FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanazavana voalohany ny Teny Faneva faha-150 taona

Fanazavana voalohany ny Teny Faneva faha-150 taona

Publié le 25 juillet 2012 à 09:07

« Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ny tananay »(Salamo 90:17)

Salamo avy amin’ny vavaka nataon’i Mosesy ho azy sy ny zanak’Israely ka voatambatra ho boky iray ny taona 1405 Talohan’ni Jesoa Kristy ary lazaina fa Salamo zokiny tokoa satria voasoratra talohan’ireo Salamo nataon’i Davida 1020- 925 Tal JK.

Noho ny famaizan’Andriamanitra ny olona tsy manana faharetana tany an’efitra ho any Kanana dia nivavaka tamin’Andriamanitra i Mosesy mba hamindran’Andriamanitra fo amin’izy ireo sy hitahian’Andriamanitra ny ezaka ataony.

Iza moa i Mosesy ?

Mosesy dia Lehilahin’Andriamanitra ary nantsoina hoe Rain’ny Mpaminany satria nahita an’Andriamanitra mivantana sy mifanatri-tava raha notolorana ny Didy folo teo an-tendrombohitr’i Sinay. Manana toerana lehibe izy satria nataon’Andriamanitra fitaovana nanafahana ny Zanak’Israely avy tany Egypta.

Noho ny fahatezeran’Andriamanitra manoloana ny olony feno fimonomononana sy fanomezan-tsiny an’Andriamanitra anefa dia tsy nahazo niditra tao amin’ny tany tondra-dronono sy tantely i Mosesy ary nanendry an’i Josoa izy handimby azy mba hitarika ny Zanak’Israely (Deoteronomia 3 : 21-29). Efa Zokiolona ihany i Mosesy kanefa tsy nahatsiaro fiadanana fa lalim-pahoriana ny androny koa nanandratra izao vavaka izao izy.

Nahoana no mitaraina i Mosesy?

Mitaraina i Mosesy satria ny mahafoy ny andron’ny olona dia ny fahatezeran’Andriamanitra. Ozona ny tsy fahatran’ny olona ny fahaelavelona ary tena tsy zaka ny fahoriana mihatra satria endriky ny fitsaran’Andriamanitra mialoha ny fahafatesana izany : tanisain’i Mosesy fa tsy maintsy ho faty ny olona; mora simba, voaheloka ary jamba manoloana ny fitiavan’Andriamanitra azy (and 3-11).

« Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry. » (Salamo 90:12). Tsapan’ny Jiosy na ny hebreo fa olon-kandalo izy ka mbola ahitana izany koa ny Salamo hafa « Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. » (Salamo 39:4).

Iza moa Ilay itarainana ?

Ny and 1-2 dia manamafy ny fanekem-pinoana an’Ilay Andriamanitra Mpiaro sady Fialofana ary koa Mpahary no Mpitahiry ny olona ao amin’ny fahavelomana mandrakizay.

Tompo – Adon (hebreo) – Seigneur – Maitre

Na ny Tompo na ny Andriamanitra dia samy Anarana iantsoana an’Andriamanitra.
Ny Tompo (Adonai) dia tsy tena Anarany fa fiantsoana Azy noho ny fahamasinany. Tsy azo atao rahateo ny manonona mivantana ny Anaran’Andriamanitra (Jereo ny Didy 10).

Koa ny Adonai na ny Tompo (Seigneur) dia Mpitsara sy Mpitondra izao rehetra izao. Eto dia asehon’ny Mpisolo-tena tampisaka « -nay » ny fifamatorana eo amin’ny Mpivavaka sy Ilay Tompo inoany fa manana fahefana feno sy lanjany eo amin’ny fiainany Ilay inoany.

Andriamanitray – El (heb) – Force – Puissance

Izy no Ilay Andriamanitra manatrika hatrany eo amin’ny tantara. Tsy azo sarahana amin’ny fanatrehany ny fihazonany ny Fanekena nataony tamin’ny lasa. Manaiky ho Andriamanitsika Izy ary porofoiny amin’ny famindrany aina ho antsika izany : Izy no ihetsehana sy iveloman’ny olona. Mbola hamafisina ihany koa fa ireharehan’ny Hebreo ny fananany Andriamanitra ambony noho ny andriamanitra rehetra El Elion.

Ny fahasoavana: Naam (heb) – bauté – agrément – grâce – amabilité

Angatahana ny famindram-po sy ny fahalemem-panahiny mba tsy haharitra ny fahatezerany noho ny tsy fananan’i Mosesy faharetana. Koa tsy i Mosesy no nahazo valiny fa isika izay mino an’i Jesoa Kristy ka manaiky fa nofoanan’Andriamanitra teo amin’ny fahafatesan’i Jesoa ny fahatezerany. Ary ny olona mahazo famindram-po dia hanao asa maharitra satria hamirapiratra eo amin’ny asany ny fahatsaran’Andriamanitra ka ho tsara koa ny asany.

Manohy izany ny hafatry ny Apostoly Paoly ao amin’ny Fiangonan’ny Fanekena Vaovao : « Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy. » (Efesiana 2:10).

Fampiharana

– Tsy hanahaka an’i Mosesy sy ny Zanak’Israely ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy; eny fa na dia eo ambany fahasoavana aza dia hiambina hatrany ka hitandrina ny fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra.

– Koa eo am-piandrasana ny fiverenany dia raiso ny fitahiana mitafotafo homena ny Fiangonana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy amin’izao taon-jobily izao. Ndeha hifaly sy hisaotra an’Andriamanitra amin’ny zava-miseho isan’andro ka ny fiadanan’Andriamanitra no hameno ny fontsika.

– Tsy averintsika intsony ny fahadisoana teo amin’ny tantara dia ny fimonomononana sy ny fifanomezan-tsiny mba hahatonga antsika rehetra hiditra ao amin’ny Tany Vaovao sy ny Lanitra Vaovao. « Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, » (1 Petera 1:8)

Hafatry ny Komity

Manentana antsika kristianina avy eto amin’ny fiangonana na ny zanak’am-pielezana mba hiara-hientana amin’ny famoronana logo sy hira faneva ho voninahitr’Andriamanitra.

Ny daty farany afaka hanaterana ny logo dia ny 19 aogositra 2012, ary ny hira kosa dia ny 9 septambra 2012. Ny fepetra rehetra mahakasika ny fifaninanana moa dia hitanao eto.

Dia mirary ny fiadanan’ny Tompo ho aminao.


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «