FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fampitam-baovao Biraom-piangonana

Fampitam-baovao Biraom-piangonana

Publié le 30 octobre 2020 à 01:10

Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo.

Toy izao manaraka izao indray ny vaovao tsara ho fantatra mikasika ny fiainan’ny fiangonantsika :

1. Amin’ny 9 ora maraina no fidirana ny alahady faha – 1 novambra 2020 ho avy izao ary dia fidirana indray mandeha ihany. Ary dia hiverina amin’ny fandraisana ny fanasan’i Tompo  , ihany koa ,  ny fiangonanana amin’io alahady maraina io. Izany rehetra izany dia  tanterahana ao anatin’ny fanajana tanteraka  ny fepetra ara – pahasalamanaMandritra ny fanompoam – pivavahana maraina no hanatanterahana indray ny rakitra manodidina izay natokana indrindra hanatevenana ny kitapom – bolan’ny komity Fifandraisan – tanana

2. Araka ny fandaminana dia hiverina amin’ny asa fanompoana izay efa nanirahana azy , ny alahady faha – 1 novambra 2020 ,  ireo ny vaomieran’ny fanisana mba ahafahana indray mikarakara ny karatrin’ny mpandray ny fanasan’i Tompo.

3. Toy izao manaraka izao kosa ny vaovao tsara ho fantatra mikasika ny Sampana:  

3.1. Hisy ny fiofanan’ny mpianatra ho mpiandry ao amin’ny taona faharoa eny Ambohibao Ziona ny zoma faha – 30 oktobra 2020 manomboka amin’ny 9 ora maraina ary mifarana amin’ny 12 ora maraina.

3.2. Hanatanteraka fianaran – kira ny Antsan’Ambavahadimitafo ny alahady faha – 1 novambra 2020 manomboka amin’ny 15 h 00 ao amin’ny tokantranon’i Solofo sy Lala Disaine.

3.3. Hisy ny fihaonan’ny mpianatra katekomena amin’ny diakona mpiahy ny alahady faha – 8 novambra 2020 aorianan’ny fanompoam – pivavahana maraina.

3.4. Hanatanteraka fihaonana ny loholona sy ny diakona ny sabotsy faha – 14 novambra 2020  manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora maraina ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

3.4. Hanatanteraka androm – bavaka ny AFF ny sabotsy faha – 28 novambra 2020 manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 15 ora maraina.

3.5. Mitohy hatrany ny fianaran – kiran’ny AMA isaky ny sabotsy tolakandro.

3.6. Ny alahady maraina aorianan’ny fanompoam – pivavahana kosa ny fianaran – kiran’ny Taninketsa. Marihina fa mandray anjara amin’ny hira ny Taninketsa ny alahady faha – 1 novambra 2020 ho avy izao amin’ny maha – alahady voalohan’ny volana ny alahady izao.

Dia mirary soa samy ho tahian’Andriamanitra.

NY BIRAON’NY FITANDREMANA.


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.