Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay
Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ».
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 « 6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena!Fa mendrika Anao izany,fa amin’ny hendry rehetra amin’ny firenenasy amin’ny fanjakany rehetradia tsy misy tahaka Anao.8Fa kentrina sy adala avokoa izy rehetra.E! Zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.9Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisysy volamena avy tany Ofaza izany,asan-tanan’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy volamena;lamba manga sy volomparasy ny fitafiany;asan’ny manan-talenta izy rehetra.10Fa NY TOMPO no Andriamanitra marina,eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay,izay mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezeranyka tsy tantin’ny firenena ny fahavinirany.11Izao anefa no holazainareo amin’ireny:Ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tanydia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho at? ambanin’ny lanitra.12NY TOMPO no nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendrenyary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.13Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izydia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany;manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izysady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany. «