FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Asan’Andriamanitra

Ezaka trano fidiovana

Publié le 11 mai 2020 à 10:05

« Fa maty ny finoana raha tsy misy asa » Jakoba 2 Izany no tenin’Andriamanitra hifampiarahabantsika sy hifanentanantsika, notarihin’ny fanahin’Andriamanitra hiara-mivavaka eto amin’ity FJKM Ambavahadimitafo ity. Madiva ho vita ny fanamboarana ny trano fidiovana ato atsinanan’ny trano fiangonana. Isaorantsika an’Andriamanitra ny amin’ny ezaka efa nataontsika tsirairay avy, na ny fiangonana, ny tompon’andraikitra, ny teknisiana, izay rehetra niasa

» Tohiny...

Antso tolo-tànana ho an’i Ramatoa RANAIVOSON Faramalala

Publié le 22 avril 2020 à 02:04

Noho ny tsy fahasalamana mafy mahazo an’i Ramatoa RANAIVOSON Faramalala, vadin’ny Mpitandrina PROFESSEUR RAKOTOHARINTSIFA ANDRIANJATOVO,dia mangataka tolo-tànana antsika Fiangonana rehetra, kristiana rehetra, ny Mpitandrina, sy ireo mpianany, mba hanatanterahana ny fitsaboana azy. Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina

» Tohiny...

Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo

Publié le 03 juillet 2015 à 12:07

Toriteny tamin’ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Eric mianakavy teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, 01 desambra 2013 IIKorintiana 9 : 8 : Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra;

» Tohiny...

Nitondra am-bavaka ny asa fanavaozana ny Akany ny FLD

Publié le 01 avril 2015 à 08:04

Mialohan’ny fiofanana ny 14/03/2015, dia nanokana fotoana ny Firaisan’ny Loholona sy Diakona mba hitondrana am-bavaka ny fizotry ny asa fanavaozana ny Akany Ralibera Daniel, izay tsangambaton’ny faha-150 taonan’ny fiangonana.

» Tohiny...

Herintaona niorenana ny TMT na Tranainy Mitambatry la Treize

Publié le 25 juillet 2014 à 08:07

Nomarihina ny Alahady 20 Jolay 2014 lasa teo teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny herintaona nanorenana ara-dalana (20 Jolay 2013 – 20 Jolay 2014) teo anivon’ny Fiangonana ny Fikambanana TMT (Tranainy Mitambatry la Treize) izay niara-niasa tamin’ny KP Komitim-Pivondronan’ny SAMPATI faha XIII tamin’ny lafiny maro ary natsangana mba hanamafy orina ny firaisankinan’ireo Tily sy Mpanazava Tranainy

» Tohiny...

Fetim-bokatra 06 jolay 2014

Publié le 28 juin 2014 à 08:06

Toy ny fanao isan-taona dia ho tanterahina eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Fetim-bokatra ny Alahady 06 Jolay 2014 ho avy izao. Antony Ny Fetim-bokatra no ezaka lehibe hataon’ny fiangonana hanatrarana ny vina voafaritra ao amin’ny Teti-bolam-piangonana 2014, izay mitentina Ar 10 550 000. Izany hoe tena miantoka ny fahatanterahan’ny fampandehanan-draharaha sy tetik’asan’ny fiangonana mandritra ny taona mihitsy

» Tohiny...

Alimbavaka zoma 20 Jona 2014

Publié le 18 juin 2014 à 08:06

Hanatanteraka alimbavaka ny FJKM Ambavahadimitafo ny zoma 20 hifoha asabotsy 21 jona maraina izay hitondrana ny lohahevitra hoe « Aminao ho hitahiana ny firenena rehetra (Gal 3: 8) ». Karakarain’ny fiangonana, anefa hanasana ny fiangonana iray manontolo

» Tohiny...

Sakafom-pifaliana voalohany noho ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 16 mai 2014 à 08:05

Amin’ny alahady 18 mai 2014 ho avy izao no hanatanterahina ny sakafom-pifaliana eny amin’ny CEMES Soanierana, iza tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazanan ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ity fotoana ity tokoa no sakafom-piraisana voalohany nokarakaraina noho izao faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Koa dia manentana antsika ny komity amin’ny fandraisana anjara satria anisan’ny hetsika lehibe ho

» Tohiny...

Fitsangatsanganana alatsinainy Pentekosta 2014

Publié le 16 mai 2014 à 08:05

Eny amin’ny Espace Cardia no hotanterahina ny fitsangatsanganan’ny fiangonana alatsinainin’ny Pentekosta 2014 ho avy izao. Hisy ny fiara hiombonana amin’izany ka 1000Ar ny saran-dàlana mandroso sy miverina. Hiavaka ny fanentanana amin’ity fotoana ity satria handray anjara mavitrika avokoa ny sampana. Koa manentana ny mpianakavin’ny finoana rehetra mba hiara-hientana ho amin’izany fotoana manokana ho antsika izany.

» Tohiny...

Hotohizana indray ny famoahana ny gazety Akon’Ambavahadimitafo

Publié le 09 décembre 2013 à 12:12

Manohy ny famoahana ny gazety Akon’Ambavahadimitafo ny fiangonana ankehitriny, koa natolotra ny fiangonana tamin’ny 01 desambra 2013 teo ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny komity : – Ny talen’ny famoahana : RAKOTONIERA Christian Eric – Ny tonian’ny fanoratana : RALAMBOMAHAY Tahiry – Ny mpanoratra : RALAMBOMAHAY Mirana, RAKOTOSOLOFO Andry, ANDRIANARIVELO Tahiriniaina, RANARIJAONA Tsifasoa, MAHETSAKARIVO Mbolaniaina –

» Tohiny...