FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Famaranana ny fankalazana ny Jobily Faha-60 Taonan’ny SAMPATI XIII

Famaranana ny fankalazana ny Jobily Faha-60 Taonan’ny SAMPATI XIII

Publié le 12 octobre 2010 à 09:10

1°/ – FANOKAFANA:   –       Ny Alahady 04 Oktobra 2009 no nanombohana ny fankalazana tao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.

–          Chef Predon RAHARIJAONA izay isan’ny nanorina voalohany ny Tily teto Ambavahadimitafo no Filohan’ny Komity, ary Charline RABENJAMINA, Haja RAMAROSON, Mamy ANDRIAMIHAMISOA, Léon Claude RAVELOARISON sy Mamy ANDRIANTSOA no Filoham-boninahitra izay nampatsiahy fa ny Pasitera Jean Baptiste RALAMBOMAHAY no isan’ny angady nananana sy vy nahitana ny fikambanana ny taona 1949 nanombohana izany.

–          Fanateram-bokatra sy fiaraha-misakafo tao amin’ny Akany RALIBERA Daniel  no niaraha-nientana teo amin’ny Amperinasa sy ny Tranainy mba hahazoana manomboka am-pirahalahiana ny Jobily.

2°/ – SORTIE:              –       Nanatanteraka fiivoahana an-tsaha tany Ambatomanga ny 28 sy 29 Novambra 2009.

–          Ny firaisan-kina nisy teo amin’ny Komity sy ny commissions maro ary ny fifankatiavan’ny rehetra no nentina nanomana sy nahavitana ny Lasy.

–          Nahafinaritra ny fiainana an-dasy fa samy nandray anjara mavitrika daholo na ny Amperinasa na ny Tranainy sy ny fianakaviany. Na nisy aza ny reraka dia mbola nahitana Mpanazava sy Tily Tranainy ary ireo zanany maharaka tsara ny fiainana an-dasy.

3°/ – CABARET:           –       Ny takarivan’ny Zoma 20 Aprily 2010 dia nanao fitadiavam-bola teny amin’ny Espace de Verre Ankorondrano.

–          Ny Orchestre KORANA MOZIKA sy ny TARIKA FELANIARY, izay nahitana an’i JOHARY FELANIARY Tily Tranainy, no nanafana ny fotoana ary maromaro ny vola azo tamin’izany satria betsaka ny Amperinasa sy ny Tranainy no samy nanatanteraka tamim-pitiavana ny andraikitra isan-tsokajiny nankinina taminy avy.

4°/ – TOURNOI:           –       Nanao fifaninanana ara-panatanjahantena teny amin’ny Collège PAUL MINAULT Androhibe ny 29 May 2010.

–          Ny sampana tanora maro tao am-piangonana no niara-nankalaza am-pirahalahiana ny Jobily tamin’izany.

5°/ – LASIN-JOBILY:    –      Tany ANDRANOKODITRA AKANY NY NOFY no natao ny Lasin-jobily ny 23 ka hatramin’ny 31 Aogositra 2010.

–          Ny “ONG L’Homme et l’Environnement VOHIBOLA” no nanasa ny SAMPATI XIIIè ka ankoatra ny fiainana an-dasy dia nisy ny fitsidihana valan-javaboahary ary ny fambolen-kazo sarobidy sy ara-pahasalamana nandritra izany.

–          Nisy ny fiaraha-miangona tao amin’ny FJKM Andranokoditra ka nandray anjara mavitrika tamin’ny fitarihana ny fotoana, ny fanolorana Raki-pisaorana, ny fanaovana toriteny an-kira ary ny fividianana ireo lavatntim-bokatra ny SAMPATI XIIIè ka ankoatra ny asa soa vita dia nanolotra fitaovana sy fitafiana ho an’ny Fokonolona ny Mpilasy.

6°/ – TSANGAMBATO:      Seza vato tsara lehibe 4 eo an-tokontany no natolotra ny FJKM Ambavahadimitafo ny Alahady 03 Oktobra 2010.

–          Fanomezana fanamiana ho an’ireo Amperinasa no ezaka nataon’ny Tranainy nanampiana ireo tsy nanana izany.

–          Ny ambim-bola rehetra azo tamin’ny Jobily dia ho entina hanavaozana ny LOCAL SCOUT izay Tsangabaton’ny faha-50 taonan’ny SAMPATI XIIIè.

7°/ – VOKATRA:          –       Ny fanakalozana ireo vokatra no natao hahazoam-bola ho an’ny SAMPATI XIIIè namaranana ny Jobily.

8°/ – ISA:                     –       Mpanazava sy Tily Amperinasa 140 sy Tranainy 120 eo ho eo no nifanerasera nandritra ny Jobily.

9°/ – FISAORANA:     –      Ny Komity dia maneho ny fisaorana feno ireo rehetra nanohana sy niara-niasa tamin’izao Jobily faha-60 Taona izao.

RAMBELOSON Andriamampianina (Ndrema), Chef d’Organisation Générale et Communication


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «