran’i Tompo.
Toy izao manaraka izao indray ny fandaminana ho arahina mikasika ny fanompoam – pivavahana izay ho tanterahana ny alahady faha – 13 septambra 2020 ho avy izao :
1. Tsy misy intsony ny fisoratana anarana na amin’ny Facebook na amin’ny Site Web na ao amin’ny sacristain na amin’ny laharana finday izay efa natokana ho amin’izany.
2. In-2 ny fidirana dia amin’ny 8 ora maraina sy amin’ny 10 ora maraina.
3. Mbola mitoetra hatrany ny fepetra ara – pahasalamana : manao aro vava – orona, manasa tanana sy manadio ny faladian’ny kiraro mialohan’ny hidirana ny trano fiangonana, manaja ny elanelana 1 metatra eo an – kavia sy an – kavanana sy eo aloha sy aoriana na ety ivelan’ny trano fiangonana na ny ao anatiny.
4. Tsy maintsy manoratra ny anarana sy fanampiny, ny taona, ny laharana finday ary ny adiresy rehefa mirava ny fiangonana.
5. Marihina fa mbola mivoaka amin’ny Facebook sy ny http://www.fjkm-ambavahadimitafo.info ny alahady hariva amin’ny 18 h 00 ny fanompoam – pivavahana.
Dia mankasitraka indrindra ny amin’ny fiaraha – miasa ary dia mirary soa samy ho tahian’Andriamanitra.
NY BIRAON’NY FITANDREMANA.