FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao

Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao

Publié le 13 juin 2021 à 09:06

Alahady 13 Jona 2021, hitondrana am-bavaka ny Sekoly FJKM.

Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 2:1-10 : « Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ny mpianakavin’i Levy lasa naka vady tamin’ny zanakavavin’i Levy. Dia nanan’anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana. Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’i Neily ny fiara. Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy. Ary nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron’i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy. Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan’ny zanaky ny Hebreo ity. Dia hoy kosa ny anabaviny tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy Hebreo va aho hankat? aminao mba hitaiza ny zaza ho anao? Ary hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin’ny zaza. »

Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana :


Lire aussi

29/11/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Advento 2021 : Toriteny an-kira – Sekoly Taninketsa

Tahaka ny fanaony isan’taona dia tamin’ity alahady 28 novambra 2021 ity no nanatanterahin’ny Sekoly Taninketsa ny toriteny an-kira teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.

07/11/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

Alahady 07 Novambra 2021 hibanjinana lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity « Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo » Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 13:36-43 : « 36Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana

31/10/2021 Fampianarana . Fanompoam-pivavahana

Nahoana ny kristiana no tra-pahoriana

Alahady 31 oktobra 2021, alahadin’ny Reformarsiona, hamaranana ny fandinihana ny lohahevitra hoe « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny fanasany ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny fampianarana avy amin’ny Tompo manodidina ny lohahevitra hoe : Nahoana ny kristiana no tra-pahoriana

24/10/2021 Fanompoam-pivavahana

Alahadin’ny Fifohazana FJKM 2021

Alahady 24 Oktobra 2021, nitondrana am-bavaka ny sampana Fifohazana maneranany sahan’ny FJKM. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 24; 11a :  » Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ireo lehiben’ny Zanak’Isiraely Izy « 

17/10/2021 Fanompoam-pivavahana

Alahadin’ny MAMRE FJKM 2021

Notanterahina teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny fanompoam-pivavahana hitondrana ambavaka sy hanohanana ny Masera FJKM (MAMRE). Alahady 17 Oktobra 2021 mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Fanasany »

14/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 10 oktobra 2021 : Tafika masina

Alahady 10 oktobra 2021, niarahan’ny vahoakan’Andriamanitra avy ao @ FJKM Ambavahadimitafo sy ny FJKM Isoavina Fiorenana miombom-bavaka am-po sy am-panahy teto amin’ny FJKM Isoavina Fiorenana, taorian’ny Tafika masina notanterahina teny an-toerana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

14/10/2021 A la une . AFF . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Hafatra avy amin’ny mpitandrina taorian’ny Tafika Masina oktobra 2021

« Misaora an ‘i Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina . »(Salamo 103:1) 1/Isaorana ny Tompo Andriamanitra fa tontosa soamatsara ny Tafika Masina tany Isoavina Fiorenana. Mankasitraka antsika Sampana, asa, AFF, Mamre, Mpanohana rehetra, indrindra fa ny Fiangonana manontolo nanohana sy nitondra am-bavaka. « Miorena tsara aza miova ary mahefà be amin

03/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly

Alahady 03 Oktobra 2021, fanateram-bokatry ny SAMPATI, handinihina ny lohahevitra eto @ sahan’ny FJKM amin’ity volana ity : « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Fanasany ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 22 : 14 : « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy [Jesoa] mbamin’ny Apostoly » Andeha hiombona amin’izany

02/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ny tany Aho?

Alahady 26 Septambra 2021, hitondrana am-bavaka ny sampan’asa FFP (Fiofanana sy fandalinam-pinoana), alahady farany andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa ». Ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja Nantenaina no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 12 : 49 – 53 : «  49Tonga hanipy afo et? ambonin’ny tany Aho, ka manao ahoana ny

21/09/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny mino miorina ao amin’ny Tompo

Alahady 19 septambra 2021, mbola hibanjinana ny lohahevitra we « Miorena ao @ Tompo @ batisa »; alahady fanateram-bokatry ny antoko mpihira « Antsan’Ambavahadimitafo ». Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatry ny Tompo avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8 : 34 – 40 :  » 34Ary ilay tandapa namaly an’i Filipo ka nanao hoe: Masìna hianao, iza