Fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra hibebaka
Fotoam-pivavahana Alahady 24 Janoary 2021, alahady faha-III manaraka ny Epifania FFKM, nitoriana ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17 : 30 – 34 :
« 30Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, 31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.32Ary raha nahare ny amin’ny fitsanganan’ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany zavatra izany. 33Ary Paoly dia niala teo aminy. 34Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman’izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa. »