FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Didy folon'ny fanabeazana

Didy folon'ny fanabeazana

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

1- Ny zaza TENENIN-DAVA dia ho tonga MPAMALIVALY

Koa mahaiza miteny azy amim-pitiavana sy amim-pahendrena fa aza treronina latsalatsaina

2- Ny zaza KAPOHIN-DAVA dia ho tonga MPIADY LAVA. Tsy midika velively izany fa tsy ho azo kapohana ny zaza maditra, fa ny matetika loatra kosa dia tsy rariny ary mitarika ny zaza ho lasa hamaly faty any ivelany.

3- Ny zaza VOASAZY LAVA dia hihevi-tena ho DISO LAVA (esprit de culpabilité) : mahomby lavitra ny fankaherezana azy amin’izay ezaka kely mba ho vitany.

4- Ny zaza HENOIN-TENY dia HAHAY HIHAINO NY HAFA. Koa raha miteny sy miresaka aminao ny zanakao dia henoy izy, fa aza revo na varian-dava amin’ny adim-piainana.

5- Ny zaza ANKAHEREZINA dia HAHAY HAHAZO ZAVATRA, ho tia karokaroka, fa tsy hionona amin’izay eo an-tanany.

6- Ny zaza OMEN-TSITRAKA dia HAHAY MANKASITRAKA. Omeo sitraka hatrany ny zaza amin’ireny asasoa kely mba vitany ireny, sy izay ezaka nataony, na dia heverinao ho tsy ampy sy tsy misy dikany aza, fa aza dia ny ditrany ihany no avoitra.

7- Ny zaza MAHATSAPA NY FAHAMARINANA dia HANAO MARINA. Aoka ho teny marina no holazainao azy, ary tsapany sy hitany fa marina : « Ny atao mahatarika », ary « Ny teny fitaka fa ny atao no hita ».

8- Ny zaza MIAINA AO ANATIN’NY FILAMINANA dia HATOKY NY ATAONY. Koa tandremo tsara mba tsy hikorotan-dava ny fiainanareo, fa misy fiantraikany ao amin’ny zaza sy ny asany izany.

9- Ny zaza MAHAZO DERA dia HAHATOKY TENA.

10- Ny zaza MIAINA AO ANATIN’NY FITIAVANA dia HO TIA NAMANA.

Farany, tadidio fa : matetika noho ny zaza tia fakan-tahaka ny ao an-trano dia ny rivotra iainany, na ny zavatra hitany ao amin’ny fianakaviana ihany no etiny miaina hatraiza hatraiza. Noho izany, IANAO, IZAHO, ISIKA iza samy maniry hanan-janaka mendrika, tsara taiza ary olom-banona dia aoka HIARA-MANABE ary HIFANABE amin’izay rehetra ataontsika sy iainantsika.

UNESCO 1965


Lire aussi

18/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra

Alahady 18 aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino« . Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IIKor 6;11 – 7;1  » 11Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny

11/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fahatahorana an’Andriamanitra no ambonin’ny zava-drehetra

Alahady 11 aogositra 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 12;4-7  » Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo:

04/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho masina ianareo, satria masina Aho

Alahady 04 aogositra 2024, andinihina lohahevitra vaovao indray manao hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino ».  Ny Mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IPetera 1;13-16  « 13Koa amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy; 14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena

28/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona miara-mandeha amin’ny Tompo dia tsara mpitarika ary tsy manan-tahotra

Alahady 28 Jolay 2024, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Rakototsihoaranambololona Domoina, mpitandrina FJKM Miadanimerina, fiangonana miara-mandroso @ FJKM Ambavahadimitafo. no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny Deotoronomia 34;1-8  » 1Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’i Jehovah azy

14/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina

Alahady 14 jolay 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao », iombonan’ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FKJM. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny II Kor 15;1-11 1Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaraha mandeha amin’ny Tomponao fa omeny fahefana manokana ianao

Alahady 07 Jolay 2024, iombonana amin’ny sampana Vondrona Fototra Laika – FJKM, andinihina ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 20;1-6 « 1Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Fetim-bokatra 2024

Alahady 07 Jolay 2024, alahadin’ny Fetim-bokatra eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 8 : 12 « Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina,

30/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaro ny olony tsy ho lavo ny Tompo

Alahady 30 jona 2024, ibanjinana farany ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo », ka nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Joda 24-25 24Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, 25ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie,

23/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Vokovoko manga 2024

Akahady 23 jona 2024, alahadin’ny sampana Vokovoko manga manerana ny FJKM, iarahabana sy itondrana am-bavaka ireo Zokiolona, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo« . Ny mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 21; 34-36 sy ITesaloniana 6; 4-11 34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy

16/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny Ray 2024

Alahady 16 Jona 2024, fetin’ny Ray, ivon’ny Jobily faha-75 taona ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo ». Alahady nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5; 16  » Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo